Meksika: Lahatsarin'ny Horohorontany 7,8 Tsapa Tany Meksika

Ny 20 Marsa 2012, tratran'ny horohorontany ny morontsirak'i Acapulco any Meksika, izay notaterina fa teo anelanelan'ny 7,6 sy  7,8 amin'ny maridrefin'i Richter. Hatramin'izao dia tsy mbola nahenoana fa nisy ny aina nafoy. Indreto manaraka ireto ny lahatsary samihafa ahitana izay tsapan'ny any faritra samihafa ao amin'ny firenena nandritra ny hovitrovitra. Amin'ny teny espaniola avokoa ny feo.

Tany Puebla:

El temblor del 20 de marzo del 2012. Intensidad de 7.9 grados en la escala de richter (en el epicentro). Epicentro:Ometepec,estado de Guerrero, Mexico. Hora 12:06 PM, lugar de grabacion: Ciudad de Puebla…

Ny hovitrovitry ny tany  20 Marsa 2012. Vaikany 7,9 amin'ny maridrefy Richter (tany amin'ny foibeny). Foibeny: Ometepec, fanjakan'i Guerrero, Meksika. Fotoana 12:06 PM, lahatsary noraiketina tany: tanànan'i Puebla…

Tany Mexico City:

El sismo duro alrededor de 2 minutos y medio. Ya todos en la calle aun nos seguíamos movie do de un lado a otro.

Naharitra roa minitra sy tapany ny fihovitrovitry ny tany. Na dia efa teny an'arabe avokoa aza izahay rehetra dia mbola nivembena ihany.

Teny ambony building tao Mexico City:

Teo anoloan'ny Kianja Tlatelolco tao afovoan-tanàna:

Ny lahatsary hafa momba ny fihovitrovitry ny tany moa dia ifampizarana amin'ny alalan'ny twitter.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.