Bangladesh : Mbola Tadiavina Ny Marina Momba Ny Famonoana Ireo Mpivady Mpanao Gazety

Vao haingana, nanaitra ny firenena ny famonoana olona mahatsiravina niseho tao Bangladesh  ka izany hatrany no ambetin-dresaky ny olona. Tamin'ny 11 febroary 2012,  mpivady mpanao gazety Sagar Sarwar sy ny vadiny Meherun Runi no nisy namono tao amin'ny trano fonenany ao  Dhaka, renivohitr'i bangladesh. Izy ireo maty no hitan'ny zanak'izy ireo lahy kely dimy taona, Megh, rehefa nifoha izy; avy eo nilaza izy fa nahita maso ireo nahavanon-doza. Sarwar dia mpanoratra vaovao ary i Meherun Runi no tonian'ny fanoratana ao amin'ny fahitalavitra ATN Bangla. Tao anatin'izay enin-taona lasa izay, mpanao gazety fito-ambinifolo no nisy namono ho faty ary mbola tsy nivaha foana hatramin'izao ny ankamaroan'izany raharaha izany.

Efa hifarana ny iray volana atsy ho atsy, mbola tsy nahasambotra ireo nahavanon-doza ihany ny polisy. Eo am-piandrasana izany, niteraka resabe izany fahatarana izany; niampanga ny fitavozavozana misy ny fianakavian'ireo mpanao gazety sy ny fiarahamonim-pirenena. Nisy ny fihetsiketsehana, filaharan'olona sy ny famoriam-bahoaka nokarakaraina saiky manerana ny firenena ho fitakiana ny fisamborana ireo nahavanon-doza ary ny fitondrana azy ireo eny amin'ny fitsarana ady heloka bevava

La famille Sarwar. Image de Siam Sawrar Jamil. Droits d’auteur Demotix (12/02/2012)

Fianakaviana Sarwar. Sarin'i Siam Sawrar Jamil. Zon'ny mpamorona Demotix (12/02/2012)

Mbola tsy mazava hatramin'izao ny antony namonoana azy mivady. Nilaza tamin'ny fampahalalam-baovao ny polisy fa nandritra ny fanadihadiana savaranonando, olom-patatry ny fianakaviana ihany ireo mpamono olona ary efa nomanina mialoha izany heloka izany.

Mpamahana bolongana Orpheus mitovy hevitra amin'izany heloka famonoana olona efa nomanina mialoha izany tao amin'ny bilaoginy Sachalayatan :

Namaky vaovao aho, nanaraka rohy vitsivitsy. Nandritra ny fikarohana nataoko, voalaza mazava tsara fa niditra tao an-trano tamin'ny fomba hafa ireo mpamono olona ary efa nomanin'izy ireo mialoha izany fanafihana izany. Hafetsena ampiasan'ireo mpamono olona matetika ny famakiana zavatra ao an-dakozia mba tsy amantarana azy ireo. Mila fanomanana voakaly tsara ny famonoana olon-dehibe roa tsy hanendrenesam-peo mety hanaitra ilay zazalahy kely. Tsy tontosa izany fanafihana izany raha olona tsy fantatra mihitsy no nanao azy.[…]

Mpamahana bolongana Naishad nanambara fa tokony hamarinin'ny polisy ireo antso an-tariby nataon'izy mivady farany mba hahitana marika:

Tokony hojeren'izy ireo avokoa ireo nomerao niantso rehetra anaty lisitra ary hamarinina raha niantso tamin'io alina nitrangan'ny loza io ilay nomerao ary indrindra mba hahitana raha toeram-piantsona an-tariby iray ihany no nanaovana ny antso tao amin'ny fonenan'ireo mpanao gazety. Afaka mahazo fanampim-baovao izy ireo amin'izany.

Ny ampitson'ny loza, nanambara ny Minisitry ny Atitany Sahara Khatun fa hosamborina ao anatin'ny 48 ora ireo nahavanon-doza . Kanefa efa dila izany fe-potoana izany. Ashikweblog manahy fa tsy ho tratra ao anatin'ny 48 andro akory ireo mpamono olona :

Malahelo tokoa aho milaza fa efa dila efa ela ny 48 ora nampanantenana. Fa raha halavaina ho 48 andro indray ny 48 ora, tokony hahandry izany ihany isika.

Nampitombo ny fahatezeram-bahoaka manoloana izany vono olona izany ny fanamarihana nataon'ny Praiminisitra Sheikh Hasina. Nandritra ny dinika an-databatra boribory, nilaza izy fa « tsy afaka hametraka mpiambina isaky ny efitra fatoriana ny governemanta “. Mortuza Khaled Milton namaly izany fanambarana izany :

Tsy azo ekena mihitsy izany karazana lahateny izany. Amiko, ny governemanta no tompon'andraikitra amin'izay zava-mitranga eto amin'ny firenena. Ka raha tsy afaka hanatontosa izany andraikiny izany ny governemanta dia ny tsy fahombiazana sy ny tsy fahaizana no hatrehintsika.

