Iran: Hatezeran'ireo Mpanao Sariitatra Amin'i Khatami Noho Ny Nandehanany Nifidy

Manakory izany hoe ianao no “faran'ny gisitra indrindra” taminà fifidianana iray ho anà latsabato monja? Angamba mety ho i Mohammad Khatami, ilay filoha teo aloha, mpandàla fiovana, no afaka hamaly an'io.

Khatami dia nandatsa-bato tamin'ny fifidianana ny ho parlemantera tamin'ny Zoma 2 Martsa 2012 ninia tsy nahalala ireo fameperana izay izy tenany ihany no nametraka azy mikasika izay ho fandraisany anjara: “Fanafahana ireo gadra [politika] sy fametrahana tontolo malalaka ho an'ny tsirairay sy ny vondrona rehetra, fanajàn'ny manampahefana ny Lalam-panorenana ary fanajàna ny fotodrafitr'asa napetraka hanatanterahana fifidianana madio sy malalaka”

Raha jerena ireo antso malaza ho fibodoana ny fifidianana, maro ireo mpandàla fiovàna no diso fanantenana nahita an'i Khatami niverina tamin'ny teny nomeny.

Taty aoriana kely izy dia nanazava ny fihetsiny tamin'ny fanehoana fanantenana fa tsy hampisara-bazana ny “firaisankinan'ireo mpandàla fanovàna” ny fandatsaham-bato nataony. Voalaza fa hoe notsindriany mafy ny “fahasarotan'ny” raharaha anatiny ka hatramin'ny iraisam-pirenena ka dia nangatahany ny mba “hahatakaran'ny tsirairay ireny fahasarotana ireny”

Sariitatra maneso marobe no nakarina ao amin'ny aterineto mampiseho ny hatezerana sy ny hadisoam-panantenana noho ny nataon'ilay olo-malaza Khatami.

Nikahang, mpanao sariitatra sangany sady bilaogera, dia mihevitra fa Khatami dia nanao tsinontsinona ny rà latsaka nandritra ny hetsi-panoherana tamin'ny 2009 hanoherana ny fitondràna.

Mana Neyestani, mpanao sariitatra iray mbola sangany koa, dia mampiseho kisary iray mamaky fitaratra eo an-tampon-dohan'i Khatami.


Mpanao sariitatra iray, tsy voalaza anarana, nivahiny tao amin'ny  Khodnevis.org no nandray anjara tamin'ny fanentanana iray “sariitatra hamelezana an'i Khatami” tamin'ity fampidirana ity :


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.