Tontolo Arabo: Fisaonana Ny Nahafatesan'i Anthony Shadid

Tamin'ny 17 Febroary 2012, nanohina ny fon'ny mpamaky ny vaovao maneran-tany ny naheno vaovao mampalahelo mikasika ny nahafatesan'ilay Solontenan'ny New York Times any  amin'ny faritra Atsinanana afovoany tao Syria, Anthony Shadid teo amin'ny faha 43 taona. Araka ny tatitra voaray dia vokatry ny fahasemporana mahery nohon'ny tsy fahazakany manatona akaiky soavaly no nahatonga izany.

Shadid, Libane mizaka ny zom-pirenena Amerikana, dia nohajaina tokoa  tamin'ny fahaizana mitatitra vaovao ao amin'ny faritra misy azy. Nibata ny amboara Pulitzer tamin'ny taona 2004 sy 2010 nohon'ny nanaovany tatitra mikasika ny fanafihan'ny Amerikana an'i Iraka ary ny ady sy fifandirana nisy tany. Tamin'ny taona lasa,  nanao tatitra momba ny tranga niseho tany Ejipta, Libia izy (toerana izay nisamborana azy niaraka tamin'ny mpiara-miasa taminy telo avy amin'ny Times), ary ny haingana indrindra dia ny tany Siria.

Photo by Terissa Schor (CC-BY-SA 2.0)

Sary avy amin'i Terissa Schor (CC-BY-SA 2.0)

Nandefa bitsika  ilay mpandraharaha Libane Habib Haddad:

Misaona ny fahafatesan'ny olona matsilo saina iray isika androany! RIP #AnthonyShadid http://bit.ly/zohXFW

Misaona ny nahafatesan'i Shadid i Anissa Helou, hoy izy:

Tena malahelo mafy noho ny nanjo an'i Anthony Shadid. Tena manan-danja ny sanganasany rehetra ary fantany ny zavatra tsapan'ny olona arakaraky ny tranga miseho. RIP

Naneho fiaraha-miory tamin'ny fianakavian'ny maty ilay mpanao gazety antsoina hoe Ahmed Shihab-Eldin izay  nibitsika  mikasika ny fankafizany an'i Shadid, vao haingana kely izay

Anio alina dia hatory sy handefa fisainana any amin'ny vadin'i Anthony, i Nada Bakri, sy ny zanany ary ireo lova manan-kasina izay navelan'i #AnthonyShadid aho.

Nizara fihetseham-po mitovy amin'izany ilay Saodiana Muna AbuSulayman tsara fo sy mpitsetra olona:Mirary fiononana ho anareo aho. Nataon'i mpanao gazety rehetra modely Andriamatoa  Shadid. Ny fahabangana eo aminareo dia ifampizaranay Arabo-Amerikana rehetra @nadabakri

Niteny tamin'ny anaran'ny vondrom-piarahamonina Arabo-Amerikana koa ilay mpanao gazety Tamer El-Ghobashy. Nanamarika  izy fa tena nahatontosa asa sarotra i  Shadid satria be ireo olona mpanenjika azy. Hoy izy nanampy izany:

I Anthony no Arabo -Amerikana tena nanana ny naha-izy azy indrindra teo amin'ny taranatsika ary tsy nisehoseho tamin'izany izy. Lehibe noho ny fahamendrehany izy.

Nanambara i Ashraf Khalil, ilay mpanoratra mipetraka any Le Caire raha niresaka momba an'i  Shadid:

Samy maniry ny hitovy aminy isika, ary tsy misy fialonana na fankahalana izany satria izy dia olona tsara fanahy sady mendrika.

Nanoratra momba an'i  Shadid ilay Palestiniana @Falasteeni:

Tena nalahelo mafy nandre hoe nindaosin'ny fahafatesana  i   Anthony Shadid. Zana-tohatra iray ambonin'ny hafa hatrany izy teo amin'ireo fampahalalam-baovao nahazatra hatramin'izay, sady mpanoratra namiratra.

Teny tsotra no nambaran'i @BSyria raha niresaka momba ny iraka farany notanterahan'i Shadid tany Siria.

Tena tsy manan-kambara aho. Misaotra anao ry @anthonyshadid.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.