Miomana Hanome Voninahitra An'Ireo Maty Noho Ny Ady Tao Malouines I Arzantina

Any Arzantina, isaky ny 2 Aprily no ankalazaina ny ny Andro ho an'ireo bekotro maroholatra sy ny maty noho ny Ady tao Malouines ary isaky ny fotoana fankalazàna dia mipongatra hatrany ny toe-po mitady ny very tany tamin'ny 1982. Saingy tsy ho daty mandalo tsy tazàna akory ny an'ny taona 2012. Taorian'ireo fanambaràna samihafa nataon'ny Filoha Cristina Fernandez de Kirchner mikasika ny fifanolanana ara-diplaomatika amin'ny Angletera mikasika ireo nosy Malouines, mihelohelo indray eo anivon'ny fiarahamonina ao Arzantina ny teo-po nasionalista.

Ny bilaogin'i ArturoDiazF dia mamintina amin'ny teny vitsy io toe-po nasionalista io :

Izaho manokana, mino aho fa ny antso ho amin'ny nasionalisma dia fialàna tsiny mety tsara ho fampiraisana firenena iray. Ny famelomana indray ny resaka Malouines dia soavaly iray fitondra miady mba hamiliviliana ny sain'ny vahoaka tsy hibanjina ny raharaha ara-toekaren'i Arzantina.

Maro ny zava-nitranga tato anatin'ny herinandro maromaro : ny fitsidihan'ny Filoha Cristina Fernandez tany Chili, ny fandàvana ny  UNASUR tsy hitrandraka ny solika ao Malouines, ny mety ho famerenana ireo sidina mampitohy an'i Azantina sy iretsy farany. Ahoana ny fomba fihevitr'ireo mponina ao Malouines an'io toe-draharaha io ?

Fananganana natao mitovy amin'ny toeram-pandevenana arzantina any Malouines. Sary avy amin'i Alejandro Gómez (CC BY 2.0)

John Fowler [Ang], tonian-dahatsoratry ny Penquin News, mpiseho isan-kerinandro any Malouines, no mamintina ny toe-pon'ny kelper iray (ilazàna ny mponina any Malouines) :

I think we would like to see the “sovereignty umbrella” hoisted again so that issues of shared concern like fish stocks and hydrocarbon exploration can be discussed to our mutual benefit without prejudice and we would also really like the Argentine government, as they once promised, to stop using the name Puerto Argentino to identify our capital, Stanley.  Unlike Malvinas which is a name with historical authenticity, used in a more or less neutral sense throughout the Spanish-speaking world, Puerto Argentino remains as an unpleasant reminder of an even more unpleasant time and its continued use thirty years later is an insult.

Mino aho fa mba te-hahita indray izany “alokaloky ny fiandrianana” hoe afaka nivelatra izany isika mba hiresahana tsy misy fiangarana ny amin'ny resaka tombontsoa iombonana tahaka ny fari-panjonoana sy ny fitrandrahana solika, ary ho amin'ny tombontsoan'ny andaniny sy ny ankilany. Mba tiantsika marina koa raha toa ka atsahatry ny governemanta arzantina, tahaka izay efa nampanantenainy antsika, ny fampiasàna ny anaran'i Puerto Argentino ho entina milaza ny renivohitsika, Stanley. Tsy tahaka ny any Malouines, izay ny anarana niandohana ara-tantara sy misy dikany tsy dia mirona atsy na aroa kokoa eo anivon'ny tontolo miteny espaniola, ny anarana Puerto Argentino dia mirakitra fahatsiarovana tsy mahafinaritra vanim-potoana iray izay mbola faran'izay tsy mahafinaritra rahateo ka ny fanohizana mampiasa izany telopolo taona ady aoriana dia toy ny fanompàna.

Araka ny masoivohom-baovao arzantina Telam, amin'ny lafiny iray, ny governemanta peroviana dia nanambàara ny fanafoanana ny fanomezan-dàlana ny any Londres hahazo manao ny fitsirihana fanaony amin'ny andian-tsambo mpiady anglisy :

Ity fanapahan-kevitra ity dia nolaniana tao anatin'ny fanahin'ny fanehoana firaisankinan'ireo “latino-américains”, mifanaraka amin'izay famaritan'ny Unasur momba ny resaka zo ara-drarin'ny Repoblikan'i Arzantina ao anatin'ny olana fiandrianam-pirenena mikasika ireo nosy ao Malouines, ny nosin'i Georgie Atsimo, ireo nosy Sandwich Atsimo, hatramin'ireo fari-dranomasina manodidina”, hoy ny fanazavàn'ny Minisitry ny Raharaham-Bahiny, Rafael Roncagliolo, tanatinà fanambaràna fohy tao amin'ny masoivohom-baovaon'ny governemanta “andine”.

