Goatemala: Famporisihana Ireo Vondrom-piarahamonina Amin'ny Alalan'ny Milina Voizin-tongotra

Pedal Powered Corn Mill by Maya Pedal

Fampisehoana ny milina fitotoan-katsaka ao Atitlan ataon'i Maya Pedal

Maya Pedal dia fikambanana iray ao Goatemala izay manokan-tena amin'ny fitondràna fampandrosoana amin'ny alalan'ireo bisikilety efa avy nampiasaina. Ireo izay mbola azon-dry zareo tsaboina, dia mahazo aina vaovao indray satria lafo ny fitaovam-pifamoivoizana eny an'arabe ao Goatemanala ary ireo izay tsy ho azo ampiasaina intsony kosa dia avadika ho milina voizin-tongotra hanampy amin'ny fiainana andavanandro tahaka ny fisintonana rano, fiotazana popocorn, fitotoana koba, fanafangaroana voanjavatra ary fanamboarana tafo taila.

Araka izay voasoratra mikasika izany ao anatin'ny Central American Politics (Politikan'i Amerika Afovoany) sy ny Tanonkala Earth911, ny tetikasa Maya Pedal dia manome ireo fitaovana tena ilaina ho an'ireo vondrom-piarahamonina tsy manana herinaratra na solika. Ity lahatsary manaraka misy dikanteny amin'ny teny Anglisy ity dia mampiseho ny sasany amin'ireo milina sy ireo olona ao ambadik'ilay tetikasa.

Avy ao amin'ny tranonkalan'ny Maya Pedal :

Ny herin'ny fivoin-tongotra dia azo trandrahana ho aminà fampiasàna maro tsy tambo ho isaina izay mety mila herinaratra raha tsy misy azy (izay mety tsy hisy mihitsy eo an-toerana) na herin'ny ahodin-tànana (izay mandreraka lavitra). Ireo Bicimaquinas dia mora ampiasaina no sady mahafinaritra. Azo atao ny manangana azy ireo avy amin'ny alalan'ny zavatra misy eo an-toerana ary azo ampifanarahana tsara amin'ny filàn'ny mponina eo an-toerana. Manafaka ireo mpampiasa azy amin'ny fividianana angovo lafo izy ireny, azo ampiasaina na aiza na aiza, mora karakaraina, tsy mandoto ny tontolo ary manome fanantanjahantena mahasalama.
Manamboatra ihany koa izahay paompy fisintonana rano, fitotoana koba, fitotoana vary, fanaovana tafo taila, fiotazana voan-javatra, fanafangaroana  (ho an'ny fanaovana savony sy shampoos hatramin'ny sakafo), fiara fitarika sy maro hafa…..

Maya Pedal dia manome ihany koa torohevitra sy drafitra fanorenana ho an'ny sasany amin'ireo karazany noforonin-dry zareo ary be mpampiasa indrindra mba ho mora amin'ny olona ny hanangana ny “bicimáquinas” azy manokana, izay antsoin-dry zareo hoe milina voizin-tongotra toy ny bisikilety.

Azonareo atao ny mijery sy sasany amin'ireo milina sy ny asa iarahana amin'ireo vondrom-piarahamonina ao anatin'ity lahatsary misy andiany 3 ity izay noraketin'ny Maya Pedal tamin'ny taona 2003 :  mila avy any amin'ny dingana famoronan-dry zareo fitaovana arakaraky  ny filàn'ireo tantsaha, tonga hatrany amin'ireo fihaonan'ny vondrom-piarahamonina izay anoloran-dry zareo ny miliny sy ireo olona mianatra ny fampiasàna azy ireny. Mampianatra ny olona ihany koa izy ireo ny amin'ny fomba hamoronana sy hikojàna ireo milina voizin-tongotra, zavatra tsy maintsy ilaina raha toerana lavitra no hitondràna azy ireny.

http://www.youtube.com/watch?v=nrqbtUKpSjo
http://www.youtube.com/watch?v=-Uzr1TY5bMY
http://www.youtube.com/watch?v=mtyNFs2aFxA

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.