Kiobà: Mamaly Ny Ataon'ny Arseveka ny Mpibilaogy

Tonga eo amin'ny dingana mangotraka momba ny  asam-pamoretana ara-pivavahana sy ara-politika mitranga ny mpibilaogy nefa tsy mbola tonga akory ny papa. Ny mampiady hevitra hevitra farany moa dia mampanahy tokoa ny mpibilaogy, tahaka ny fangatahana hanaisotra ny mpanao fihetsiketsehana amin'ny fiangonana avy amin'ny Kardinaly Jaime Ortega, Arsevekan'i Havana, izay “milazalaza ny fibodoana ho ‘tsy ara-dalàna'”.  Ny nangatahan'ny mpanao fihetsiketsehana moa, ankoatra ny zavatra hafa, dia ny fanafahana ny gadra politika sy ny fampitsaharana ny fanenjehana ny mpanohitra ny fitondrana.

Uncommon Sense nandrohy ny fitantarana avy any amin'ny gazety mahazatra, ka nanampy tsara ny heviny manokana:

At the request of Cardinal Jaime Ortega, Cuban police…evicted 13 dissidents who had occupied a Havana church demanding Pope Benedict XVI hear their grievances during his visit to the island last week.

That's right — instead of meeting with them and providing them with his stature and his voice, Cardinal Ortega dropped a dime and had the police remove the protesters.

Noho ny fangatahan'ny Kardinaly Jaime Ortega dia… nanaisotra mpisintaka 13, nibodo ny fiangonana iray tao Havana miangavy ny Papa Benoà hihaino ny fitarainany mandritra ny fitsidihany ny nosy tamin'ny herinandro, ny polisy kiobàna.

Marina izany — raha tokony nihaona tamin'izy ireo sy nanome azy ireo ny satany sy ny feony dia naleon'ny Kardinaly Ortega nandoa ny ampahafolonkarena ary dia nahazo ny polisy hanaisotra ny mpanao fihetsiketsehana.

Ny ahiahin'ny vondrom-piarahamonina an-tserasera voalohany dia voafehin'ity lahatsoratra avy amin'i Dariela Aquique ity, izay amahavahany ny hasarotan'ny fikarakarana tontosaina mandritra ny fitsidihan'ny Papa sy ny fiantraikan'izany eo amin'ny olom-pirenena:

The Pope’s visit has already meant sacrifices on our part. He, the shepherd of good faith, is coming to share his grace and to request spiritual peace for all Cubans. He is coming to bless the virgin but he doesn’t know what that this has to do with energy manipulations and those other ‘manipulations’ of power.

Ny fitsidihan'ny Papa dia efa midika sorona avy aty amintsika sahady. Izy, ilay mpiandry ny finoana tsara, no tonga hizara ny fahasoavany sy hangata-pilaminana ara-panahy ho an'ny Kiobàna rehetra. Tonga izy hitahy ny virijiny saingy tsy hainy kosa ny atao manoloana ny herin'ny fanodikodinana sy ireo ‘fanodikodinana’ hafa amin'ny fahefana

Ity fihetsiketsehana anaty fiangonana ity sy ny ezaka maro hafa ataon'ny Las Damas de Blanco [ES] (ireo vehivavy miakanjo fotsy) ary ny vondrona mpisintaka hafa hihaona amin'ny Papa dia ao anatin'ny tolona mba hanomezana an'i Vatikana sary mazavazava kokoa momba ny fiainana any Kiobà, ka miandoha amin'ny toetry ny zon'olombelona izany – izay mahatonga an'i babalu “hangidihidy loha” amin'ny zavamisy fa:

The Vatican continues its refusal to commit to a meeting with Cuban dissidents due to the Pope's incredibly busy schedule and time constraints. However, the very busy Vatican, which cannot seem to find the time to meet with the Ladies in White who are attacked and repressed every week when they try to attend mass, does have time to bid an official farewell to the pet crocodile given to the pope as a gift by the Castro dictatorship.

Tsy mety hihaona amin'ny mpisintaka kiobàna ny ao Vatikana noho ny tsy fananan'ny papa fotoana sy ny zavatra maro mbola sahaniny. Nefa ilay Vatikana tsy mety mahita fotoana hihaonana amin'ny Vehivavy Mpiakanjo Fotsy izay tafihana sy riatana isa-kerinandro isak'izay te-hanatrika lamesa izy ireo, dia tsy maintsy manana fotoana hanaovam-beloma amin'ny fomba ofisialy ilay voay nomena ny papa ho tahaka ny fanomezana avy amin'ny fitondrana jadon'i Castro.

   

Ao amin'ny lahatsoratra hafa, no ametrahany ny fifandraisana eo amin'ny fiangonana sy ny fanjakana, izay naharihary tamin'ity pikantsary izay navoaka indray sady misy dikanteny:

The partnership between the Castro dictatorship and the hierarchy of the Cuban Catholic Church became painfully obvious yesterday for thirteen dissidents occupying a church in Havana. Cardinal Jaime Ortega enlisted the help of the Cuban regime and used its security forces to evict the occupiers.

Nivandravandra maharary omaly ny fahitana ny fiaraha-miasa eo amin'ny fitondrana jadon'i Castro sy ny ambaratongam-pahefana ao amin'ny fiangonana katolika kiobàna ho an'ny mpisintaka 13 nitoetra tao amin'ny fiangonana tao Havana. Nangataka fanampiana sy nampiasa ny mpitandro ny filaminan'ny fitondrana kiobàna ny Kardinaly jaime Ortega hanesorana ny mpibodo.

