Shina: Tetikasa Ao Amin'ny Atetineto Entina Hanampiana Ireo Mararin'ny Pneumoconiose

Ny Pneumoconiose dia aretina maherivaika mahazo ny havokavok'ireo mpiasa vokatry ny fifohana vovoka. Araka ireo antontan'isa ofisialy navoakan'ny governemanta Sinoa, tamin'ny 2010, olona 676.541 no hita fa nararin'ny pneumoconiose ary amin'izy ireo dia olona 149.110 no maty vokatr'io aretina io. Ny salan'isan'ny fahafatesana tamin'izany dia niakatra ho 22.04%.

Mety ho mbola goavana noho izany ny loza tena izy naterak'io aretina io, satria dia tsy nailika tsy ho anatin'ireo antontan'isa mikasika ny aretina mahazo ny mpiasa ireo ny mpiasa mpifindra monina avy any ambanivohitra izay sady tsy voaaron'ny rafitra fiarovana sosialy ihany koa.

Natsangana ny tetikasa fanampiana iray nataon'ireo mpampiasa aterineto , “Love Save Pneumoconiosis” ny tapaky ny taona 2011 ary vao haingana dia namokatra lahatsary iray ho fisoloana vava io vondrona io mba hanazavana ny raharahan'ireo mararin'ny Pneumoconiose any ambanivohitra any Shina (jereo eto ambany).

Nandika teny ireo soratra mandady amin'io lahatsary io ny Acopy.net. Eto ambany ny teny fampidiran'io lahatsary io:

Vondronà iray manokana, mpiasa mpifindra monina avy any ambanivohitra : mpitrandraka, mpiasa amin'ny fananganana trano, mpiasa amin'ny tonelina ary mpitsabo aretin-tsaina.

Asa sy vovoka. Niara-niasa ho an'ny fandriampahaleman'ny tanàna tamin'ny hatsembohany izy ireo.
 Mandoa ny sandan'ny tranontsika tsara tarehy amin'ny fahatanorany izy ireo
. Tokony homena fankasitrahana am-pifaliana izy ireo, nefa ny nofinofiny tsara indrindra dia ny hahafahany miaina mifoka rivotra.

Ny nofinofin'izy ireo dia ny hamelomany ny ankohonany. Mba hanatanterahany izany nofinofy izany, nandao ny tanindrazany izy ireo ary nizotra nankany amin'ireo toerana fananganana sy fitrandrahana ambanin'ny tany…

“大爱清尘”宣传片:数百万尘肺病农民被死亡威胁 from A Copy Workshop on Vimeo.

Ilay mpanangom-baovao sy mpamotopototra malaza Wang Keqin avy any Beijing no lehiben'io tetikasa io. Nanazava [zh] ny hevitra fonosin'ny firotsahany hanao izany izy tao anatin'ny bilaoginy tamin'ny Desambra 2011:

A pneumoconiosis patient in Gansu. Photo taken from Li Keqin's blog.

Mararin'ny pneumoconiose iray any Gansu. Sary nalaina tao amin'ny bilaogin'i Li Keqin.

许多人都在问,王老师,你为什么那么热衷救援中国尘肺病农民工?我的回答很简单:如果没有高考制度,我可能就是一个在煤窑打工的矿工,我也许就会成为一个在死亡线上苦苦挣扎的尘肺农民。
对于我的死活!当用工企业拒不负责、当相关部门置若罔闻、当债台高筑无力救治的时候,作为个体的生命,我想活下去——我渴望有人拉我一把,从死神那里把我抢回来!

Maro ireo olona manontany ahy, ry mpampianatra Wang, maninona ianao no toa mazoto ery hanavotra ireo  mpiasa any ambanivohira izay mararin'ny pneumoconiose ? Tsotra ny valinteniko: raha tsy nisy io rafitry ny fanandinana eny amin'ny  anjerimanontolo io, mety ho lasa mpiasa mpitrandraka arintany aho ary mety ho lasa iray amin'ireo mararin'ny pneumoconiose, miady hanavotra ny aiko.
Rehefa mandà tsy handray ny andraikiny ireo orinasa, minia tsy mijery ny olana ireo sampan-draharahan'ny governemanta, raha misy iray tsy manam-bola hitsaboan-tena nefa te hiaina — Manantena aho fa [raha tamin'izany toerana izany aho] hisy olona hanampy ahy sy hanafaka ahy amin'ny fangejan'ny devoly.

作为一个新闻记者,我最早对尘肺病这三个字的了解,源于自己的一次采访。上世纪九十年代中期,作为《甘肃经济日报》的记者我在采访一乡村煤矿的产权纠纷时,认识了这里负责挖煤的副矿长老黄。和他在一起的时候,看到他常常咳嗽的上气不接下气,后来得知他是因长期在煤矿挖煤,接触了大量煤矿粉尘患了职业病,就是现在说的尘肺病。
没几年,他的工友来电,老黄死了,被尘肺病活活憋死了。
一个阶段,老黄的笑容总是出现在我的眼前,挥之不去。

