Lahatsary Gafin'ny “Fifandonan'ny Riba” Navoakan'ny Vondrona Eoropeana

Nisy lahatsary natao ho an'ny tanora efa lehibe nangala-tahaka ny sarimihetsika Kill Bill ary miompana amin'ny “fifandonan'ny riba” nataon'ny Vondrona Eoropeana entina hivelaran'ny Firaisambe Eoropeana. Saingy nesorina ny lahatsary ny 6 Marsa 2012 rehefa niteraka adihevitra mafana noho ny fiampangana azy ho mampiroborobo ny fanavakavaham-bolonkoditra.

Tsy nahasakana intsony ny adihevitra mamaivay teo amin'ny bolongana sy ny tambajotra an-tserasera anefa izany fanesorana azy izany. Tamin'ny fotoana nanoratana dia mbola hita tao amin'ny Daily Motion [fr] sy ny YouTube ny lahatsary:

Notantarain'ny tranonkalam-baovao 24heures.ch [fr] antsipiriany ny lahatsary:

Une jeune femme blanche de peau dans une combinaison qui fait penser à celle d’Uma Turman dans le film Kill Bill de Tarantino, fait face à chaque adversaire mâle arrivant dans l’entrepôt où elle se trouve. L’un est visiblement originaire d’Asie, l’autre d’Inde et le dernier, du Brésil. L’Europe face aux puissances émergentes? Leur attitude est agressive quand la jeune femme ferme les yeux et se dédouble plusieurs fois pour former un cercle autour des combattants, tout à coup doux comme des agneaux.

La symbolique lourdingue du clip se termine par un slogan affirmant: «Plus nous serons nombreux, plus nous serons forts». Juste avant, le cercle de femmes vu d’en haut s’est transformé en un drapeau étoilé de l’UE.

Tanora vehivavy fotsy hoditra mahatonga anao hieritreritra an'i Uma Thurman ao amin'ny sarimihetsik'i Quentin Tarantino Kill Bill no mijoro hifanandrina amina lehilahy telo tonga ao amin'ny fitoeran'entana midadasika misy azy. Ny iray hita ho avy any Azia, ilay hafa avy any India ary ny farany avy any Brezila. Eoropa miatrika ny hery (firenena) mihamisongadina ve? Maherihery fihetsika izy ireo raha manakipy ny masony kosa ravehivavy ka nizara maromaro ka lasa nanao faribolana nanodidina ireo mpiady izay nivadika ho hendry tahaka ny ondry tampoka teo. Mifarana amin'ny lohahevitra tahaka izao ilay lahatsary tsy noheverina tsara: “Araka ny mahamaro antsika no mampatanjaka antsika”. Fa mialoha io filazana io ireo vehivavy nanao faribolana dia nivadika ho sarin-kintana mandrafitra sy sainan'ny Firaisambe Eoropeana rehefa nojerena avy eny ambony.

Toy izao ny lazain'ny tranokala:

L’incroyable de cette histoire, c’est qu’il y a eu probablement plusieurs hauts-fonctionnaires bruxellois qui n’ont simplement rien vu d’offensant dans ces images. En ligne hier sur quelques sites d’information, ce clip-vidéo a été retiré en début d’après-midi et la campagne annulée.

Ny tsy mampino amin'ity tantara ity dia mety ho maro ny mpiasam-panjakana ambony tao Brussels no tsy mahita izay manohintohina ao amin'ny sary. Raha hita an-tserasera tany amin'ny tranokalam-baovao ity lahatsary ity omaly dia nesorina ny folakandro ary dia nofoananany fanentanana.

Ny takelaka Facebook [fr] avy amin'ny Parti des Indigènes de la République nanatsonga lahatsoratra avy amin'ny Regards.fr [fr], ilay “anti-kapitalista mivoaka isam-bolana “:

Ce stupéfiant petit film, bourré de stéréotypes racistes et essentialistes a été pensé, réalisé puis mis en ligne le vendredi 2 mars par les communicants de la délégation générale de l’élargissement de l’Union européenne de la Commission de Bruxelles. Face au tollé soulevé, il en a été retiré le mardi suivant, 6 mars. Le temps de faire un petit buzz sur Internet mais sans que la presse, en tout cas française, n’en fasse vraiment ses choux gras.

Mahavariana ity sarimihetsika fohy ity, feno fomba fihevitra mpanavakavaka, nosainina sy noforonina ary dia navoaka an-tserasera ny Zoma 2 Marsa, noho ireo mpitati-baovaon'ny delegasiona ankapoben'ny fampivelarana ny Firaisambe Eoropeanan'ny Vaomieran'i Brussels. Noho ny fahatafintohinan'ny olona dia nesorina izy io ny Talata 6 marsa. Fotoana ampy nampalaza azy tamin'ny aterineto, saingy tsy nisy ny gazety, indrindra ny an'ny frantsay, niresaka azy ity.