Babalu mbola nandikateny ny fanambarana an-gazety navoakan'ny Arsidiosezy momba ity raharaha ity ihany koa, ary nanampy hoe:

The one thing that jumps out at you is the choice of language. The occupiers at the church were not ‘asked’ to leave, they were not ‘ordered’ to leave, and neither did they ‘plead’ with them to leave. In a classic example of Orwellian newspeak, the protesting occupiers were “invited” to leave the sanctuary.

Ny zavatra iray mitsambikimbikina ao aminareo dia ny fifantenana ny teny. Ireo mpibodo aloha dia tsy ‘niangaviana’ sady tsy ‘nobaikoana’ ary tsy nisy ny ‘fiantsoana’ miaraka amin'izy ireo handao ny toerana. Ao anatin'ny fomba fiteny mahazatra an'i Orwellian, dia “nasaina” ireo mpibodo mpanao fihetsiketsehana mba handao ny toerana masina.

Nahitsy tamin'ny fahitany ny fanao politika nitsonika any amin'ny kianjan'ny fivavahana ry zareo ao amin'ny Capitol Hill Cubans:

In response to the dissidents that have occupied a Havana church asking for Pope Benedict XVI to intercede on behalf of the human rights for the Cuban people, the Archdiocese of Havana said in a statement:

‘Nobody has the right to turn temples into political trenches.’

Yet, just last week, Cuban Cardinal Jaime Ortega held a Mass in support of Venezuela's President Hugo Chavez.

So perhaps the Archdiocese should consider clarifying its statement:

‘Only the Cardinal has a right to use the temple for his politics.’

Ho valin'ny fangatahana nataon'ny mpisintaka nibodo fiangonana iray miangavy ny papa Benoà XVI hitondra fanelanelanana momba ny zon'olombelona ho an'ny vahoaka Kiobàna, dia namoaka fanambarana ny Arsidiosezin'i Havana:

‘Tsy misy mananjò hamadika ny tempoly ho lasa sehatra politika’

Nefa, vao tamin'ny herinandro lasa teo, nanao lamesa ho fanohanana ny filohan'i Venezoelà Hugo Chavez ny Kardinaly Kiobàna Jaime Ortega.

Ka angamba tokony hihevitra hanazava kokoa ny fanambarany toy izao ny Arsidiosezy:

‘Ny Kardinaly irery ihany no mananjò hampiasa ny tempoly ho amin'ny politikany.

Nandray toerana tao amin'ny Twitter ihany koa ny resaka an-tserasera; Translating Cuba naka asa handika ny siokantseran'ny iray amin'ny mpibilaogy malaza indrindra ao amin'ny firenena, Yoani Sanchez, izay nanao fanangona-tsonia ho an'ny papa ary namehy ny fihetseha-pony momba ny toe-draharaha tao amin'ity siokantsera ity:

#cuba Aunque tengo muchas criticas sobre acto de ocupar Iglesia, tengo peor opinion de la nota del Arzobispado publicada en Granma #PapaCuba

#cuba Na dia maro aza ny tsikerako amin'ny fibodoana fiangonana iray, mbola ratsy kokoa ny hevitro momba ny naoty navoakan'ny Arsevese tao amin'ny gazety Granma #PopeCuba

The Cuban Triangle, kosa etsy ankilany, niteny:

I have no idea if this Cuban ‘occupy’ movement and its day of protests was hatched in Miami or by activists in Cuba. But my bet is that opponents of the Cuban government will continue to distance themselves from it. The protesters have every right to request of the Vatican whatever they wish. But the Pope, Cuba’s church, and Cuba’s Catholic laity are also entitled to celebrate a pastoral visit as they wish. The protests accentuate the image of a movement focused more on actors outside Cuba than within, and they do the cause of opposition to the Cuban government no favors.

Tsy fantatro aloha raha nivelatra tany Miami na nataon'ny mpikatroka avy eo Kiobà ny hetsika ‘bodoy’ Kiobàna sy ny androm-pihetsiketsehany. Fa ny tsatoko dia hihatakataka kokoa hatrany amin'ny fitondrana Kiobàna ny mpanohitra azy. Manana ny zo feno hangataka any amin'ny Vatikana izay tiany ry zareo. Saingy manana ny zo feno hankalaza ny fitsidihana mpitondra fivavahana araka ny faniriany ny papa, ny Fiangonana ao Kiobà ary ny lahika ao amin'ny fiangonana katolika ao Kiobà. Ny mpanao fihetsiketsehana toa mametraka sary miròna kokoa ho avy any ivelan'i Kiobà fa tsy avy ao anatiny, ary tsy manatsara ny hevitra ijoroan'ny fanoherana ny fitondrana kiobàna ry zareo.

   

The blogger indray tahaka ny nahazo toky avy amin'ny “Fanambarana nataon'ny Arsidiosezy manazava ny fiafaran'ny raharaha” sy ny zavamisy fa “efa nanome antoka ny fitondrana fa tsy misy ny fanenjehana atao amin'ny mpanao fihetsiketsehana.” Raha Jerena ny fanehoan-kevitra momba ny lohahevitra an-tserasera dia mety ho iray amin'ny tena vitsy izy.

Ny hajian-tsary nampiasaina tamin'ity lahatsoratra ity dia ny La Virgen de la Caridad del Cobre, olo-masina mpiahy an'i Kiobà. Saripika cheeses, used under an Attribution-NonCommercial-ShareAlike 2.0 Generic (CC BY-NC-SA 2.0) Creative Commons license. Tsidiho crakitsarin'i cheeses ao amin'ny flickr.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.