Venezoelà: “Manapika Fakantsary Fa Tsy Manapoaka Basy”

Alberto Rojas nilaza fa “mpankafy maka sary an-tanandehibe” izy, fa lavitry ny tsy maha-matihanina [mpankafy tsotra] azy ny sary avoakany ao amin'ny bolongana Caracas Shots. Toy izao no amariparitany ny bolongany:

[…] a bad copy, or rather an inspiration of the blog Mumbai Paused by MS Gopal (thanks bhai), but without reach its professional level. Anyways I'll try to do the same: Capture the beauty of the simple things using either a shoot camera or my cell phone in a city full of gun shots.

Dika ratsy, na nakan'ny bilaogy Mumbai Paused nataon'i MS Gopal (mankasitraka bhai) aingam-panahy, saingy tsy mahatratra ny dingana maha-matihanina azy. Na izany aza hiezaka aho ny hanao ny mitovy aminy: manapika ny hatsaran'ny zavatra tsotra amin'ny fampiasana fakantsary na ny findaiko ao anaty tanana feno poa-basy.

Amin'ny fampiasana ny tarigetra hoe “Manapika Fakantsary Fa Tsy Manapoaka Basy”, ny tanjon'i Alberto dia ny hampiseho ny lafiny maha-te-ho-tia an'i Caracas, renivohitr'i Venezoelà. Ao amin'ny hafatra “Flying Bags”[Harona Manidina] no ampisehoany ankizy any an-trano barikan'i Caracas mampiasa harona fa tsy papangohazo:

Flying bags

Vao nanapika ny sarin'ny Tsenan'ny fanaka vita bakoly Shinoa ihany koa i Alberto:

Banner reads: "Every day, everything on sale"

Afisy milaza hoe: "Isanandro, amidy daholo ny zava-drehetra"

Indreto indray ny sasantsasany tamin'ny kanto an-drindrina nopihany tao Caracas:

Fialofam-biby iray:

Ary mbola misy hafa.

Raha tianao ny hijery sary mahatalanjon'i Caracas hafa dia mamandriha amin'ny fahan'ny Caracas Shots’ ary araho ao amin'ny Twitter i Alberto (@chamorojas) sy Pinterest.

Nahazoana alalana avy amin'i Alberto Rojas avokoa ny sary rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.