Ségou Villages : Mitady Fomba Ahafahana Miditra Aterineto

Miely manerana ny lemaka maina ahitana Baobaba mitsitokotoko etsy sy ery ny tanàna ambanivohitr'i Ségou. Ity faritra ao Mali ity dia miavaka amin'ny fisian'ireo mponina tambanivohitra mivelona amin'ny karazam-pambolena, sy ny fiompiana ary ny kivarobarotra. Eo ho eo amin'ny adiny efatra miala ny renivohitra Bamako no misy ny faritra Ségou, ary zara raha ahitana herinaratra sy rano fisotro madio amin'ireo tanàna ambanivohitra roanjato mieli-patrana ireo. Maro arak'izany ireo mponina nisafidy hifindra monina any an-tanandehibe mba hanovozana fampianarana sy asa tsara kokoa.

Tanàn'i Bamoussobougo

Iray amin'ireo tanàna, antsoina hoe Bamoussobougo, no tanàna nahalehibe an'i Boukary Konaté, mpandrindra ny tetikasa tohanan'ny Rising Voices. Izy no nikarakara ny fiompiana an'ny fianakaviany raha indro fa polisy iray no nifanehatra taminy teny an-dalana, izay nahazoany tombotsoa manokana noho ny famporisihina ity tovolahy ity hanohy ny fianarany. Izany fihaonana izany sy ny tohiny, nosoratan'i Boukary tao amin'ny resadresaka 2009 ao amin'ny Global Voices.

Toeram-piompiana no nahalehibe ahy, sy nanampiako ireo ray aman-dreniko. Indray andro, raha nitarika ireo biby fiompy aho niaraka tamin'ireo ankizy mitovy taona amiko, nifankahita tamina lehilahy iray izahay teny an-dalana, Lassiné no anarany, polisy izy. Maty teny an-dalana ny môtô nentiny Suzuki.

Raha nanampy azy izahay, nanontany ahy izy raha mianatra any an-tsekoly aho. Namaly aho hoe “Tsia”. Nandeha nijery ny raiko izy avy eo ary nanoro hevitra azy mba handefa ahy hianatra. Tonga miverina ao an-trano foana izy isaky ny herinandro mandram-paneken'ny raiko handefa ahy hianatra. Nilaza tamiko toy izao ilay polisy Traoré : “Avelako eto ianao. Manana andraikitra lehibe tontosaina ianao, dia ny hianatra tsara any an-tsekoly mba hankasitraka ahy sy mba ahafahana mivelona soa aman-tsara sy manampy ny ray aman-dreninao»

Nandritra ny taona maro, dia an-tongotra enina kilometatra no nandehanako any an-tsekoly hatramin'ny nifindrako tao amin'ny lisea ao Bamako. Isaky ny faran'ny herinandro, niasa toy ny mpandrafitra aho ary nanao asa kely teny ho fanampin'ny vatsim-pianarana. Ny fahombiazako no hany tena irian'ny reniko ary nanao izay vitany izy tamin'izany.

Nanjary  mpamahana bolongana ikoizana i Boukary taty aoriana, ary iray amin'ireo mpitarika mpanentana amin'ny fampiasana ny fitenin-dreny, Bambara ao amin'ny Aterineto. Na dia izany aza, afaka niditra aterineto matetika izy tao Bamako, saingy tsy adinony mihitsy ny tanàna niaviany sy ny tsy fisian'ny aterineto ao amin'izany tanàna izany. Ho fampandrosoana ny tetikasa Rising Voices Ségou Villages Connection, Boukary naniry ho modely ho an'ny tanora mitovy zava-nianana taminy, taona vitsy lasa izay. Angamba ho lasa Boukary ny iray amin'ireo tanora, mpanentana mavitrika ny fampahalalam-baovao sy ny fifandraisana an-tserasera manerana an'i Mali.

Miaraka amin'ireo ankizy, mpamahana bolongana maliana atsy ho atsy ? Sary avy amin'i Boukary ahitana ireo zana-drahalahiny sy zanak'anabaviny tao amin'ny tanàna nahaterahany.

