Pôrtô Rikô: “Sary Iray Ve Dia Atahorana Mafy?”

Lahatsoratra avy tamin'ny mpanao gazety mpaka sary Ricardo Alcaraz ny gazety-boky an-tserasera 80 Grados tamin'ity herinandro ity no nilazany fa ny filohan'ny oniversite an'i Puerto Rico, Miguel Muñoz no nanasivana ny iray tamin'ireo sariny [es]nokarakarainy noho ny fitsingeranan'ny faha-25 taona nivoahan'ny gazetin'ny oniversite mivoaka isam-bolana Diálogo. Alcaraz sisa no hany mpanao gazety tokana tavela tamin'ireo ekipa tao voalohany tamin'izany.

Izany sary izany dia nopihana nandritra ny grevin'ny mpianatra ao amin'ny Oniversiten'i Pôrtô Rikô tamin'ny taona 2010 ary mampiseho sarina polisy mitabataba amina mpianatra vehivavy mila vonjy. Nanambara i Alcaraz fa sahirana ihany ny filohan'ny oniversite tamin'ny nahita voalohany ny sasany tamin'ireo sary:

En estos días está circulando la más reciente edición de Diálogo, cuya portada está dedicada a los 25 años del periódico. En este número estaba supuesto a publicarse en dos de sus páginas un foto-ensayo, con una selección que hice de las imágenes más representativas de mi trabajo en estos 25 años, pero no salió. Fue censurado por la nueva directora de Diálogo, porque el presidente de la Universidad de Puerto Rico (UPR), Miguel Muñoz, objetaba algunas de las fotos incluidas en el ensayo.

Teo ampivoahana indrindra ny laharana farany amin'ny gazety Diálogo tamin'izany andro izany, laharana natokana noho ny faha-25 taonan'ny gazety ny fonony. Amin'io lohahevitra io noheverina , roa amin'ireo pejy no tokony hametrahana sary tantara anaty pejy roa, amin'ny alalan'ny fanatsongana sary mahasolontena indrindra tamin'ny asako nandritra izay 25 taona lasa izay, saingy tsy navoaka anefa ireo. Nosakanan'ny tale vaovaon'ny gazety Diálogo, satria nolavin'ny filohan'ny Oniversiten'i Porto Riko, Miguel Muñoz, ny sasany tamin'ireo sary tafiditra tanaty tantara.
This photo by Ricardo Alcaraz of the 2010 student strike was to be published on the 25th anniversary of Diálogo. The paper's director did not want the photo used because of objections by the university's president. Rather than taking the photo out, Alcaraz decided to retire the photo essay altogether. Photo published with Alcaraz's permission)

Avy amin'i Ricardo Alcaraz ity sary ity tamin'ny taona 2010, tokony navoaka tamin'ny fankalazana ny faha-25taona nivoahan'ny Diálogo ny grevin'ny mpianatra .Tsy navelan'ny talen'ny gazety navoaka ny sary noho ny fanoherana avy amin'ny filohan'ny oniversite. Mba tsy hangalana indray ny sary, Alcaraz nanapa-kevitra nanaisotra ny sary fanadihadiana rehetra. Nahazoana alalana tamin'i Alcaraz ny famoahana ny sary)

Na dia izany aza, taorian'ny dinidinika teo amin'i Alcaraz sy ny talen'ny gazety, niompana tamin'ny sary iray misy ny grevin'ny mpianatra (io ambony io) ny dinidinika, ka nanapa-kevitra nanala ny sary rehetra i Alcaraz:

Se me pidió que la reconsiderara; que si retiraba o cambiaba esta foto, el foto-ensayo se publicaba. Pero me negué, y le dije a la directora que si yo retiraba esa foto con tal de publicar el resto de las imágenes, eso sería faltarme el respeto a mí mismo. Resultado: el ensayo no se publicó.

Nangatahana aho mba handinika tsara; fa raha manaisotra na manolo ny sary aho, dia havoaka ny sary tantara rehetra. Saingy nolaviko, ary nilaza tamin'ny tale aho fa raha esoriko ilay sary iray mba ahafahana mamoaka ireo sary hafa fotsiny, dia tsy manaja ny tenako aho. Vokatr'izany: tsy navoaka ny [sary] tantara.

Nalahelo i Alcaraz fa toy izany ny fanapaha-kevitry ny mpitantana nentina nankalazana ny faha-25 taona nivoahan'ny Diálogo:

Así celebra esta administración universitaria los 25 años del periódico: con la intolerancia y la censura.

Toy izany ny fomba nentin'ny mpitantana ny oniversite nankalazana ny faha-25 taonan'ny gazety: tsy fahazakana sy sivana.

Tsy nisy izay tsy nahatsikaritra ny zava-nitranga tamin'i Alcaraz. Olona am-polony no namoaka indray ny sary nosivanina tao amin'ny rindrin'ny Facebook-ny ary nizara ny rohin'ny tantara tamin'ny 80grados tao amin'ny Twitter. Nisy ny firaisankina sy fanehoana fahatezerana faobe.

Tsy mazava ny antony mahatonga ny mpitantana mandà ny famoahana ilay sary, ary nanontany tena i Alcaraz

¿Por qué se le teme tanto a una imagen? ¿Realmente tiene tanta fuerza? ¿Influye tanto? ¿Por qué tanto empeño en impedir que se vea?

Nahoana no sary iray no atahorana mafy? Manana hery lehibe ve? Manintona be ve? Nahoana no mikiry mafy mba tsy hahitana izany sary izany??
* Efa namoaka ny sarin'i Ricardo Alcaraz marobe ny Global Voices Porto Riko nandritra izay taona vitsivitsy izay. Tsidiho ny Fitantarana manokana momba an'i Fihetsiketsehan'ny Mpianatra ao Porto Riko tamin'ny taona 2010/11 ary, vao haingana indrindra teo ny, Diabem-panoherana ny Pipeline.
 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.