Syria: Fanentanana Ho Fampitsaharana Ny Herintaonan'ny Rà Mandriaka


Unite for Syria

Zeinab from Egypt joins the campaign

Ho fanamarihana ny faha-herintaonan'ny herisetra nandritra ny revolisiona Syriana, izay nanomboka tamin'ny faha-15 ny volana Martsa, nisy ny fanentanana natao ho an'ny daholobe ho fankalazana izany, ka nitarika ireo mpisera Twitter sy fikambanana ONG (CIHRS, FIDH, etc.) manerana izao tontolo izao hanao antso avo amin'ny mpitondra manerantany mba hitambatra sy hanafoana ny fandatsahan-drà.

Namporisihana ny olona haka sary afisy ahitana sora-baventy hoe “MIRAY HINA HO AN I SYRIA” na “AJANONY NY FANDATSAHA-DRA NANDRITRA NY IRAY TAONA” amin'ny fitenin'izy ireo manokana ary mametraka izany ao amin'ny pejy Facebook misy ny fanentanana. Natomboka tao Brezila mankany Indonezia hatrany amin'ny tontolo Arabika ny fanentanana ary mikendry hampisy fanehoan-kevitra maro araka izay tratra.

Amin'ny 15 Martsa hoavy izao, lahatsary fahatsiarovana avy amin'ny manerantany ho havoaka, ao amin'ny Twitter amin'ny alalan'ny tenifototra #UniteForSyria.

Ho fanohanana ny antso manerantany, mpitondra firenena 50 manerana izao tontolo izao no namoaka taratasy misokatra tao amin'ny gazety Financial Times manao antso avo

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.