Espaina: Nandrahona Mpitolona Amin'ny Fehikibony ny Filohan'ny Mpanao Gazety

Nanantosa fampiratiana sary fiarahan'i Israely sy i Espaina tamin'ny Alarobia 7 Martsa teo tao Granada, Espaina ny Filohan'ny Mpanao Gazety ao Granada, Antonio Mora, raha nitsofoka tao amin'izany efitrano izany ireo mpitolona manohitra ny fibodoana avy amin'ny fikambananna antsoina hoe Plataforma Andalucía con Palestina (Sehatra Andaloziana miaraka amin'i Palestina). Nitondra saina Palestiniana izy ireo ary nanomboka niantsoantso hoe “Ataovy Fahirano i Isiraely” sy hoe “Tsy ekena ny faneren'ny Sionista” ho fanoherana ny fanohanan'i Espaina ny fidoboan'i Israely an'i Palestina ka manao karazana hetsika tahaka izao rehefa misy ny hetsika ofisialy

Tsy nivoaka ny efitra ireo mpitolona raha nilaza tamin'izy ireo i Mora mba hangina, hita fa tsy andriny ny nivoahan'izy ireo ary tezitra noho ny fijanon'izy ireo tao izy. Inona indray no hitranga manaraka? Toa fantatra sahady ny valinteny ka ianao ihany no tokony hijery izany manokana. Ity ny rohy misy ny lahatsary

Pika-tsary tamin'ny lahatsary nandritra ny fihazonan'i Antonio Mora ny fehikibony handeha hanantona ilay mpitolona.

Fihetsika manafintohina, naka ny fehikibony i Mora ka nanangana izany toy ny hikapoka vehivavy iray tao, vehivavy iray hafa kosa naka sary izany tranga izany tamin'ny findainy. Sekondra vitsy avy eo, nampidininy ihany ny fehikibony ka niezaka nanosika ilay vehivavy hafa hivoaka ny efitrano izy

Ny fandrenesana fa avy amin'ny lehiben'ny fikambanan-gazety ny fihetsika no niteraka fahasosorana sy fisalasalana teo amin'ireo mpiserasera Espaniola, izay nameno ny Twitter tamin'ny alalan'ny fanehoan-kevitra ary namorona tenifototra mihitsy aza tamin'ny anaran'ny filohan'ny fikambanana: #antoniomora.  Mpanao gazety Espaniola Juan Luis Sánchez ni-tweet hoe:

Lo que da miedo no es que se ponga violento, sino su gesto de sacarse la correa y doblarla friamente. Como si lo hubiera hecho antes.
Ny mampivarahontsana dia tsy noho izy nanjary mahery fihetsika, fa ny fomba nangalany ny fehikibony, sy ny nampidirany izany indray tamin'ny fomba tsy taitra. Tahaka ny hoe efa nataony taloha ilay izy

Mpanao gazety Lydia Molina nitovy hevitra tamin'izany:

Lo más perturbador es la tranquilianaodad con la que se quita la correa para pegarle a la chavala. No será la primera vez.

Ny tena manelingelina dia ny fomba nangalany ny fehikibony hikapohana ilay tovovavy. Mety tsy vao voalohany izao.

Nitaky ny fametraham-pialana an'i Mora ny sendikàn'ny mpanao gazety Andalucía. Ka nametram-pialàna avy eo i Mora. Araka ny filazan'ny mpikambana ao amin'ny sendikà:

Consideramos esta conducta inaceptable por entender que la actitud del Presidente de la Asociación es más propia de otros tiempos vividos en España durante la dictadura franquista en la que a mujeres, niños y animales se les pretendía corregir sus actitudes o castigar a golpes de correa.
Tsapanay fa tsy azo ekena izany fitondrantena izany. Mampatsiahy anay ny fotoana nipetrahanay tao Espaina nandritra ny fitondrana didy jadona  Franco izany, izay voasazy ny vehivavy, ny ankizy ary ny biby raha misy fihetsika kely tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.