Maraoka: Namono Tena Ilay Zaza Tsy Ampy Taona Noterena Hanambady Ny Lehilahy Nanolana Azy

Amina, vehivavy 16 taona avy any Larache any Avaratr'i Maraoka, noterena hanambady ilay nanolana azy, dia nisafidy ny hamono tena tamin'ny fisotroana poizim-boalavo tamin'ny Sabotsy lasa teo. Araka ny voalazan'ny al-Masa'a [Ar], Amina dia naolan'ny lehilahy zokony 10 taona, raha vao 15 taona monja izy. Ary mba hitandrovana ilay antsoina hoe “voninahitry ny fianakaviana”, nokarakaraina ny fanambadian'i Amina sy ilay lehilahy. Neken'ny mpitsara ilay mariazy.

Araka io gazety io ihany, tany amin'ny tranom-badiny (izay mpanolana azy) i Amina no nandray ilay poizim-boalavo. Raha vao tsikaritry ralehilahy fa niharatsy ny fahasalamam-badiny dia nateriny tany an-tranon-dray amandreniny izy. Tsy nitsahatra ny nidaroka azy izy, hoy Amina tamin'ny fianakaviany, ora vitsy talohan'ny nahafatesany.

Nanohina fo maro ny tantaran'i Amina, ary nahatezitra ny Maraokana mpampiasa aterineto, izay nampiasa ny tenifototra Twitter #RIPAmina mba hisaonana an'ilay tovovavy. Indreto misy fanehoan-kevitra vitsivitsy:

@marihaep: @Un_Marocain Ne prenons pas nos rêves pour D réalités, personne ne sera jugé, personne ne payera pour son viol, encore – pr sa vie #RIPAmina

@marihaep: @Un_Marocain: Aleo tsy atao tahaka ny tanteraka ny nofintsika, tsy hisy hotsaraina, tsy hisy handoa ny vidin'ny fanolanana azy, na ny aina nafoiny #RIPAmina

@Un_Marocain: En tant que marocain, je me sens plus coupable que triste pour ce qui est arrivé à cette petite fille. #RIPAmina #Maroc

@Un_Marocain Amin'ny maha-lehilahy Maraokana ahy, mahatsapa tena meloka kokoa aho ny amin'ny nanjo an'ity ankizy ity

@nadalouis: Tsy te-hiaina amin'ny tany iray izay tsy maintsy nisafidianan'ny zazavavy iray hoe hanambady ny nanolana azy na hamono tena ny tenako #RIPAmina

@mahamiou: Amina firy no any ? Voatery hanambady ny nanolana azy ? #Morocco #RIPAmina

@mahi_elbarrad: عندما ينظر العالم العربى للمراة على انها مخلوق مثل الرجل له كافة الحقوق وكامل الاحترام هنا فقط تنجح ثورته ‎‬#RIPAMINA‪

@mahi_elbarrad: Rehefa hanomboka hijery ny vehivavy ho mitovy amin'ny lehilahy, izay manana ny zo rehetra, ary mendri-panajàna avo ny tontolo Arabo dia izay vao hahomby ny revolisiona.

@citizenkayen: La famille, la société et la justice ont donné au violeur un véritable RIP: Rape In Peace 🙁 #RIPAmina

@citizenkayen: Ny fianakaviana, ny fiaraha-monina, ary ny fitsaràna dia samy nanome ilay mpanolana ny RIP tena izy : Rape In Peace 🙁 [Manolàna am-piadanana] #RIPAmina

@Tindars: Et puis comme d'habitude nos Tweets ne changeront absolument rien dans cette histoire. #RipAmina

@Tindars: Ary tahaka ny mahazatra dia tsy hanova na inona na inona amin'ity tantara ity ireo bitsika alefantsika

Amina no Bouazizi-ko:

Mba ho fanomezam-boninahitra farany an'i Amina, nanoratra lahatsoratra ilay maraokana mpitoraka blaogy, Mehdi B. Idrissi, mitondra ny lohateny hoe Amina no Bouazizi-ko. I Mohammed Bouazizi no tiany resahana eo, ilay mpivarotra amoron-dalana avy any Sidi Bouzid, Tonizia, izay nandoro tena ho fanoherana ny fanararaotam-pahefàna ataon'ny mpitandro filaminana, ka nitarika fanoherana goavana nitondra ny revolisiona toniziana sy ny fionganan'ny fitondràn'i Ben Ali.

Nitondra fiovàna tany Tonizia ny fahaverezan-kevitr'i Bouazizi nahatonga azy nandoro tena, nefa hitondra fiovàna amin'ny kolotsaina manindrahindra lehilahy any Maraoka sy any amin'ny faritra Arabo ve ny famonoan-tena nataon'i Amina?

Mehdi dia manoratra:

Mety nitarika revolisiona politika i Bouazizi; fa i Amina kosa nanaitra ilay mpiaro ny maha-olona natory tato anatiko nandritra ny fotoana lava. An'arivony ireo zazavavy tahaka azy miparitaka amin'ny tanintsika, ny ankabeazan'izy ireo dia tapenam-bava amin'ny herisetra sy fandrahonana. Raha mbola sahirana mitady an'i Joseph Kony any amin'ny ala mikitrok'i Oganda ianareo ry akama, ny zanakareo kosa angalarina tsy ho anareo eo an-taninareo. Afaka mipetraka eto aho mandritra ny tontolo andro mitatatata ny fahadisoam-panantenako, mitomany ny fahafatesan'ilay nety ho zanako na namako indray andro any, tsy hanova zavatra be izany. Raha tsy miara-mientana isika, raha tsy mitolona mafy isika hanovàna ity foto-pisainana maraokana ity dia ho voafandrika ka tsy ho lasa lavitra.

Raha mitady hevitra bebe kokoa amin'ny teny Anglisy, Frantsay na Arabo ianao dia jereo ity Storify  nataon'ny mpanoratry ny Global Voices, Hisham Almiraat ity.

Ny voalohany amin'ny antony mahatonga famonoan-tena dia ny rarin-tsaina tsy voatsabo. Azo tsaboina tsara ny rarin-tsaina ary azo sorohana ny famonoan-tena. Azontsika atao ny mahazo fanampiana avy aminà fifampizaràna tsiambaratelo amin'ny laharana natokana ho an'ny olana mety hitarika amin'ny famonoan-tena sy ireo tratry ny olona ara-pihetsehampo. Tsidiho ny  Befrienders.org mba hahaitana ireo fanampiana hisorohana ny famonoan-tena ao Maraoka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.