Jahangir Alam Akash naneho hevitra mitovy an'izany :

Tsy natokana ho an'ny Bangabhaban (lapa-panjakana) na ny Ganabhaban (fonenan'ny praiminisitra) ihany ny fandriampahalemana. Tokony handray ny andraikiny ihany koa ny governemanta amin'ny fiarovana ny tranom-panjakana tsirairay avy.

Niteraka fanaparitahana fanamarihana feno tsaho tao amin'ny Facebook ny tsy nahavitana nisambotra ireo mpamono olona. Ka maro ireo nino izany fanamarihana izany. Etsy andaniny, maro koa ireo nihevitra fa fandrebirebena fotsiny izany. Mpamahana bolongana iray nahita fa «ny tsy fahombiazan'ny governemanta tamin'ny fanajana ilay 48 ora no niteraka resabe ».

Tambira nanome soso-kevitra fa tokony hiantso manam-pahaizana avy any ivelany mba hampiatona izao olana izao sy hisamborana ireo mpamono olona :

Efa nangataka fanampiana tany ivelany izahay taloha. Ary mbola hataonay izany amin'ny hoavy. Koa ahoana raha atao androany izany?

Journalists and civil society are protesting this brutal killing all over the country.।

Manerana ny firenena, manohitra izao famonoana olona mahatsiravina izao ny mpanao gazety sy ny olom-pirenena. Sarin'i Siam Sarwar Jamil. Zon'ny mpamorona Demotix (12/02/2012)

Nisy ireo nilaza fa sahiran-tsaina noho ny fihetsika tafahoatra ataon'ireo fahitalavitra tsy miankina. Ohatra, ny ampitson'ny famonoana ireo mpanao gazety, tsy nitsahatra nametra-panontaniana ilay zanaka lahin’ izy mivady nisy namono izy ireo. Mamoaka lahatsoratra mikasika izany raharaha izany foana ny gazety rehetra isan'andro. Nanome fe-potoana farany 24 ora ho an'ny Sekretera misahana ny fampahalalam-baovao ny fitsarana faratampony mba hanajanona ny fihanak'izany lahatsoratra tsy misy fotony izany. Kanefa maro ireo mpanao gazety nanohitra ny fanapahan-kevitra ka mandray izany ho toy ny sivana. Farzana99 naneho hevitra tao amin'ny Somewherinblog.net :

Ny lafy tsaran'izao tantara izao, Tompokolahy Hajaina, dia tsy ho mora ny manampim-bava ny mpanao gazety sy ny fampahalalam-baovao. […] Maneho ny heviny ny vahoaka. Tsy afaka manampin-tsofina amin'izay lazainy ianao.

Nokarakaraina tamin'ny alalan'ny fanentanana tao amin'ny Facebook ny filaharam-bahoaka manoloana ny biraon'ny Firenena Mikambana ao Bonn, ao Alemana, mba hitondrana izao raharaha izao eo anivon'ny iraisam-pirenena.

Fakir Ilyas nihevitra fa mety hisy fiantraikany amin'ny fifidianana manaraka ny fahafatesan'i Sagar-Runi :

Mampalahelo tokoa ny mahita fa na dia teo aza ny ezaka natao, tsy vitan'ny sampan-draharaha mpitsikilovana ny mitady ny marina mikasika ny nahafatesan'i Sagar sy Runi. Tokony hahita vahaolana ny governemanta. Raha tsy izany, hotsarain'ny vahoaka izy ireo amin'ny fifidianana manaraka. Tsy tian'ny antokon'ny fitondrana ny mahita ny tahan'ny lazany mihena.

Sahiran-tsaina mafy i Nijhoom Majumbar noho izany tranga izany sy ny amin'ny fandriampahaleman'ny vahoaka. Tao amin'ny pejy Facebook mitondra ny lohateny hoe « Irinay mba hipoitra ny marina mikasika ny famonoana an'i Sagar sy Runi », hoy izy naneho hevitra:

Hotakiako amin'ny heriko rehetra ny fahamarinana amin'izao famonoana olona izao. Mangirifiry ahy ny mahazo an'i Megh [zanaka lahin'i Sagar sy Runi]. Mety ho eo amin'ny toerana ny zanako lahy izy, Runi ohatra no vadiko, ary izaho, novonoina toa an'i Sagar !!! Ho aiza isika ? Hatraiza no hijanonan'izao? Amin'iza no tokony hatonontsika? Iriantsika ho an'i Bangladesh ve ny fahafatesan'olona maro????

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.