Shina: Fanamelohana Ho Faty Mba Hanafenana Ny Kolikoly Ataon'ny Governemanta?

Wu Ying, voahosotra ho ny Vehivavy Shinoa faha-enina manan-karena indrindra tamin’ny 2006, dia resy tamin’ny fampakarana ny didy manameloka azy ho faty tao amin’ny Fitsarana Avom-Bahoaka ao Zhejiang tamin’ny 18 Janoary 2012. Marobe ireo olom-pirenena nangataka ny hamelàna an’i Wu ho velona noho ny finoan’izy ireo fa ny famonoana azy dia fomba iray entina hampanginana azy tsy hamoaka ny kolikoly nataon’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta namatsy vola azy tamin’ny fanodinkodinana volam-bahoaka.

Vao miha-nhamafy ny ahiahy rehefa injay ny governemantan’ny tanànan’i Dong Yang nametraka taratasy teny amin’ny fitsarana mangataka ny hamonoana an-dramatoa io.

Ity ramatoa vao 30 taona ity dia nosamborina voalohany tamin’ny Martsa 2007, nampangaina ho “nanodikondim-bola” 770 tapitrisa RMB (eo ho eo amin’ny 122 tapitrisa dolara Amerikana). Tamin’ny 18 Desambra 2009, novàna ny fiamoangàna mba ho “fanaovana hosoka ara-bola”, ary dia nohelohin’ny Fitsaram-Bahoaka ao Jinhua ho faty izy. Tamin’ny fiakarana voalohan’i Wu teny amin’ny fitsarana, tsy nisy mpisolovava niaro azy, ary ny fitsarana rehetra, anisan’izany ny fampakàrana ny didy, dia natao tanaty efitrano mihidy avokoa.

Ilay mpisolovava mpiaro zon’olombelona, Teng Biao, dia nanoratra lahatsoratra iray lavabe [zh] manazava ny sasany amin’ireo antsipirihany fantatra mikasika ny trangam-pitsarana mahazo an’i Wu Ying.

Wu Ying nijoro niatrika ny fitsarana azy noho ny resaka fanaovana hosoka ara-bola ary nohelohina ho faty. Dikasarin’ny fàfana tamin’ny NTDTV

Lisitra iray misy ireo mpampanjana-bola

Nanomboka nitrandraka toerana fikolokoloana hatsaran-tarehy i Wu tao an-tanànan’i Dong Yang fony mbola 22 taona tamin’ny 2003. Nitatra ny fandraharahany avy eo ka tonga tamin’ny fanaovana dokambarotra sy ny fampiasam-bola amin’ny fampitaovana an-tokantrano. Araka ny efa mahazatra ho an’ireo mpandraharaha tsy miankina ao Shina, dia nisedra olana koa izy tamin’ny fahazoana fampindramam-bola avy amin’ny banky ary dia nikaroka izay hahitàna famatsiam-bola tamin’ny fomba hafa. Ny Desambra 2006, nanana olana ara-bola ny fandraharahàny ary dia tsy nahavita nandoa ny vola nindraminy tamin’ireo mpampanjana-bola izy her business had cash flow problems and she failed to pay back a debt to loan sharks. Nalaina an-keriny izy, norobaina ary nanharay fandrahonana ho faty taorian kelin’ny namotsorana azy. Tsy nanao fanadihadiana momba ny tranga nahazo azy ny manamboninahitry ny polisy ao an-toerana. Ny nitranga aza dia izy no nosamborina volana maro taty aoriana.