Hafa kosa ny fomba nandraisan'ny tontolo politika azy. Toa an'i Jean-Patrick Grumberg ao amin'ny dreuz.info [fr]:

Je trouve cette vidéo mensongère, mais pas raciste. Mensongère car je ne vois pas ce que l’Europe fait pour se protéger de l’invasion islamiste, mais je vois, au contraire, ce qu’elle fait pour la favoriser. Je ne vois pas ce que l’Europe fait pour se protéger contre l’immigration d’Africains, mais je vois ce qu’elle fait pour la favoriser, et je ne vois pas en quoi la Chine, que les dirigeants Européens ne cessent d’appeler au secours pour renflouer leurs caisses, représente un danger.

Mandainga ilay lahatsary fa tsy manavakava-bolonkoditra. Mandainga satria tsy manao na inona na inona hiarovan-tena amin'ny fananiham-bohitra Islamista i Eoropa fa ny mifanohitra amin'izany aza no hitako, dia ny fandrisihana azy. Tsy mahita an'i Eoropa manao izay hiarovantena amin'ny fifindra-monina Afrikana aho, fa hitako kosa izay ataony handrisihana izany, ary tsy hitako hoe inona ny loza ahiana ho avy any Shina, izay iantsoan'ny mpitondra Eoropeana vonjy hatrany hamenoana vola tsy ampy.
A still from the offending European Commission video

A still from the offending European Commission video

Isan-karazany kosa ny fihetseham-po ao amin'ny Twitter ary matetika no mafana:

@LauraLardy: L'UE fait la promotion de la guerre des civilisations et du racisme…

@LauraLardy: Mampiroborobo ny adin'ny riba sy ny fanavakavaham-bolonkoditra ny Vondrona Eoropeana….

@sergiomarx: La video de la Commission est-elle vraiment raciste ? Ou est-ce que le racisme ne serait pas plutôt dans l'oeil du spectateur ?

@sergiomarx: Manavakava-bolonkoditra tokoa ve ny lahatsarin'ny Vondrona Eoropeana? Sa ao amin'ny mason'ny mpijery kosa no misy ny fanavakavaham-bolonkoditra?

Ho lesona ho an'ny mpianatra fifandraisana sy serasera ve ity raharaha ity? Manazava ny teboka lehibe amin'ity “fifandonan'ny fomba fandraisan-kevitra” ity ny bilaogy Décrypter la communication européenne [fr] :

Le communiqué officiel signé par le Directeur général de la DG Élargissement justifie la diffusion de la vidéo en expliquant que la cible a laquelle la vidéo était destinée avait réagi positivement lors des tests de pré-lancement :
C’était un clip viral, ciblant à travers les réseaux sociaux, un public jeune (16-24) qui comprend l’intrigue et les thèmes des films d’arts martiaux et de jeux vidéo. Les réactions de ces publics ciblés ont en effet été positives, tout comme celles des focus groupes sur lesquels le concept avait été testé.

Manamarina ny famoahana ny lahatsary ny filazana ofisialy nosoniavin'ny Tale jeneralin'ny VE ho amin'ny fampivelarana fa nandray tsara ny lahatsary ireo kinendry nampijerena mialoha ny hamoahana azy tamin'ny besinimaro:
“Rakitsary doka, nikendrena ny tanora (16-24) mahalala ny karazam-piokoana (gidraka) amin'ny alalan'ny tambajotra an-tserasera sy mahay ny fanao any amin'ny sarimihetsika sy lalao an-dahatsary manandratra haiady io. Nandray tsara azy ny sokajin'olona kinendry, ary tahaka izany ihany koa vondron'olona nanandramana ny famoahana ny hevitra.”

Ny fehin-kevitry ny bilaogy dia mitovy amin'ny hevitra ankapobe avoakan'ny mpisera Aterineto [fr]:

Quoique la Commission européenne ait reconnu qu’il y avait un problème avec la vidéo controversée en choisissant de la retirer ; la divergence d’interprétation avec les médias sur la raison du retrait montre que la Commission reste sourde à l’accusation d’absence de clairvoyance quant à la potentielle lecture raciste de la vidéo.

Na dia nanaiky aza ny Vaomiera Eoropeana fa misy olana ilay lahatsary nampiady hevitra tamin'ny nifidianana ny hanesorana azy ; ny fahasamihafam-pandraisan-kevitra misy eo amin'ny mampita vaovao amin'ny antony nanesorana azy dia mampiseho fa tsy mihaino ny fiampangana ny tsy fieritreretana tsara amin'ny mety handikana ny lahatsary ho mpanavakava-bolonkoditra ny Vaomiera.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.