Loka Bilaogy Tsara Indrindra (Best of the Blogs): Efa nametraka ny Bilaoginao Ao Ve Ianao?

Efa nandefa ny bilaoginao  amin'ilay Loka Bilaogy tsara indrindra 2012 (Best of the Blogs (BoBs)ve ianao, ry vondrona amin'ny valan-tserasera, na ry tompon-kevitra antserasera?

Ny BoBs dia fifaninanana bilaogy fanao isan-taona karakarain'ny onjam-peo Alemana iraisampirenena Deutsche Welle (@dw_thebobs). Mpamahana bolongana, mpanoratra, mpanankato, olo-tsotra tia manangom-baovao, mpitolona sy ny mpitondra hevi-baovao no amporisihina mba hiala amin'ny fahamenarana ka hametraka ny bilaoginy ao amin'ny iray amin'ireo sokajy 17 amin'ny fitenim-pirenena 11.

Azonao arotsaka hofidiana ihany koa ny bilaogy nosoratan'olo-kafa ka ankafizinao. Mangalà fotoana kely hametrahana ny rohin'ny bilaogy alohan'ny 13 Martsa 2012. Manomboka amin'ny 2 Aprily ny fifidianana izany an-tserasera, ka amin'ny 2 Mey no hanambarana izay hahazo ny loka.

Amin'ity taona ity, ny bilaogy momba ny fampianarana no tena iriana indrindra ka ho voalohany hahazo ny Loka momba ny Fampianarana. Averin'ny Reporters Sans Frontières indray ny fanomezana Loka ho amin'ny Fahalalahana haneho hevitra.

Facebook sy Twitter no mety mibahana amin'ny tontolo aterineto ankehitriny, saingy tsy horesin'izany mihitsy ny bilaogy satria mbola ahitana azy na eny amin'ny tambazotra valantserasera aza.

Ireo mendrika tamin'ny “Best of the Blogs” taona 2011 no porofo fa nisy fiovana lehibe teo amin'ireo olona sy vondrona mpiserasera maniry hitondra fanovana. Maro tamin'izy ireo no nandray anjara tamin'ny fitroarana teo amin'ny tontolo Arabo, Rosia, Meksika, Iran, Bangladesh (lisitra feno nahazo ny Loka BoBs tamin'ny taona 2011 eto).

2011 BoBs winners

Ireo sasany nahazo ny loka Bobs tamin'ny taona 2011, izay avy ao Iran, Rosia, Ejypta, Tonizia, Meksika nandritra ny fankalazana izany tao Bonn, Alemana – Sary Deutsche Welle

Ity lahatsary eto ambany ity dia mampisongadina ny fijery sy ny tanjon'ny fifaninanana iraisam-pirenena, izay eo amin'ny faha-8 taonany ankehitriny.

 

Mitovy ny andraikitra sahanin'ny Global voices Online sy ny Loka Best of Blogs: mampahafantra vaovao tsy voantatara na tsy re firy ary mametraka tetezana eo amin'ny fiteny sy ny kolontsaina. Mpamahana bolongana marobe izay nisongadina tao amin'ny Global Voices no anisan'ny nahazo izany loka BoBs izany vao taty aoriana

Anisan'ny nasaina handray anjara amin'ny fitsarana ny fifaninanana ny mpikambana ao amin'ny Global Voices . Tamin'ity taona ity, ankoatra ny tenako (Claire Ulrich) ao amin'ny sokajy teny Frantsay, anisan'ireo hitsara ny fifaninanana bilaogy amin'ny teny Arabo ihany koa i Tarek Amr avy ao Ejypta. Anisan'ny mpitsara izany ihany koa i Enda Nasution avy ao Indonezia izay mpanoratra Indonesiana voalohany indrindra tato amin'ny Global Voices nanomboka ny taona 2005-2006.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.