Ny Fihiràna Ny Hiram-pirenena Amin'ny Fiteniny Manokana

Tamin'ny lahatsoratra iray teo aloha izahay nanasongadinanay lahatsary ohatra avy amin'ny olom-pirenena mampiseho hiram-pirenena hiraina amin'ny tenim-pirenena zara raha fantatra na tsy be mpampiasa.

Matetika ny hiram-pirenena dia soratana amin'ny tenim-pirenena ofisialy na amin'ny tenim-pirenena ampiasaina be indrindra any amin'ny firenena. Ny hiram-pirenenan'i India, Jana Gana Mana, izay efa 100 taona, dia voasoratra amin'ny endrika Sanskrit amin'ny teny Bengali. Samy anisan'ireo tenim-pirenena ofisialy 22 ampiasaina any India ireo roa ireo. Indro ny amin'ny endrika Sanskrit (miaraka amin'ny dikanteny Anglisy) ary ato ny amin'ny teny Bengali. Fa ny zavatra tsy fahitanao matetika dia ilay hiram-pirenena Indiana mangina amin'ny tenin'ny maona marenina:

Any amin'ny firenena maro, voararan'ny lalàna ny fihiràna ny hiram-pirenena amin'ny teny hafa ankoatran'ny tenim-pirenena ofisialy. Lupang Hinirang (Firenena malala), hiram-pirenenan'i Filipina dia nosoratan'i Julián Felipe tamin'ny taona 1898, miaraka amin'ny tonony amin'ny teny espaniola. Taty aoriana dia nadika tamin'ny teny Tegalog ilay hiram-pirenena. Ny lalàna mifehy ny sainam-pirenena sy ny marika famantarana (1998) any Filipina dia milaza fa “ny hiram-pirenena dia tsy maintsy hiraina amin'ny tenim-pirenena ofisialy na anatiny na ivelan'ny firenena”, ary mitaky onitra sy sazy fampidirana am-ponja raha dikaina.

Na dia ny teny Filipiana sy ny teny Anglisy aza no tenim-pirenena ofisialy araka ny lalàm-panorenana Filipiana tamin'ny 1987, azontsika jerena amin'ny aterineto ny hiram-pirenena hiraina amin'ny teny hafa ampiasaina any Filipina. Indro ny hiram-pirenena Filipiana hiraina amin'ny teny Eskayan:

Ny hiram-pirenena Filipiana amin'ny teny Butuanon:

Misy ohatra maro hafa ao amin'ny aterineto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.