Lahatsary: Mpilalao Surf, Mpanjono ary Taratra Mampididoza Taorian'ny Horohorontany Tao Japana

Nanatontosa lahatsary fanadihadiana momba ny fiainan'ny olona miady amin'ny taratra radioaktifa taorian'ny horohorontany tao Japana ilay mpanao gazety Lisa Katayama  sy ilay mpanatontosa sarimihetsika Jason Wishnow. Tao amin'ny lahatsary Radioaktifa (akora mampidi-doza) Isika Rehetra, ahitana sary 50% nokirakirain'izy ireo manokana tao amin'ny faritra manodidina ny Foibe Mpamokatra Herinaratra ao Fukushima izay niharan'ny krizy taorian'ny horohorontany sy tsunami tamin'ny volana Martsa 2011 izany, ary sary 50% kosa notontosain'ny mponina izay nahazo fakantsary nomerika mba ahafan'izy ireo mitantara ny zava-niainany manokana taorian'ny horohorontany sy ny fiatrehan'izy ireo ny taratra mampididoza amin'izao fotoana izao. Hitantsika ao amin'ny  The Laughing Squid ny tantara.

http://youtu.be/CMM0lOMOdks

Hitodika tamin'ny zava-nitranga tamin'ny 11 Martsa 2011, horohorontany 9,0 manerana ny morondranomasina any Pasifika no namely mafy an'i Japana. Ity no horohorontany goavana indrindra mbola tsy fahita tao Japana, namely indray avy eo ny tsunami lehibe maherin'ny 40,5 metatra izay nandrava  faritra maro tao amin'ny morondranomasina ao amin'ny firenena ka niteraka fipoahana nokleary tao amin'ny Toby Mpamokatra herinaratra ao Fukushima Daiichi, miteraka taratra mampididoza amin'ny faritra manodidina, anisan'izany ny rano ao an-dranomasina. Na dia efa  nasiam-panamboarana aza ny faritra sasany ary efa nafindra toerana ny olona, mbola miady mafy ho amin'ny fiverenan'ny fiainany talohan'ny horohorontany kosa ny hafa. Ho an'ireo izay mivelona amin'ny filalaovana rano, toy ny mpilalao surf, sy ireo izay mivelona amin'ny zavatra anaty rano, toy ny mpanjono, vahaolana amin'ny fanohizana ny filaminan-tsainan'izy ireo ny fahafantarany tsara ny mety ho fiovan'ny fianan'izy ireo noho ny taratra mampidi-doza.

Tamin'ny alalan'ny sehatra fanohanan'ny rehetra ara-bola IndieGoGo,  nanao fanangonam-bola ny “Radioaktifa isika rehetra” mba hamoahana tsikelikely ireo fizaran-tantara samihafa ao amin'ny andian-tranokalan'izy ireo: rehefa mahazo vola kely amin'ny fizaran-tantara iray izy ireo, dia mamoaka izany amin'ny alalan'ny tranokala mandram-pahafenon'izy ireo indray ny fizaran-tantara efatra ambiny. Hatramin'izay nanombohana ny fanentanana izay , efa afaka namoaka ny fizaran-tantara voalohany izy ireo, nanokatra ny tranokalany izy ireo tamin'ny fitsingeran'ny taona nisian'ny horohorontany tamin'ny 11 Martsa, hozarain'izy ireo ao amin'ny tranonkalany indray ny fizaran-tantara faharoa. Avy ao amin'ny tranokala fandraisam-bola:

“Radioaktifa Isika Rehetra” dia mifandray amin'ny teknolojia, fialamboly,  ary fanadihadiana mafy orina amin'ny asa fanaovan-gazety mba hanomezana valinteny amin'ireo fanontaniana lehibe mikasika ny taratra mampidi-doza sy valinteny momba ny fahasarotan'ny loza eo amin'ny sehatra politika sy sosilojia.

Mifandray amin'ny asa momba ny Maritrano ho an'olombelona, Greenpeace, Fikambanana Surfrider, sy Safecast ihany koa ny lahatsary–sy ireo fikambanana rehetra tsy mitady tombombarotra natokana hanampiana an'i Japana indrindra amin'ny fanorenana indray taorian'ny horohorontany, momba ny zon'olombelona sy ny tontolo iainana, ny fahadiovan'ny rano, ary ny fanaraha-maso ny taratra.

http://youtu.be/IkEONddlpmU

Ao amin'ny Toko voalohany amin'ny fizaran-tantara, ahitantsika mpilalao surf Amerikana amin'ny fararano, izay  nitsidika an'i Japana ary nanapa-kevitra hijanona ao Sendai. Taorian'ny horohorontany, niara-niasa tamin'ireo mpilalao surf sy mpanjono ao an-toerana izy mba handinihana akaiky ny amin'ny fomba hanorenana indray ny fiainana amin'ny alalan'ny asa atao ao amoron-dranomasina sy ny fiarahamonina.

http://youtu.be/11vi3ktTr7g

Tantara farany momba ny fomba famoahana ny ezaka natao amin'ny crowdfunding na fifarimbonan'ny rehetra hifanampy ara-bola ka azonao jerena ao amin'ny pejy Facebook ny tetikasa We Are All Radioactive [Radioaktifa Isika Rehetra] amin'ny endriny vaovao. Amin'ny teny Japoney sy Anglisy avokoa ireo lahatsary sy tranonkala, ary ahitana fanazavana momba ny tantaran'i Japana sy ny angovo nokleary ary ny rohy rehetra mba ahitana ireo sokajin'olona 4 amin'ny fizaran-tantara: Fararano ao amin'ny Toko 1, mpilalao surf Konno, mpiasa sosialy Kasahara izay miezaka ny hahafantatra ny fiantraikan'ny taratra radioaktifa eo amin'ny fiarahamonina, anisan'izany ny fiainan'ny zanany lahy tsy azo sy ny fitambarana mpanakanto miezaka ny manadihady ny fiantraikan'ny voina ahitana ny hoavy mampanahy tanteraka.

 

Boat Launching Ceremony in Japan from the facebook page of We Are All Radioactive

Sarina Sambo nandritra ny Fety avy amin'ny We Are All Radioactive Sneak Peek tao amin'ny pejy Facebook

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.