Taratasim-pitiavana Avy Amin'i Israely Ho An'i Iran

We love you Iran

Tahaka ny nofinofy izany hoe hafatra mifono fitiavana avy amin'ireo Israeliana ho an'ny Iraniana izany, tanatin'ireo taona maro nifandrahonan'ny governemanta Iraniana sy Israeliana taminà teny tsy takatry ny saina.

Kanefa dia mahita ohatra ny amin'izany isika any anaty fanentanana ao amin'ny Facebook natombok'i Pushpin Mehina (Ronny no tena anarany) ao amin'ny fandaharany  manao hoe : “Tsy handaroka baomba velively ny firenenareo izahay. Tianay ianareo.”

Israely dia mandray an'i Iran ho loza nokleary mitatao amin'ny fisiany. Mandritra izany ireo mpitondra Iraniana dia manambara fa ho amin'ny fandriampahalemana ny fandaharan'asa noklearin-dry zareo, nefa koa mangataka an'i Israely hofafàna tsy ho hita anaty sarintany.

Amin'izao fotoana izao, na ny Israeliana na ny Iraniana dia samy mampakatra sarin-dry zareo miaraka aminà fango miteny hoe “Ry Iraniana, Tianay ianareo” na “Ry Israeliana, tianay ianareo” ary dia nahasarika ny sain'ireo media Israeliana izany.

Ho an'ny olona maro dia sambany izao ry zareo no mba nifandray mivantana, na izany miaraka amin'ny Israeliana, na amin'ny Iraniana, ary ny sasany amin'ireo Iraniana dia milaza tahotra sy teritery avy amin'ny governematan-dry zareo.

“Tsy mbola nihaona taminà Iraniana velively aho”

Ronny avy ao Tel Aviv any Israely dia manoratra hoe :

Ho an'ny vahoaka Iraniana
Ho an'ireo ray, reny, rahalahy, rahavavy.  Mba hisian'ny ady eo amintsika, dia tsy maintsy misy aloha fifampatahorana sy fifankahalàna eo amin'ny tsirairay amintsika. Izaho tsy matahotra anareo, Tsy fantatro akory ianareo. Tsy mbola nisy Iraniana nanao ratsy ahy. Tsy mbola nihaona taminà Iraniana velively aho..Iray monja tany aminà tranom-bakoka tao Paris. Avy ao Nice… Matetika mahita Iraniana aho aty, anaty fahitalavitra. Miresaka momba ny ady. Azoko antoka fa tsy mahasolo tena ny vahoaka iray manontolo ilay zalahy… Raha mahita olona miresaka ao amin'ny- fahitalavitrareo miakasika fandarohana baomba ianareo… matokia fa tsy mahasolo tena anay rehetra izy. Ho an'ireo rehetra izay mahatsapa toy izany, zarazarao ity hafatra ity ary tohano mba ho tonga hipàka hatrany amin'ny vahoaka Iraniana.

Love from Iran to Israel by Navid MashayekhiKanto mihoatra ny  kolontsaina

Hafatra iray avy aminà ramatoa Iraniana iray no milaza hoe :

Miarahaba an'i Pushpin, Vehivavy Iraniana aho. Vao avy nahita indrindra ny hafatrao mafana sy mahafinaritra aho, ho an'ireo mpiray tanindrazana amiko. Latsaka ny ranomasoko teo ampamakiana ny hafatrao ary nafàna aok'izany ny tao am-poko tao. Te-hanome toky anao fotsiny aho, mahatsapa ny toy izany izahay Iraniana rehetra, ny hany irinay dia fandriampahalemana sy hatsarana eto amin'izao tontolo izao, ankahalainay ny ady sy ny fandripahana, isika rehetra dia singa aminà vatana iray ary maharary antsika rehefa mahita olombelona iray mangirifiry satria izy (na lahy na vavy) dia fanahy iray aminao. Nahaliana ahy foana hatrizay ny mikasika anareo ry akàma raha toa ianareo mankahala anay, satria azoko antoka fa tsy ny tena endrika sy toetry ny Iraniana marina tokoa no naroso anareo… Amin'izany rehetra izany, te-hisaotra anareo fotsiny aho tamin'ny hafatra mahafinaritra nalefanareo ary hiteny hoe tia anareo izahay rehetra satria rahalahy sy anabavinay ianareo. Ny zavatra tokana banjinina dia ny toe-po mahafinaritra anananareo, fa tsy ny kolontsainareo, na ny teny , na ny lokon-koditra, na ny fivavahana, na ny tanindrazanareo.

Tsikaritra fa ity fanentanana ity dia nanome fifandraisana mivantana marina ho an'ireo Iraniana sy Israeliana mba hifampizaràna hafatra izay hany mba azontsika nofinofisina  : fifankatiavana sy fandriampahalemana amin'ny anaran'ny maha-olona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.