Tontolo Arabo: Tratry ny Fetin'ny Vehivavy – Fahatsiarovana Ireo Reny Maritiora

Manamarika ny andron'ny fetin'ny reny ny tontolo Arabo androany, 21 Martsa. Ao amin'ny tranonkala tambajotra-tsosialy, nandefa fiarahabana ho an'ny reniny ireo mpiserasera androany tontolo andro. Nahatsiaro ireo reny an'arivony maty novonoin'ny manam-pahefana nandritra ny hetsi-panoherana ny didy jadona, izay antsoina hoe Lohataona Arabo ihany koa izy ireo.

Avy any Bahrein, Sayed Ahmed Al Alawi ni-tweet hoe:

في هذا اليوم لطف الله بقلب كل أم فقدت فلدة كبدها مقتولا ظلماأو مغيبا في المعاقلات أو مشردا في الوطن والمهجر لكل هؤلاء الامهات نقول فصبر جميل

@SAalalawi: Amin'ity andro ity, hitsidika ny fon'ireo reny tsirairay namoy ny zanany, novonoina tsy ara-drariny, na nogadraina sy nalefa sesintany anie Andriamanitra. Ho anareo reny rehetra voakasik'izany, hoy izahay hoe: tsara ny manana faharetana

Ejyptiana Salma Hegeb nizara fihetseham-po mitovy amin'izany. Nampatsiahy antsika izy hoe:

@Salma_ts2al: #MothersDay (Fetin'ny reny) fanindroany izao ho an'ireo reny maritiora ao Ejypta. Nanomboka omaly, tsapako fa mangirifiry tokoa izany…

Syriana Zain nilaza vaovao ratsy:

@ZainSyr: Tafakatra ho 70 ny isan'ny martiora ao #Syria, izay 14 ny ankizy ary 7 vehivavy  #MothersDay

Nofehezin'ilay mpamahana bolongana Syriana Razan Ghazzawi ny alahelon'ny olona maro  izay tsapa amin'izao andro izao, indrindra ny ankizy sy ny reny, niaiky izy hoe:

@RedRazan: Mankasitraka ireo manan-kambara betsaka ho an'ny reny maritiora amin'izao andro Fetin'ny Reny izao aho. Izaho tsy mahita lazaina na teny iray aza. #Syria #Mothersday

Hoy izy nanampy izany:

@RedRazan: Mpisera Facebook #Syria nanao fanentanana mba hamporisika ny olom-pirenena hitsidika ireo reny maritiora androany, mba hampisehoana fa tsy irery izy ireo ao anatin'ny sarotra.

A screen shot of the Syrian martyr's mother Facebook page, which encourages Syrians to visit the mothers of martyrs killed by the Assad regime

Pikan-tsary misy ny reny Syriana maritiora ao amin'ny pejy Facebook, izay manentana ireo Syriana hitsidika ny reny maritiora novonoin'ny fitondran'i Assad

Antsoina hoe We are Your Children, Martyr's Mother (Zanakao Izahay, Ry Reny Maritiora) ilay pejy Facebook ary azona jerena eto.

Hiverina ao Ejypta indray, Mohannad nilaza tamintsika hoe:

من الحاجات اللي باحترمها في أمي انها ثورية وعلى الرغم اني عارف انها بتبقى قاعدة في البيت مرعوبة لما بانزل اشتباكات،بتدعيلي وتدعمني ‎‫#عيد_الأم‪‏
@mand0z: Ny zavatra iray hajaiko eo amin'ny reniko dia satria izy no revolisionera. Na dia fantatro aza fa mitaintaina mijanona ao an-trano izy rehefa any ivelany aho mandritra ny fifandonana, mivavaka ho ahy izy ary manohana ahy

Nandritra izany, hitan'ireo Syriana avy any ivelany fa sarotra ny mifandray amin'ireo fianakaviana any an-tanindrazana ka mirary soa ho an'ireo havana sy namana akaiky tratry ny Fetin'ny reny izy ireo. Tweet faha-47:

@THE_47th: Resaka marina, tsy maintsy ataoko izay hahitana finday mandeha amin'ny zanabolana na mametraka hafatra amin'ny vorona namana mba hanafatra ny renibeko hoe Tratry ny Fetin'ny Reny ao #Homs

Kareem Lailah nanampy hoe:

@KareemLailah: Miangavy anao Assad,  avereno amiko ny fifandraisana na dia iray minitra fotsiny mba hilazako amin'ny reniko hoe #HappyMothersDay mama! #Syria #iLoveYou

Syriana Shakeeb Al-Jabri nivazivazy hoe:

@LeShaqueTratry ny Fetin'ny Reny ho an'ny renin-karatro [carte mère-ko], raha tsy misy azy aho tsy velona

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.