Tsy asa mora tokoa ny manampy ireo olona hiditra aterineto mba ahafahany mitantara sy mampiseho ny tanànan'ny Ségou amin'ny endriny hafa. Ny tsy fisian'ny herinaratra, ny tsy fisian'ny toerana hanaovana aterineto ivelan'ny faritra voalohany ao Ségou, ary ny sakana ara-ekonomika no anisan'ireo fanamby vitsy hatrehin'ny tetikasa. Saingy ny fisian'ny tambazotra GSM hatrany ambanivohitra no hany fomba iray mampientam-po ho fidirana sy fampiasana ny resadresaka an-tserasera.

Raha tokony hiandry ny fahatongavan'ny fifandrasaina aterineto sy ny fanatsarana ny famatsiana herinaratra, mikasa hampiasa ny teknolojia misy sy ny fampiharana mahazatra ataon'ny mponina amin'ny findainy ny tetikasa tohanan'ny Rising Voices. Miompana indrindra amin'ny fampiasana finday, ny fandefasana SMS amin'ny Twitter no anisan'ny tolotra tena ilaina. Indrisy anefa, tsy misy mpandraharaha maliana ao an-toerana afaka manolotra laharana fohy, mba hahafahana mandefa tweet amin'ny vidin'ny SMS ao an-toerana. Ny orinasa sasany izay manome laharam-pinday fohy kosa dia manolotra fomba hafa handraisana tweet avy amin'ny olona nofantenina manokana, valin-kafatra sy hafatra mivantana maimaipoana.

Amin'ny firenena tsy misy tolotra teny miafina fohy, dia ny fandefasana tweet amin'ny fampiasana laharam-pinday lava iraisam-pirenena no azo atao. Ho amin'ny vidin'ny SMS iraisampirenena, afaka mi-tweet ny mpiserasera amin'ny fandefasana  SMS any amina kilometatra an'arivony, any Finlandy, Alemaina na any amin'ny Fanjakana Britanika any, miaraka amin'ny famoahana ho azy ny hafatra ao amin'ny kaontiny Twitter. Ny lafy ratsin'izany laharana izany, dia zotra tokana ihany ny lalan'ny fifandraisana, tsy afaka mandray valin-kafatra na hafatra mivantana ny mpiserasera. Na izany aza dia dingana handalovana mankany amin'ny lalana marina izany.

Fiofanana mampahafantra ny fomba fampiasana tweet amin'ny laharana finday lava iraisampirenena.

Toy izany ny fomba fampianarana ireo mpandray anjara anankiroa momba ny tetikasa, Oumar Dembélé sy Yaya Coulibaly, nandritra ny fiofanana vao haingana tao amin'ny tanànan'i Cinzana. Talohan'izao, nandefa SMS toy ny mahazatra tany amin'i Boukary izy ireo, ary i Boukary no nandika sy namoaka izany tamin'ny bilaogin'ny tetikasa. Hita tokoa anefa fa tsy tena nahomby izany fomba izany ka nilàna mpanelanelana mba hamoaka azy. Ankehitriny, afaka mamoaka mivantana ny hafatra amin'ny kaontiny Twitter izy ireo isaky ny maniry hizara vaovao amin'ireo mpanaraka azy. Anisan'ny fomba iray hiandraketan'ny tetikasa ihany koa ny fanamorana ny fifandraisana amin'ny roa tonta mba hahafahan'ny mpisera Twitter ao ambanivohitra mandefa hafatra amin'ny findainy ihany koa. Ny vola sasany amin'ny tetikasa dia natokana hividianana fahana mba tsy hiala vola amin'ny paosiny izy ireo.

Amin'ny alalan'izany tetikasa vaovao izany, atao izay handrisihana sy hampavitrika ireo mpandray anjara hanohy hi-tweet mba hilaza izay zava-miseho any amin'izy ireo. Hampahafantatra anareo an'i Oumar sy Yaya indray ny lahatsoratra manaraka sy hizara izay tweet farany nalefan'izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.