Tsy niandry ela ny valin-kafatra avy amin'ny governemanta Britanika, ary, araka ny gazety mpiseho isan'andro La Nación, dia tohina mafy noho ilay fanafoanana :

Ny governemanta Britanika dia tohina mafy tokoa androany noho ilay fanapahan-kevitr'i Pérou hiara-dia amin'i Arzantina ao anatin'ny olana momba ireo Nosy  Malouines nanafoana ny fitsidihana efa voaomana hatao amin'ireo andian-tsmbo mpiady britanika “HMS Montrose” ao amin'ny seranantsambon'i Callao.

Dia izay indray, efa manakaiky ny 2 Aprily, manakoako eo amin'ny sehatra anatiny sy iraisam-pirenena ny resaka ‘Malouines’ na ‘Falklands’ ka mamoaka mibaribary fomba fijery mifanohitra. Diego Vera (@dverasm) mibitsika avy any Chili hoe :

Tena mandreraka ahy ny mandre ny Filohantsika @sebastianpinera manohana ireo hevitra an-taingina arzantina momba ireo nosy #falklands.

Ireo mponina eny amin'ny nosy ihany koa dia naka ny anjarany tamin'ny fanehoana hevitra mikasika ny fisokafan'ny sidina eo amin'i Arzantina sy ireo nosy, toa an'i Falkland Islands (@falklands_utd) [en] amin'ny alalan'ny kaontiny Twitter :

We would rather swim than have flights controlled by you! Leave us alone! @CFKArgentina http://www.telegraph.co.uk/news/worldnews… #falklands #british #freedom

Aleonay lavitra milomano toy izay hahita anareo hifehy sy hitantana ny sidina! Aza elingelenina izahay! @CFKArgentina http://www.telegraph.co.uk/news/worldnews… #falklands #british #freedom

Seba Zurutuza (@sebaZ3), mpanolotsaina momba ny lalàna, dia mitondra ihany koa fanakianana avy amin'ny alalan'ny Twitter momba ny toerana raisin'i Etazonia momba ny Nosy Malouines:

Tsy fahampianà fahamatorana re izao (?) avy amin'ny governemanta sy ny mpanohitra : dia mbola manantena foana ry zareo fa hoe ho avy hanohana azy i Etazonia.

Ao anatin'ny taratasin'ny mpamaky ho an'ny Talen'ny gazety Informador publico (L'Informateur public), Luis E. Luchía-Puig dia mamelabelatra  “tetikady izay ho fambaboana fo” mba hifehezana ny fifanolanana momba ny Malouines :

Mbola mitaky fotoana ela be vao hanolatra ny fery nentin'ny ady tsy nisy nilàna azy sy efa tany amin'ny telopolo taona lasa tany. Saingy ny toe-po iraisana izay tsapa dia mampiseho fa, mba hanatràrana io tanjona io, tsara kokoa ny mambabo fo noho ny manao antsonjay amin'ny fankalazàna politika fiaraha-mitantana am-pilaminana sy fanamoràna ny hisian'ny fifanatonana. Raha toa, amin'ny hoavy, ireo mponina amin'ireo nosy dia mahita fa ny miaina anaty faritra izay tantanan'ny firenentsika dia azo antoka kokoa sy ahitàna tombontsoa miohatra amin'ny hoe miankina amin'ny fitondràna foibe izay any amin'ny 15 000 kilometatra, tsy hahita fanakianana izy ireo momba ny resaka fiandrianam-pirenena ary dia hohitantsika indray ny manga sy fotsy amin'ny sainam-pirenentsika hikopaka eto amin'ity firenena ity izay tsy mbola afaka.

Raha amin'ireo famelabelarana, vahaolana, fomba fihevitra sy fahasamihafàna fomba fijery, iriana indrindra raha mba misy tolokevitra hafa afaka atao fototra iaraha-manana mba hahazoan'ireo antoko politika rehetra tafarotsaka amin'izy ity ho ao anaty fifanakalozan-dresaka miafara amin'ny vahaolana iray na raha tsy izany, araka ny fanambaràn'i  @DVDinsaurralde [ang.], mba ho tonga aminà fifanarahana amin'ny resa-panatanjahantena :‏

I believe the future of #Malvinas#Falkland should be decided in a football match

Inoako fa ny hoavin'ny  Malouines #Malvinas#Falkland dia tsy maintsy tapahana amin'ny alalan'ny lalao baolina kitra iray.

Eo am-piandrasana izany, dia mihazakazaka ny fanatonana ny andro 2 Aprily, daty iray izay ahafahana mahatsiaro ny lasa sy manainga antsika handalina ny zava-misy amin'izao fotoana any Malouines.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.