Alemaina : Ny Fampahalalam-baovao anaty aterineto, tena #baomba (#bombe)!

Niparitaka tamin'ny 25 Febroary teo ny ampamoaka izay milaza fa ireo sampam-pitsikilovana miafina Alemàna dia nikarakara fanaraha-maso faobe ny hafatra ifandefasana amin'ny fomba elektronika tamin'ny 2010, vao maraina, dia efa nitatra sahala amin'ny vanja mipoaka ilay izy. Tamin'io fomba io no nisafidianana mailaka efa ho 37 tapitrisa sy nandalinana azy ireny mba hamaritana raha toa ka mifandraika amin'ireo mason-tsivana isan-karazany mifamatotra amin'ny lohahevitra fampihorohoroana, asa fanondranana an-tsokosoko isan-karazany sy ny fiparitahan'izany.
Tamin'ireo mason-tsivana 2 000 voatanisa, ny fampahalalam-baovao sy ny mpiondana aterineto dia nitsongo iray tamin'ireny izay tena nanmpangotraka tokoa ny fampahalalam-baovao sosialy, nitondra hatramin'ny aingam-panahy hamorona tsilalaon-teny : ny teny hoe “baomba”.

i Richard Gutjahr, mpanao gazety, dia manombana fa miditra lavitra loatra ireo sampam-pitsikilovana, ary mamoaka ao amin'ny bilaoginy (amin'ny teny Alemàma) ny vokatr'ilay fanarahamaso ny hafatra elektronika :

Am-panajàna : amin'ny hafatra 37 tapitrisa nojirihany tamin'ny 2010, farafaharatsiny aloha dia nahitàna olona 213 nanao fanambarana hosoka tamin'ny hetra aloany, mpifoka rongony na nanao tsinontsinona ny sazy ara-bola tokony ho naloany. Mba tsy ho avy ka hanamafy indray fa hoe tsy mahomby ny fikarohana ireo mpanao heloka  bevava.

Markus Beckedahl avy amin'ny bilaogy “Netzpolitik” dia zendana amin'ireo fanehoan-kevitra tamim-pahatairana nataon'ny maro tamin'ireo mpampiasa azy :

Donam-pahatairana ve izany? Ny fifandraizana Jabber tondroina amin'ny hoe “chiffrées” ampiasaina ho an'ny fandefasan-kafatra [sy ny fifandefasan-kafatra eo noho eo]  dia maha-aro tsara ny fiainana manokan'ny tena.

Ny tenifototra  #Bombe dia nanjary lohahevitra mafàna tampoka teo tao Alemaina. Indreto ny sasantsasany amin'ireo fanehoan-kevitra nalaina tao amin'ny Twitter vantany vao navoaka mihitsy io vaovao io.

@ploechinger dia manoratra ao amin'ny Twitter hoe :

@cjakubetz @videopunk @heiko Hatramin'ny maraina, ny rivotra iainana, dia #Baomba (#Bombe) !

@HausOhneFenster mihanihany hoe :

Mahazo ahy indraindray ny manoratra manao fanahy iniana ny hafatro miaraka amin'ny teny toy ny hoe “baomba”, “bala afomanga” sy “horohoro”, amin'izay, farafaharatsiny mab manana ny sampam-pitsikilovana ho mpamaky hafatra aho.

@irm_tw manamarika hoe :

ny #bombe no fironana laharana 1. Sahirana  ny BND sy ny MAD [ny sampam-pitsikilovana Alemàna sy ny miady amin'ny fitsikilovana]. Mangataka famatsiam-bola hividianana fitaovana vaovao ry zareo mba hahafahany manaraka ny bitsika rehetra.

Bombe Wingdings (image Twitpic de @Olaf_HB)

Baomba Wingdings (sary Twitpic an'i @Olaf_HB)

@Olaf_HB mamoaka sary iray :

ny #BAOMBA isan'andro ! / the daily #BOMB ! *hehehe* 😉 @lieselm twitpic.com/8pcndw

@linksgruen manontany tena hoe :

@netzpolitik Tena adalàna ! Dia hoe tsy manan-jo hiteny n y hoe “bombe sexuelle” intsony koa izany ?

@PatrickLobacher dia somary misalasala momba ny ilàna mampiasa ity fomba ity :

Tompokolahy hajaina Mpitsikilo : heveriko ihany koa fa manoratra izay zavatra kasainy hatao koa ireo jiolahy – tsy isalasalàna ny amin'izay ! http://bit.ly/ySZ5dj #bombe

@kischtrine manontany tena ny amin'ny habetsahan'ny asa tsy maintsy notakian'ity hetsika ity :

Mpitsikilo miisa firy sy fotoana toy inona no nilaina hamakiana ireo hafatra ireo ? Toy n y tamin'ny fotoanan'ny Stasi.  Izany rehetra izany ho anà zavatra tsy misy dikany akory. Ary nitentina hoatrinona izany #Bombe

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.