Torkia: Notafihan'ny Polisy Ny Kiorda Nandritra ny Fankalazany ny Newroz

Kiorda an'arivony no nidina an-dalambe mba hankalaza ny Newroz,  hetsika izay efa nomanina mialoha, kanefa naparitaky ny polisy tamin'ny alalan'ny basirano, sy baomba mandatsa-dranomaso indray androany ny manerana an'i Torkia. Na dia eo aza ny herisetra hatrehin'izy ireo ao Diyar Bakir, manohy ny diany mankany any amin'ny kianja tokony hanaovana ny fankalazana ny Nexroz ireo Kiorda, izay manamarika ny andro voalohany amin'ny lohataona. Tany aloha, tsy nahazo alalana hampiasa ny maha olom-pirenena Kiorda azy ireo imasom-bahoaka ny Kiorda, saingy nanomboka tamin'ny taona 1980, nanjary hetsika manantantara ny Newroz ho fanasongadinana ny kolontsaina, sy ny mampiavaka ny Kiorda.

Matetika dia eo amin'ny 18 Martsa sy 21 Martsa eo no hankalazàna ny Newroz, saingy ny daty ofisialy fankalazana ny Newroz dia ny faha 21 ny volana Martsa. Nandritra ny Newroz, miakanjo fitafy nentim-paharazana ny vahoaka Kiorda, ary mandihy hiranentin-drazana. Indrisy anefa fa androany, nihamafy ny herisetra noho ny fahatongavan'ireo polisy misahana ny rotaka, sy ny barazy napetrak'izy ireo teny amin'ny fidiran'ny kianja

Vehivavy Kiorda manao marika Newroz ao andrenivohitry Ankara. Sary avy amin'i Jiyan Azadi posted on Twitter

Yekbun Alp avy any Amed (Diyarbakir) ni-tweet hoe:

@YekbunAlp: Nohidin'ny polisy Tiorka ny lalana mankao Amed ary tsy havelany hivoaka ny tanàna ny olona mba hankalaza ny Newroz.

Tamin'ny fikasan-dratsy hanaparitaka ireo Kiorda nandeha namonjy ny kianja mba hankalaza ny Newroz, nampiasa hery tsy amin'ny antony ny polisy misahana ny rotaka. Alp nanazava:

@YekbunAlp: Notifirin'ireo polisy Tiorka tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso ireo olona mankalaza ny Newroz!!!

Mitohy hatrany ny herisetra, ka tonga hatrany amin'ny famonoana ilay filoha mpitantana ny Antokon'ny Filaminana sy ny Demokrasia (AFD) ao Istanbul. Nanamafy izany fahafatesan'i Haci Zengin izany tamin'ny kaontiny Twitter ilay filoha mpiara-mitantana ao amin'ny AFD .

Gazety Reuters nitatitra momba izany loza niseho izany:

Nampiasa baomba rano, sy baomba mandatsa-dranomaso ary kibay ny polisy Tiorka hanaparitahana ny hetsiky ny Kiorda manerana ny firenena tamin'ny Alahady teo, vokatr'izany, mpanao politika avy any amin'ny faritra namoy ny ainy nandritra ny hetsika, maneho ny fisian'ny fikorontanana mialoha ny Taombaovao Kiorda amin'ny herinandro ambony izao

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.