Soisa : Miarahaba Tsara Anareo Ny “Grikan'I Soisa Romande” !

Lazaina matetika ho fitaratry ny fahaiza-miara-monina i Soisa, satria mahatazona ny fiavaham-pirenena mampivondrona ny olom-pirenena ao aminy sady ataony rehareha izany na dia tsy vitsy aza ny fifanebahana misy eo amin'ny Soisa alemana (miteny alemana) sy ny Soisa romands (miteny frantsay).

Raha tsapa matetika eo amin'ny lafiny politika ary indrindra indrindra eo amin'ny fotoam-pifidianana ny fahasamihafana manavaka ny andaniny sy ny ankilan'i Röstigraben, dia misy ihany koa ny hatsikana mamy sy masira ifanaovan'ny mpifanolo-bodirindrina.

Ny fihantsiana farany dia hita tamin'ny lahatsoratra nivoaka ny voalohany mars 2012  tao amin'ny gazety soisa alemana Weltwoche [nadika teny frantsay]. Ny mpanoratra dia maneso ny Romands heverina ho toy ny “Grikan'i Soisa”, tsy manao na inona na inona, mankafy toaka sy fiainana. Amin'ny sary miaraka amin'ny lahatsoratra dia ahitana mpiasa mametraka ny tongony ambony ny biraony, vera eny an-tanana sy tati-nono mivoaka ny dosie.

Saripikan'ny gazety soisa "Weltwoche" nanindrona ny Romands – PSary vondrona Facebook Welschwoching

Tsy ela koa ny setriny avy amin'ny Romands. Nitarika izany ny mpanao politika avy ao Geneve Antonio Hodgers. Araka ny hita ao amin'ny 20min.ch, naka sary toy izay hita tao amin'ny lahatsoratra voalohany indrindra izy ary naneho ny heviny entina hanoherana ny nolazalazaina :

A l’adresse des Weltwocho-udécistes, nous précisons que l’évolution du PIB romand est supérieure à la moyenne suisse depuis des années, que l’Arc lémanique est l’une des régions économiques les plus dynamiques et que des cantons comme Genève et Vaud sont des contributeurs nets à la péréquation inter-cantonale. Tout cela en glandant… pas mal, non ? »

Ho an'ny Weltwocho-UDC-ista, marihanay fa ambony noho ny taha ankapoben'i Soisa hatry ny taona maro ny fivoaran'ny PIB romand, ny faritra Lemana no iray amin'ny faritra ara-toekarena mavitrika indrindra ary ny canton tahaka ny ao Genève sy Vaud no tena mpizara ny ampahany betsaka amin'ny kitapo iombonan'ny canton. Mampilendalenda daholo izany… tsy ratsy an! sa ahoana?

Tsy ela ihany koa dia lasa lamaody ny raharaha. Ao amin'ny Facebook ny vondrona Welschwoching mamoaka ny sarin'ny mpiserasera romands maka tahaka ny paozy amin'ny sary, tongotra amin'ny birao sy tavoahangy aharihary tsara, entina ahatsiarovana ny fomba fiainana anamelohana azy ao amin'ny Weltwoche. Maro ny pikantsary sy ny hevitra hita ao amin'ny Twitter. Ny kaonty Twitter @welschwoching natsangna amin'ity resaka ity no nandefa antso tamin'ny 5 ora hariva katroka ho amin'ny zavatra matotra :

" Grikan'i Soisa, oran'ny 'apéro ô!"

 

Ny orinasam-pandokoan-damba Graphein dia efa namoaka t-shirt manokana ho amin'izany ihany koa ary misy ny tarigetra manao hoe Tuschur rigol, shamè travaï (Toujours rigole, jamais travaille, na komehimehy foana, tsy miasa mihitsy amin'ny firoky alemana)

Fa ny andro vitsivitsy taty aoriana, nitaraina noho ny fanafihana maro, ny fitoriana amin'ny Facebook ho mandika ny zon'ny mpamorona ny mpandrindra ny vondrona Welschwoching ao amin'ny Facebook fa lasa tafala ny sary sasantsasany. Na izany aza tsy voatohintohina tsy akoty ny firaisam-pirenena satria nisy ihany koa ny Soisa alemana no miara-dia amin'ny namany romands hita amin'ity lahatsary ity :

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.