Bahrain: Hetsi-panoherana Goavambe Manohitra Ny Fitondrana


“Miala miala Hamad” no antsoantson'ireo vahoaka an'arivony manohitra ny mpanjakan'i Bahrain Hamad, nobahanan'izy ireo ny arabe midadasika ao Bahrain, akaiky ny fihodikodinana Pearl, famantaran'ny revolisiona Bahrain.

Ity diabe goavambe ao amin'ny araben'i Budaiya tamin'ny Zoma ity dia ho fanehoana indray ny fitakian'ny vahoaka noho ny didy jadona ataon'ny fitondrana Barhainita izay voarohirohy amin'ny vono olona, fanagadrana, kolikoly, fampijaliana sy ny fanavakavahana ny olom-pirenena, araka ny tatitra avy amin'ny vaomiera antsoina hoe Vaomiera Tsy Miankina Misahana ny Fanadihadiana ao Bahrain, vaomiera nirahin’ ny mpanjaka Bahrainita mba hijery izay zava-mitranga nandritra ny roa volana nisian'ny hetsi-panoherana tao Barhain [amin'ny PDF ny tatitra].

Ny volana Martsa 2011, niditra tao Bahrain ny vondrona Tafika Ampingan'ny Saikanosy, notarihan'i Arabia Saodita, mba hamaizana ireo mpanao fihetsiketsehana sy hampiharana ny lalàna miaramila hahafahana misambotra ireo  endrika fata-daza ao amin'ny fanoherana. Nentina teo anoloan'ny fitsarana ady miaramila ny ankamaroan'ireo mpanohitra ary nahazo sazy an-tranomaizina mandrampaha-faty, anisan'izany ilay mpiaro ny zon'olombelona Abdulhadi Khawaja, Voasazy higadra an-tranomaizina 15 taona kosa ilay mpamahana bolongana Ali Abdulimam, didy tsy natrehiny.

Hatramin'izao, maherin'ny 70 ireo olona namoy ny ainy hatramin'izay nisian'ny fitroarana izay -notifirina, nampijaliana ho faty, nohosena tamin'ny fiara, na nosemporina tamin'ny fampiasana baomba mandatsa-dranomaso. Ny fomba tsy firaharahin'ny fitondrana ny fitakiam-bahoaka sy ny antso ataon'ny iraisam-pirenena ho amin'ny fanafahana ireo gadra sy ho amin'ny fiovana no mbola mahatonga ireo mpanao fihetsiketsehana manohy ny hetsika sy manandram-peo mafy amin'ny alalan'ny tambajotra an-tserasera.

Mpitolona Bahrainita Maryam Al-Khawaja namoaka sary tamin'ny hetsi-panoherana ny Zoma:

Image by @MARYAMALKHAWAJA

Sary avy amin'ny @MARYAMALKHAWAJA

Mpisera Twitter @DominicKavakeb namoaka ity sarina zokiolona Bahrainita mirahalahy mandray anjara amin'ny hetsika:

Imaged posted by @DominicKavakeb

Sary nalefan'ny @DominicKavakeb

Ary mpisera YouTube bilad14feb namoaka ity sary tamin'ny fihetsiketsehana ity ary nasiany fanehoan-kevitra hoe “Diaben'ny mpanohitra Bahrainita (Indreto izahay ry Bahrain) tamin'ny 9 martsa 2012.” Mampiseho ny fahabetsahan'ny mpanao fihetsiketsehana ny lahatsary:

Mohammed Ashoor naneho hevitra mikasika ny isan'ny olona tonga nanatrika ny fihetsiketsahana:

@MohmdAshoor: Tsy dia tiako loatra ny milalao tarehimarika, ny hany fantatro dia ity no hetsika goavana indrindra tamin'izay nalehako

Al Dawar kosa ni-tweet  ilay sary mampiseho mpanao fihetsiketsehana milanja sorambaventy misy soratra hoe: Tsy mila fampidinihana miaraka amin'ny mpanjaka. Hoy ny voalazan'ny sora-baventy eo afovoan'ny sary: Tsy mila dinika amin'ny mpamono olona.

Image posted by @al_dawar14

Sary avy amin' ny @al_dawar14

Ni-tweet sary hafa ilay mpisolovava @reemashallan izay mampiseho teny filamatra manohitra ny sektarianisma “Mpirahalahy isika, Shiita sy Sonita, tsy hivarotra ny tanindrazantsika isika”:

Image posted by @reemashallan

Sary nalefan'ny @reemashallan

Namoaka ity sary nandritra ny fihetsiketsehana ity ny Fikambanana Nasionaly Katroka Demokratika (Waad) , mitaky ny fanafahana ny sekretera jeneralin'ny Waad Atoa Ibrahim Shareef izay nogadraina, anisan'ireo mpitarika ao amin'ny mpanohitra nosazian'ny fitsarana ady miaramila izy:

Image posted by @Waad_bhn

Sary nalefan'ny @Waad_bh

Mbola tsy tapitra ny fihetsiketsehana,  fantatra tamin'ny alalan'ny Twitter fa mpanao fihetsiketsehana iray hafa indray no namoy ny ainy. Mpiaro ny zon'olombelona Said Yousif ni-tweet hoe:

@SAIDYOUSIF: #Bahrain Fadhel merza tovolahy avy ao Duraz no maty voatifitry ny baomba mandatsa-dranomaso teo amin'ny lohany  raha olona nilamina tsara izy nandritra ny fihetsiketsehana

Ny ampitso Asabotsy, vahoaka marobe no tonga namonjy ny fandevenana ilay tovolahy mpanao fihetsiketsehana 21-taona:

Zainab Al Khawajah, ni-tweet tamin'ny anarana hoe Angry Arabiya, dia anisan'ireo nanatrika ny fandevenana ary ni-tweet ny fandehan'izany.

@angryarabiya: Nentin'ireo martiora ny vata mangatsiakan'i Fadels no sady miantsoantso izy ireo hoe “miala miala Hamad!!”

Image posted by @angryarabiya

Sary nalefan'ny @angryarabiya

Tonga tao ihany ilay mpisera Twitter hafa tahaka an'i Mohammed Ashoor. Ashoor nizara ity sary manaraka tamin'ny fandevenana ity:

@MohmdAshoor: anio ny fandevenana an'i Duraz 21 taona #fadhel izay voatifitry ny entona mandatsa-dranomaso mivantana teo amin'ny lohany

Image posted by @MohmdAshoor

Sary nalefan'ny @MohmdAshoor


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.