Tonizia: Miditra Dingana Vaovao Ny Fampitam-Baovao an-Tserasera

Nihaniroborobo fampiasam-bahoaka ny fampitam-baovao an-tserasera nandritra ny revolisiona toniziana tamin'ny fiandohan'ny Janoary 2011. Maro ny Toniziana no niditra Facebook hahara-baovao ary nazoto tao anatin'ny tambajotra an-tserasera ho fanoherana ny fangejan'ny fitondrana jadona. Ankehitriny, herintaona mahery taorian'ny fionganan'ny fitondrana dia an'arivony ny takelaka Facebook velomin'ny Toniziana; Niditra tanaty tambajotra an-tsersera ihany koa ny mpanao politika mba hifampidinidinika amin'ny Toniziana an-tapitrisany amin'ny fomba haingana sy mahomby indrindra.

Nitombo teo amin'ny Toniziana ihany koa ny fampiasana Facebook. Ampiasainy ho sehatra ho an'ny fikambanana, ONG, ary fandraisana an-tanana ataon'ny tanora ihany koa io raha tsy hanonona afa-tsy ireo.

Ny takelaka Facebook toniziana, Ateliers ouvert de blogging, ohatra, dia mampiroborobo ny kolontsaim-pamahanana bolongana eo amin'ny mpiserasera aterineto Toniziana. Natsangana taorian'ny revolisiona izy io ary mirehareha amin'ny fananana mpikambana 371 amin'izao fotoana izao. Mampiasa ny takelaka ny Bilaogera avy amin'ny faritra maro hikarakarana hetsika (lanonana), ifampiresahana ary ampidirana bilaogera vaovao hihaona amin'ireo efa manana haizatra ka hifampizara ny traikefany eo amin'ny fibilaogevana (famahanana bolongana).

Culture for Citizenship indray dia takelaka hafa handrisihana ny tanora handray anjara amin'ny tetezamita demokratika sy hampiroborobo ny fanabeazana maha-olompirenena aoamin'ny tanora Toniziana.

Milazalaza ny vondrona ho tahaka izao ny takelaka:

The goal of this non-profit organization is to promote human rights and active citizenship through cultural activities and events.

Ny tanjon'ity fikambanana tsy mitady tombontsoa ity dia ny hampiroborobo ny zon'olombelona sy ny maha-olompirenena amin'ny alalan'ny hetsika sy katroka ara-kolontsaina.

Mirona kokoa amin'ny zavatra tahaka ny fampiroboroboana lanonana ara-kolontsaina ny takelaka. Tetikasa vao haingana nataon'ny fikambanana ny filalaovana amin'ny teny anglisy ny tantara tsangana nosoratan'ilay mpanoratra Toniziana efa maty Mustapha Fersi.

Ahitana ny ONG Toniziana matotra ihany koa ao amin'ny Facebook. Eo amin'ny Facebook sy eo amin'ny vohikalany ihany ny Tunisie Tolérence no manao filazalazana. Mahazo ‘likes’ mihoatra ny 8000 ny ONG. Eo amin'ny takelakany ny mpandrindra ny Tunisie Tolerence no mamoaka ny fanambarana an-gazety sy ny fanomanana hetsika aman-dalonana.

Fandraisana an-tanana eo amin'ny tanora nijoro hatramin'ny nisian'ny revolisiona hafa ihany koa ny Association Jeunes Liberté. Ny fandraisana an-tanana nataon'ny fikambanan'ny tanora voalohany dia ny fanadiovana ny tanànan'i Tunis renivohitra, izay nahazoana mpirotsaka an-tsitrapo anjatony nandritra ity hetsika ity. Manana mpikambana virtoaly 3500 mandray anjara amin'ny fanentanana sy ny hetsika isan-karazany manerana ny firenena ny firenena. Ny fandraisana an-tanana farany amin'izao fotoana izao moa dia ny fanangonam-bola sy fanampiana ho an'ny faritra mahantra any Tonizia.

Hoy i Wajdi Ben Saad, tanora mpikatroka sy mpitarika ny fikambanana:

Facebook and social media gave us an unlimited access to people and to unlimited resources and ideas and suggestions.

Ahafahana mifanerasera amin'ny olona tsy voafetra sy loharanon-kevitra fitaovana tsy voafetra ny Facebook sy ny tambajotra an-tserasera.

Hita ho manampy ny ONG madinidinika sy ny fandraisana an-tanana ataon'ny tanora hahazoana olona maromaro kokoa sy fahafaha-manao bebe kokoa ny media sosialy [tambajotra an-tserasera]. Manana ny fitaovana tena ilaina tahaka ny fifampizarana marolafy (multimedia) izy ahafahan'ny tanora Toniziana mifampizara ny haizatrany sy ahafahany mampiditra olona bebe kokoa hifampizara ny vina ananany.

Azon'ny mpikatroka Toniziana ankehitriny fa fomba haingana hifandraisana amin'ny hafa, hifampizarana hevitra ary manetsika ny olona amin'ny lanonana sy ny hetsika samihafa ny Facebook.

Ankoatra ny Facebook, ahitana tambajotra an-tserasera toniziana maro hafa ihany koa ny aterineto. Cahierdeliberte.org dia sehatra ho an'ny bilaogera toniziana hametrahana ny lahatsorany sy ny eritreriny eto amin'ny aterineto.

Fhimt.com indray dia tetikasan-tambajotra an-tserasera mamoaka ny lahatsoratry ny Toniziana. Ny anarany moa dia notsoahina avy amin'ny anaran'ny filoha toniziana teo aloha, Ben Ali, izay ny teniny farany moa dia hoe fhimtcom (azoko ny [tianao ampitaina] ry vahoakan'i Tonizia). Hita ao amin'ny vohikala ny lahatsoratra vaovao sy ny lahatsoratra efa voadika avy amin'ny gazety hampahafantatra ny Toniziana ny vaovao farany mitranga manerana ny gilaoby. Lohahevitra miverimberina matetika ny resaka fahafahana sy ny fitantanam-panjakana misokatra.

Efa mihoatra noho ny seha-pifanakalozam-baovao ny aterineto ankehitriny ao Tonizia. Entin'ny Toniziana hanehoana ny heviny malalaka ny Facebook, bilaogy ary ny vohikala ankehitriny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.