Amin'ny maha-mpanao gazety ny tenako, nahita izany teny “pneumoconiose” izany aho rehefa nanao fitateram-baovao tamin'ny tapaky ny taona 1990. Niasa tao amin'ny Gansu Economic Daily aho tamin'izany fotoana. Mikasika adinà tompona toby iray fitrandrahana arintany izany tantara izany. Nitafatafa tamin'ilay Tale Lefitr'io fitrandrahana io, Old Huang, ny tenako. Tsy nitsahatra nikohaka izy nandritra ny tafatafa ary niteny ahy fa aretin'ny havokavoka vokatry ny asa avy amin'ny vovoka ao anatin'io toby fitrandrahana io izany, ankehitriny fantatra amin'ny anarana hoe pneumoconiose.
Taona vitsy taty aoriana, niantso ahy ny mpiara-miasa taminy ary niteny ahy fa maty sempotra noho ny peumoconiose i Old Huang.
Efa fotoana maharitra izao, mbola mijanoona ato an-dohako ny endrika miramiran'i Old Huang.

此后比较集中的关注尘肺病源于2009年。这年12月,当时在甘肃工作的当地媒体记者火兴才打来电话,说甘肃省古浪县有一百多个农民集体患上尘肺病,已有数人死亡,其他人的情况也很糟糕。农民求助媒体,地方媒体不让报道,期望我能关注。

Avy eo tamin'ny 2009, mbola nanintona ny saiko indray ny pneumoconiose. Ny Desambra, nahazo antso avy tamina mpitatitra any Gansu aho izay niteny fa mihoatra ny 100 ireo mpiasa mpifindra monina any ambanivohitra no mararin'ny pneumoconiose. Ny sasany maty ary ny hafa kosa dia marary mafy. Nikatsaka ny hisintona ny sain'ny media ireo mpiasa mpifindra monina ireo nefa tsy afaka nitatitra izany raharaha izany ny media tao an-toerana. Nanantena izy ireo fa afaka ny hanampy ny tenako.

Nandefa mpanadihady tany Gansu i Wang mba hitatitra io raharaha io. Na teo aza anefa izany, ts afaka nanampy ireo marary, izay an-dalàm-pahafatesana  izany tatitra izany. Maty tsirairay ireo natao fanadihadiana tamin'ny 2010. Nanapa-kevitra ny hanisaka ny fitaterany ho ao amin'ny sehatra fiadin-kevitry ny media sosialy ao amin'ny Weibo i Wang mba hanintona ny sain'ny vahoaka tamin'ny Desambra 2010, ary maro ireo mpampiasa aterineto no nihetsika avy hatrany mba hanampiana:

12月25日,“北京厨子”等人到达古浪,通过微博呼吁,更多的网友也紧随前往。一场【拯救121位古浪尘肺病农民兄弟大行动】启幕。

Ny 25 Desambra [2010], nankany Gulang ireo mpampiasa aterineto anisan'izany ny ‘Beijing Chef‘ sy ireo hafa. Maro ireo mpampiasa aterineto hafa no nanaraka azy ireo. Miaraka, nanomboka ny ‘Hetsika ho an'ny Rahalahy Tambanivohitra Voan'ny Pneumoconiose any Gulang’.

“北京厨子”等志愿者开始通过网络筹款,并组织几位患者到北戴河医院进行洗肺救治。
在媒体在强大压力下,甘肃省社保厅在接受焦点访谈采访时,表态要启动600万紧急救助。
接着,甘肃省武威市开始动员干部群众捐款数百万元。春节后,甘肃政府在强大的舆论压力下,正式决定由政府筹集专项基金1108万元,接盘古浪全体尘肺病农民的救治。

Nanokatra kaonty fangatahana fanampiana tety anaty aterineto i Beijng Chef sy ireo mpirotsaka an-tsitrapo hafa ary nifandamina mba handefasana marary iray any amin'ny Trano Fitsaboana ao He any Beidai mba hahazo  ny “fitsaboana fanadiovana tanteraka ny havokavoka”.
Teo ambanin'ny famoretan'ny hevi-bahoaka dia nanome toky ny Birao Fiahiana ara-tsosialy, faritanin'i Gansu, tanatina fanadihadian'ny media iray fa hampiasa ireo vola 6 tapitrisa [RMB] fampiasa vonjimaika izy ireo mba hanampiana ireo marary.
Nanao fampielezan-kevitra hangatahana fanampiana ihany koa ny tanànan'i Wuwei ao amin'ny faritanin'i Gansu teny anivon'ireo mpiasam-panjakana ary nahazo tapitsisa RMB vitsivitsy. Taorian'ny fetiben'ny lohataona, voapotsitry ny hevi-bahoaka, nanome fanampiana 11 tapitrisa [RMB] ny governemantan'i Gansu mba hanohanana ny fitsaboana ireo mararin'ny pneumoconiose any Gansu.

Natsangan'ny China Social Assistance Foundation tamin'ny Jona 2011, fanamafisana ny ezaka tsy tapaka ataon'ireo mpampiasa aterineto amin'ny fanampiana ireo mararin'ny pneumoconiosis any Shina io tetikasa “Love Save Pneumoconiosis” io. Mampiasa ny Weibo io tetikasa [zh] io hanangonam-baovao momba ireo mararin'ny pneumoconiose any amin'ny faritra ambanivohitra sy hitaterana ny asan'io tetikasa io sy ny fandaniana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.