Meksika: Horohorontany Maridrefy 7.8 No Namely ny Tanàna

Tamin'ny 20 Martsa 2012 manodidina ny mitaotaovovonana, namely ny faritra atsimo sy afovoan'i Meksika ny horohorontany. Tsapa fa mahery kokoa ilay horohorontany tao amin'ny firenena  Oaxaca, Guerrero, Morelos ary tao afovoan-tanànan'i Meksiko. Araka ny vaovao avy amin'ny Sampan-draharaha Misahana ny Fihovitry ny Tany Ao Meksika (Mexican National Seismological Service) (@SimsologicoMx), toy izao ny mikasika izany horohorontany izany:

SISMO 7.8 Richter 29 km al SUR de OMETEPEC, GRO 20/03/12 12:02:50 Lat 16.42 Lon -98.36 Pf 15 km

HOVITRA  7.8 amin'ny maridrefy Richter 29 km ATSIMON NY OMETEPEC, GRO 03/20/12 12:02:50 Lat 16.42 Lon -98.36 Pf 15 km

Niteraka fitaintainana teo amin'ny fiarahamonina efa zatra ny horohorontany izany, saingy tsy dia mahery vaika noho ny efa niainana. Tao amin'ny faritra hafa ao an-tanànan'i Meksika, nikoropaka ny olona, tahaka ireo olom-pirenena nijanona teny an-dalana handeha hamonjy fiasana. Raha tapaka kosa ny herinaratra tao amin'ny tanàna hafa manodidina, niditra aterineto ny olona mba hifandray amin'ny fianakaviany ka nampahafantatra ny zava-mitranga ao an-toerana.

Jazmin Fajardo (@ jazminfajardo), ohatra, nilaza hoe:

 En la condesa [barrio al centro de la ciudad de méxico] todos afuera de los edificios polvo y olor a gas

Tao La Condesa (faritra akaikin'ny afovoan-tanànan'i Meksiko) mivoaka ao ivelan'ny trano-fonenana avokoa ny olona rehetra, manempotra ny vovoka sy ny etona

Nayeli Roldán (@nayaroldan) nitatitra fa nisy ireo afaka nialoka tao Zocalo (kianja ao afovoan-tanànan'i Meksiko) tanàna ao an-drenivohitry Meksika:

La gente desalojando los edificios cercanos al Zócalo

Nandao ny trano fonenana ao akaikin'i Zocalo ny olona

Mpisera RankiaoRecordsHD nizara ity lahatsary manaraka momba ny horohorontany ity tao amin'ny YouTube:

http://www.youtube.com/watch?v=XXBJl5HbY38&feature=related

Juliana Rincón nanangona lahatsarin'olo-tsotra momba ny horohorontany tao amin'ny lahatsoratra [mg] an'ny Global Voices.

Tao anatin'ny tahotra, kaonty Twitter an'i Walmart Mexico (@WalmartComMx) namoaka hoe:

Ahora sí, pusimos a temblar a las otras tiendas con nuestros precios

Izay izany, nataonay nihovitrovitra tamin'ny vidin-javatray ny magazay hafa

Nofafan'ilay orinasa ilay tweet; na dia izany aza Gavo Ayala(@gavowonka) nizara pikan-tsary izay azonao vakiana ny tweet amin'izany:

@WalmartComMx Borra su tweet pero aqui el print de pantalla #tembor #temblorDF #temblorMexico http://twitpic.com/8z1f55

@WalmartComMx namafa ny tweet-ny saingy ity misy ny pikantsary amin'izany#tembor #temblorDF #temblorMexico http://twitpic.com/8z1f55

Niteraka fahatezerana teo amin'ny fiarahamonina Twitter izany tranga-javatra (tweet) izany ka niampanga mafy izany tamin'ny alalan'ny fampiasana tenifototra  #OfertasWalmart (Walmart Sales) izy ireo

Tao amin'ny firenena Oaxaca, ao atsimon'i Meksika, monisipaly 25 nilaza fa nisy ny fahasimbana, ary tao amin'ny firenena Guerrero tokantrano 800 no fantatra fa rava. Nandritra izany, tao amin'ny firenen'y Morelos fiangonana iray tratran'ny fahasimbana goavana.

Na dia teo aza izany fahasimban-javatra sy fahatapahan-jiro tao an-tanànan'i Meksika izany, maivana kokoa ny takaitra navelan'ilay horohorontany teo noho ny horohorontany tamin'ny 19 Septembra 1985, izay nilàna asa marobe sy lehibe ho fanatsarana ny fananerana ny firenena manoloana izany zava-nitranga izany. Hita fa toa nisy vokany tsara ny ezaka natao tamin'izany satria tsy nisy ny aina nafoy tamin'ilay horohorontany farany teo hatramin'izao nanoratana ny lahatsoratra izao.

Pikantsary tamin'ny lahatsary ampiasanay ato amin'ny lahatsoratra ny hajiantsary eto
 
 
 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.