Palestina: Voatafika Indray i Gaza

Ny alin'ny 9 Martsa hifoha 10 Martsa, Voromby mpiady Isiraelianina no nidaroka baomba manerana an'i Gaza, ka niteraka fahafatesan'olona 12 farafahakeliny izany, ary 20 no naratra.

Ny atoandron'ny 9 Martsa, Zuheir al-Qaysi, sekretera jeneralin'ny Popular Resistance Committees (PRC), no nisy namono nandritra ny fanafihan'i Isiraely ny tanànan'i Gaza, nisy namono ihany koa ny lefitr'i AbuHanani Ahmad. Teratany avy ao Naplouse i Hanani no nafindra tao Gaza, iray tamin'ireo gadra noafahana tamin'ny alalan'ny fifanekena hifanakalo gadra, volana vitsy lasa izay.

Ho setrin'izany, vondrona mitam-piadiana Palestiniana ao amin'ny toby Gaza no nitifitra balafomanga an'i Isiraely, tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra. Niverina namely tamin'ny alalan'ny voromby indray i Isiraely ka nahavoa an'i Gaza sady namela maritiora 12 , nofantarin'ny Ma'an News Agency ho Muhammad al-Ghamry, Fayiq Saad, Muatasim Hajjaj, Ubeid Gharabli, Muhammad Hararah, Hazim Qureiqi, Shadi Sayqali, Zuheir al-Qaysi, Mahmoud Hanani, Muhammad Maghari, tiMahmoud Najim ary Ahmad Hajjaj. Ny tati-baovao sasany miteny ankehitriny fa 15 no maty.

Fandarohana ny tanànan'i Gaza City by Israeli fighter jets. Sary avy amin'ny mpisera Twitter @journeytogaza.

Mpiserasera ao Gaza nitatitra momba ny fanafihana tao amin'ny Twitter:

@MaathMusleh 15 no namoy ny ainy tao Gaza hatramin'izao AZA MANAHY fa Palestiniana avokoa izy ireo!! #GazaUnderdAttack

@ectomorfo Mivavaha ho an'ny mponina ao Gaza. Tsy misy jiro, vitsy ny dokotera, ary tsy misy gazy. Ary amin'izao fotoana izao dia voadarok'i #Israel baomba hatraiza hatraiza ry zareo. #GazaUnderAttack

@Omar_Gaza 18 tsy nahenoana nipoaka! Fahanginana mampiahiahy? tapitra ve? sa mbola tokony hitazona ny fisefoako aho? #GazaMassacre #GazaUnderAttack

@najlashawa tsy haiko ny mbola hanoratako hoe MAFY [fipoaka] ilay izy! #GAzaUnderAttack

@imNadZ Tongasoa eto #Gaza. izay fipoahana no masoandro mihiratrany. ary F16 ny vorony.

Tonga indray izao fandarohana baomba izay amin'izao fivoaran'ny toe-draharaha ao amin'ny faritra sy ny fifandraisana ara-politika izao. Tamin'ny herinandro lasa teo, ho fanazavan-kevitra amin'ny mety isian'ny ady ataon'ny Amerikana sy Isiraeliana, Nanao fanambarana ny mpitarika roa ambony indrindra ao amin'ny Hamas fa tsy hiditra an-tsehatra sy tsy hanohana an'i Iran amin'izay mety ho fanafihana ataon'i Isiraeliana. Nanambara ihany koa ny Hamas fa manohana ny vahoaka Syriana amin'ny ady ataony amin'i Assad.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.