Iran: Lavin'ireo Vehivavy Ny Rakakaben'ny Ady

Vavy= Lahy, Loharano: Khodnevis

Ny fitondrana Islamika Iraniana dia nanao tsinontsinona ny Andro Manerantany Natao Ho An'ny Vehivavy efa nandritra ny ho telopolo taona mahery. Tsy mampihatra ny 8 Martsa io firenena io, ary mandràra mihitsy ireo fikambanam-behivavy aza mba tsy hankalaza izany andro izany. Saingy isan-taona ireo vehivavy Iraniana, na izany eo amin'ny fiainana andavanandro, na any anatin'ny tontolo virtoaly dia manohy mankalaza ihany.

Satria manaikitra ny sazy iraisam-pirenena ary miakatra hatrany ny fihenjanana mikasika ny fandaharan'asa nokleary Iraniana, tamin'ity taona ity dia marobe ireo mafàna fo nampakatra lahatsary tao amin'ny Tranonkala natao ho an'ny zon'ny vehivavy Change for Equality manambara hoe, “Toheriko ny ady.”

Ireo mafàana fo ireo dia miteny hoe :

Ny ady tsy hoe baomba fotsiny su faharavan'ny tranonay. Aty alohan'ny hirotsahantsika amin'ny ady aza, dia efa hita toa mihasarotra sahady ho an'ny vehivavy ny fiainana. Mitodika amin'ireo vehivavy ny ady ary mikisaka manakaiky, tsikelikely. Tsy te-ho ireo mangina fotsiny mitaty ny zava-doza entin'io rakakabe izahay. Ny 8 Martsa 2012 raha noraràna tsy ho afa-mankalaza ilay andro na haneho ny fangatahany teny an-dalambe, dia noraisinay io fotoana io hilazàna fa toherinay ny ady ary ny tsirairay amin'ireo lahatsary fohy ireo dia maneho ny anton'izay fanoheranay izay.

Ny tena zava-misy any ambadik'ireo sary momba ny ady

Tsy misy fambara loza ho an'ny ankizy

 

Mamela holatra amin'ireo vehivavy ny ady

Tena rakakabe tokoa ny ady, saingy indrisy tena izay ny atao hoe jadona sy fonja. Ilai Iraniana bilaogera Jaarchi dia mampahatsiahy [fa] antsika fa vehivavy 47 no voafonja ao Iran noho ny hetsika ara-tsosialy sy ara-politika nataony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.