Sri Lanka : Famoretana Ny Hetsi-panoherana Noho Ny Fidangan'ny Vidim-piainana Amin'ny Anaran'ny Filaminam-Bahoaka

Mikorosofahana ny toekaren'i Sri Lanka ankehitriny, miakatra ny vidim-piainana sy ny hetra ka miteraka hetsi-panoherana marobe izany. Nandray fepetra feno herisetra ny polisy sy ny tafika hamoretana ireo mpanao fihetsiketsehana, ka marobe ireo namoy ny ainy tao anatin'izay volana maromaro lasa izay.

Ratmale tao amin'ny bilaogy Serendipity nanazava hoe :

Ao anatin'ny fotoan-tsarotra izahay ankehitriny amin'ny fitantanam-bolanay manokana ary tsy hisy fiovana izany raha tsy misy farany na fe-potoana farany izao fiakaran'ny vidim-piainana izao, ary raha mbola eo koa ny  fampihenana ny sandam-bola roupie. Nilaza ireo manam-pahaizana fa tsy azo iàlana izany, mbola mandia fotoan-tsarotra ny governemanta, fa nahoana no tsy niloa-bava mihitsy izy ireo nandritra izany fotoana izany? Satria nahavita namoaka vaovao tsy marina ny governemanta mikasika ny toe-bolan'ny firenena.

Sayanthan, mpianatra informatika sy paikady momba ny orinasa, nizara ny traikefany :

Andro vitsy lasa izay, namely mafy antsika ny krizin'ny vidin-tsolika. Tamin'ny Alatsinainy, raha nivoaka handeha hiasa aho, tsy nahita fiara fitaterana mihitsy ka voatery nandray fiarakaretsaka kodiaran-telo handeha hamonjy birao. Avy eo ny ampitson'iny, raha nanome 20 roupie tamin'ny diako mianga ao Bambalapitiya hatrany Galle aho, dia nilaza ny saofera fa efa niakatra ny saran-dalana. Tsy fantatro mihitsy ny fisian'izany fiakaran'ny saran-dalana izany ka noheveriko fa tena misy, avy eo tsapako fa very ny vola roupies keliko.

Ao an-tanànam-panjonoana ao Chilaw, mpanjono an'arivony no namonjy ny diabe fihetsiketsehana mitaky ny fampihenana ny vidin-tsolika. Nifampitana tamin'ny polisy izy ireo, izay nitifitra azy ireo avy eo. Olona iray no namoy ny ainy ary marobe ireo naratra.

Nigel V. Nugawela nanoratra tao amin'ny Groundviews :

Hita tokoa ny governemanta fa tena mankafy ilay “na ianareo miaraka aminay na manohitra anay”, izay midika -tao anatin'izay taona maro lasa izay – fa fanafihan'ny be sandry no miseho eny an-dalana, miaraka amin'ny ompa variraraka manoloana ireo mpitolon'ny fiarahamonim-pirenena. Arak'izany, mijery akaiky ny fandriampahaleman'ny vahoaka ve ny governemanta? Raha ny fandriampahaleman'ny vahoaka no anisan'ny vaindohan-draharahany, nahoana  no novonoin'ny tafika sy ny polisy ny mpanao fihetsiketsehana teny an-dalana  ? Sa ve famaizana mba hanakanana ny fiterahan'ny hetsi-panoherana lehibe izany? Raha ny filaminam-bahoaka no tanjona, tsy azo nialana ve fa ny famonoana mahatsiravina natao tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana nataon'ny polisy sy ny tafika, dia mety hampitombo ny tahan'ny fifandonana mahery vaika any aoriana any?

Nigel nanazava bebe kokoa :

Noho ny tsy fahombiazana fanao teo aloha amin'ny fanerena amin'ny fitondrantenan'ny mpitandro ny filaminana sy ny polisy mifandona amin'ny mpanao fihetsiketsehana- tao Navanthurai, Pottuvil, Kinniya, Puttalam, Katunayake ary tany an-kafa – sy ny tokony handraisana fepetra sahaza noho izany olana izany, no tokony hiatrehantsika ny loza mahatsiravina toy ny tao Chilaw. Toa hita fa tsy menatra mihitsy ny governemanta mampiasa foana ireo tafika mba hanajana ny filaminam-bahoaka na dia efa fikorontanana tanteraka aza no afitsok'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.