Mitady Tonian-dahatsoratra Hitatitra Vaovao Avy Any Azia Afovoany

Mitady tonian-dahatsoratra miasa tapak'andro ny Global Voices (GV) mba hanara-maso  ny fandrakofana an-gazety ny vaovao mitranga  avy any Azia afovoany.

Ny tonian-dahatsoratra no miandraikitra izany fandrakofana an-gazety izany sy ny mandrindra ny fisafidianana ireo mpirotsaka an-tsitrapo. Izy ihany koa no mpamokatra sy/na mpamoaka ireo tantara notrandrahana fatratra isan-kerinandro, hatraminà lahatsoratra fohy miampy rohy mankany aminà lohahevi-dehibe maro, tranga, ary zava-boasoratra arakaraky ny fisehony eo. Tafiditra ao anatin'ny asa aman'andraikiny ihany koa ny fandikan-teny, fanadihadiana, sy ny famoahana azy, mba hampazava azy kokoa sy hampivoitra fironana, hevitra, ary ny zava-mitranga eo amin'ny haino aman-jerin'ny mponina eo amin'ny resaka sosialy sy politika ao Azia afovoany.

Ny tonian-dahatsoratra no tomponandraikitra voalohany amin'ny famatsiam-baovao feno sy malalaka araka izay tratra hita any amin'ny haino aman-jerin'olon-tsotra any amin'ireo firenena rehetra any amin'ny faritr'i Azia Afovoany, toy izao manaraka izao:

Fitadiavana: miezaka mitady araka izay tratra mpanoratra hitatitra ny zava-mitranga any amin'ny firenena rehetra ao amin'ny faritra misy azy; mandamina ny famoahana avy amin'ireo mpanoratra, manitsy sy mamoaka lahatsoratra; ary mikolokolo ny vondrona Google an'ny faritra.

Mampiditra ao amin'ny vohikalan'ny Global Voices:

  • lahatsoratra 3-4 isan-kerinandro. Mety nosoratanà mpanoratra tsara sitrapo izy ireny na nosoratan'ny tonian-dahatsoratra. Tsy azo adinoina fa ny lahatsoratra sasany (indrindra indrindra fa ireo mila adika teny) dia mila fahaizana manitsy.
  • “vaovao farany” 3-6 isan-kerinandro. Ireo lahatsoratra ireo koa dia mety nosoratanà mpanoratra tsara sitrapo na ny tonian-dahatsoratra. Fohy izy ireo ary iray ihany ny rohy hita ao aminy.

Tati-baovao manokana: Amin'ny fotoanan'ny hamehana, dia miezaka mampakatra lahatsoratra maro arak'izay tratra, arak'izay haingana, ary arak'izay ilaina.

Raha toa ka misy  liana amin'izany, dia alefaso ny CV sy ny taratasy maneho ny fahavononana izay manazava fa ianao no mpirotsaka mahafeno ny fepetra rehetra ilaina amin'io asa io: adminjob AT globalvoicesonline DOT org

Ny faha 21 Martsa 2012 no andro farany andraisanay ny antontan-taratasy rehetra mikasika io fangatahana asa io.

Jereo ny takelaka misy ny tolotr'asa  hafa ato amin'ny vohikala Global Voices.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.