Nandritra ny fihazonana an’i Wu, dia namboraka ny lisitr’ireo manampahefana ao amin’ny governemanta izay nampinbdrana azy vola tamin’ny tsy ara-dalàna izy. Ny telo amin’izy ireny dia nahazo sazy famonjàna maharitra. Taty aoriana, namoaka ireo gazety ao an-toerana [zh] fa i Wu dia namoaka lisitra misy anarana 137 ka ny 103 tamin’ireo dia nampindrana azy maherin’ny 500.000 RMB. Ny feo mandeha dia hoe maro amin’ireo manampahefana ao amin’ny governemanta no mety ho voarohirohy. Ireo manampahefana izay nandray tsolotra, na nahazo vola tamin’ny fomba tsy ara-dalàna, dia ahiana ho mampindrana vola ireo fandraharahana tsy miankina aminà zanabola avo dia avo.

Tsy azo ihodivirana ny famatsiam-bola tsy ara-dalàna

Teng Biao dia nanipika [zh] fa eo ambanin’izao rafitra ara-bola misy ankehitriny izao dia tsy azo ihodivirana, ho an’ny sehatra fandraharahàna tsy miankina, ny tsy hiditra amin’ny “famatsiam-bola tsy ara-dalàna”; amin’ny teny hafa, ny ankamaroan’ireo fandraharahàna tsy miankina miroborobo ao Shina dia azo eritreretina fa niditra daholo tamin’ny “heloka” nataon’i Wu Ying koa:

民营企业却难以得到银行的支持,只能靠处于灰色地带的民间借贷。数据表明,银行的短期贷款中,民营企业只占不到20%。据全国工商联一项调查,有90%以上的民营中小企业表示,无法从银行获得贷款。全国民营企业和家族企业在过去三年中有近62.3%通过民间借贷的形式进行融资。

Satria tsy misy tohana avy amin’ireo banky, dia tsy maintsy mindram-bola eny anivon’ny tsena ireo fandraharahàna tsy mainkina. Araka ny antontan’isa, 20% monja amin’ny fampindramam-bola anaty fotona fohy ataon’ny banky no mandeha any amin’ireo fandraharahàna tsy miankina. Fanadihadiana iray natao momba ny banky no mampiseho fa maherin’ny 90% amin’ireo orinasa madinika sy salantsalany, na SME [Small and Medium-sized Enterprises] no niteny fa tsy afaka nahazo famatsiam-bola avy amin’ireo banky ry zareo. Maherin’ny 62.3% amin’ireo orinasam-pianakaviana no teny anivon’ny tsena no nahita ny renivolany.

Rafitra iray tsy ara-drariny

Ilay bilaogera Li Ming dia manipika [zh], far aha toa tay maintsy ho faty i Wu, dia betsaka no tokony hanaraka ny diany:

吴英该杀,那么温州诸多“跑路老板”也该杀,借高利贷一掷千万金的“太太豪赌团”,以及所有把集资用于铺张挥霍的老板,都该抓来杀掉。有的富豪集资营运失败,享受救助待遇,而同属一类的吴英或遭遇杀头待遇,此大不公,此即法之大恶大暴。

Raha tsy maintsy hovonoina i Wu, tsy maintsy vonoina koa ireo tremalahy tsy vanon-toetra ao Wenzhou. Ireny mpiloka izay misambo-bola amin’ireo antsantsa mpampisambo-bola ireny, ireny tremalahy izay mampideradera ny hareny azo avy amin’ny volan’ny orinasa ireny koa tsy maintsy vonoina. Vondronà mpanao fandraharahàna tsy avotra no ananantsika ankehitriny, izay mialokaloka fotsiny amin’ny fiarovan’ny governemanta, raha i Wu Ying kosa, ao anaty toe-javatra tsy misy hafa amin’izay, mahazo fanamelohana ho faty. Tena tsy rariny izany. Tsy vanona ny lalàna

Yao Shujie, mpianatra avy any ivelany, dia nahatsikaritra tsy rariny ao anatin’ny fiarahamonina Shinoa ao an-tanibe [zh] :

吴英只是对11人造成损失,而上市公司的老总们,却是给上亿无辜的股民造成巨大的损失。本质上,吴英和这些上市公司的老总,对人们造成的伤害,并没有任何差别。所不同的,吴英被判死刑,上市公司老总们,却照样拿数千万的年薪,照样升官。

还有,像许宗衡和刘志军这样的贪官,涉案金额高达百亿人民币,给国家和人民带来的灾难和对社会所产生的不良影响,比吴英的破坏力高出千百倍,却没有被判死。

12年前,赖昌星高达700亿元的惊天大案,因为逃到加拿大躲了11年,去年引渡回国时,却拿到了一块外国人给的免死金牌。

同样是一个国家,有道是,判死吴英,笑死无数贪官和赖昌星。

Olona 11 monja no tohina tamin’ny nataon’i Wu Ying. Rah any tranga misy an’ireo tao anaty lisitra kosa, niantraika tamin’olona an-tapitrisany ny tsy fahombiazan-dry zareo. Tsy misy fahasamihafàny i Wu Ying sy ireo PDG any amin’ireo orinasa voalaza ao anaty lisitra saingy i Wu no voaheloka ho faty, raha toa kosa ireny PDG ireny mbola mampiditra vola sy tombontsoa an-tapitrisa ho any am-paosiny, ary mbola manana hoavy mamiratra miandry azy ireo.

Ireo manampahefana mpanao kolikoly tao an’i Xu Zhonghang sy Liu Zhijun, ny raharahan’izy ireny dia mahatratra RMB an-polony lavitrisa maro ary ny dona naterany dia niantraika arivo avo heny ratsy lavitra noho ny an’i Wu. Fa tsy voaheloka ho faty izy ireny.

Roa ambinifolo taoana lasa izay, Lai Changxing dia nanao tantara ratsy taminà kolikoly nahatratra 70 tapitrisa RMB. Hatramin’ny niezahany nandositra tany K§anada nandritra ny 11 taona, nahazo famotsoran-keloka tamin’ny fanamelohana azy ho faty izy tamin’ny fiverenany.

Anatinà firenena iray ihany sy mitovy, dia miaina lahatra samihafa toy izany ny olona. Tsy mahagaga raha misy n y mieritreritre fa ny fanamelohana ho faty an’i Wu dia [loharanonà] fialamboly lehibe ho an’ireo mpiasam-bahoaka mpanao kolikoly sy Lai Changxing.

Tena mikasika fotsiny tokoa ny asa aman-draharahany ara-toekarena ve ny fanamelohana an’I Wu ho faty ? Ilay mpanoratra miasa tena, Ye Kuangzheng, avy ao Beijing dia tsy mihevitra ny toy izany [zh] :

地方官员联名要判吴英死刑,不仅为了灭囗,也是杀鸡儆猴,看谁进去了,还敢乱咬官员!吴英案仍有数亿资金未追回,匆忙杀了吴英,钱如何追回?难说背后没有潜藏的利益链。与吴英案有关的官员,为何至今未判?即便吴英罪大恶极,也应等资金和案情水落石出了,再做定夺不迟。

Ny taratasy niraisana nalefan’ireo manampahefana ao amin’ny governemanta hangatahany ny fanamelohana an’I Wu Ying ho faty dia tsy hoe fotsiny ho fampanginana azy fa koa ho fampitahorana ny hafa. Iza koa no hafa mbola ho sahy hitoroka ny kolikoly ataon’ireo manampahefana ao amin’ny governemanta mandritra ny fihazonàna azy ireo? Misy vola an-tapitrisa dolara nanjavona tao amin’ny kaontin’I Wu tany amin’ny banky – iza no naka ny vola? Vao maty i Wu, olona iza indray no afaka hanome hirika antsika? Misy fifandroritana tombontsoa ve ao ambadik’izy ity? Ahoana no mahatonga ireo mpikambana sasany ao amin’ny governemanta voarohirohy amin’ilay raharaha no mbola tsy voakitikitika voahenjika foana? Na dia atao hoe mendrika izany fanamelohana izany aza i Wu, tokony hiandry ny hivoahan’ny marina rehetra aloha isika alohan’ny hiatrehana ny fahafatesany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.