Arabia Saodita : Fibitsihana Ny Fitokonana Tsy Hihinan-kanina Ataon'i AlBajady

Nanambatra ny heriny ireo Saodiana mpampiasa aterineto ny alin'ny 04 Martsa 2012 mba hibitsika momba ny  zava-nanjo an'i Mohammed Albajady, Saodiana iray 34- taona, mafàna fo izay nogadraina herintaona noho ny vesatra sy fitsarana mitanila, ary nanao fitokonana tsy hihinan-kanina efa ho tapa-bolana ho fanoherany ny fiazonana azy.

Ny hetsika teo anivon'ny aterineto dia nanaraka indrindra ilay ezak'ireo Barhainy mpampiasa ny aterineto, izay niaraka tamin'ny fanampiana'ireo Arabo sy mpampiasa Twitter manerantany, dia afaka nametraka ho lohahevitra manerantany ny tenifototra hoe #Hungry4BH ho fanohanana ireo gadra politika rehetra, indrindra fa ilay mpiaro ny zon'olombelona sy mafàna fo Abdulhadi Khawaja, izay nitokona tsy hihinan-kanina efa ho roa tokom-bolana mahery.

Nifampizaràn'ireo mpanohana ity vaovao manaraka ity mikasika an'i  Albajady :

Ny 20Mar'11 i #Albjady dia niainga avy ao Qaseem ho any  Riyadh hanohana ny hetsik'ny fianakvian'ireo voatàna tsy ara-dalàna.
Na tsy nanana fianakaviana tao anatin'izy ireny aza i #Albjady, dia nandeha nivoaka nanao fihetsiketsehana izy & nibitsika ho fanohanana ireo rehetra voatazona.
Nibitsika i #Albjady nandritra ilay hetsi-panoherana fa hoe nisy manampahefana iray nanontany azy raha toa izy ka manana havana voatàna am-ponja, ary novaliany fa fianakaviany daholo ireo rehetra ireo
Ny 21 Mar'11 ka hatramin'izao dia voatàna tsy misy vesatra iampangana azy i #Albjady na fiakarana fitsarana monja, hita tao an-tokotanin'ny Ministeran'ny Atitany, voatampi-maso sy mifatotra rojo vy amin'ny tongotra.
Ny 21Feb'12  i #Albjady dia nanomboka ny #AlbjadyHungerStrike, na fitokonan'iAlbjadytsyhihinankanina ho fanoherany ny fomba fihazonana/fitondra azy ivelan'ny voafaritry ny lalàna & ary tsy mbola nihinan-kanina hatramin'ny anio. (05 Martsa 2012)
Tamin'ilay fisamborana farany, dia natokana irery i #Albjady nandritra ny 4 volana ary avy eo dia fonja toy ny mahazatra, fitsarana miafina tsy natrehana mpisolovava

Ireto ny sasany amin'ireo bitsika nalefa teo ambanin'ny tenifototra  #AlbjadyHungers avy amin'ireo mafàna fo, mpanao gazety sy mpampiasa Twitter. i Dima Khatib, tomponandraikitra voalohan'ny biraon'ny Al Jazeera any Amerika Latina dia nanoratra hoe :

@Dima_Khatib: Mohammad Albjady dia niaro ny zon'ireo voatàna any amin'ny fonja Saodiana .. hatramin'ny naha ho isan'ny iray amin'izy ireny azy. Ankehitriny, mitokona tsy hihinan-kanina izy.

Ilay mafàna fo Saodiana, Waleed Abu Al-Khair, izay nandeha nanatrika  ny fitsarana  volana vitsy lasa izay, dia nampakatra bitsika maro nahitàna ity iray ity :

من أوائل من دافعوا عن البجادي هو الغالي عبدالهادي خواجة إبان عمله في فرونت لاين فرّج الله عنهما ‎
@abualkhair: Ny iray voalohany voasambotra tamin'ireo niaro an'i Albajady dia ilay Barhaini mafàna fo Abdulhadi Khawajah, fony izy niasa ho an'ny Frontline. Andriamanitra anie hanampy azy roalahy.

Tovovavy Saodiana iray mitondra ny anarana hoe “Ana 3arabiya,” no nampifandray ny tranga mahazo an'i Albajady amin'ny an'ireo hafa voatàna :

@Ana3rabeya: Ny Fibanjinana ny Iray ho aminà Fanentanana Anaty Aterineto dia tena Fomba iray Mahomby Tokoa Hisarihana ny Fifantohan-tsaina. TSY hoe Fanaovana Tsinontsinona/fanaovana ambany maso tsy hita ireo hafa voafonja izany.

Ilay Maoritaniana mafàna fo mpanohitra ny fanandevozana, Nasser Weddady, dia nandray anjara tamin'ny alalan'ny bitsika marobe  :

@weddady: Mametraka tsatoka iray indray eo amin'ny aty anatiny misy amin'ny kilasy antitra marary saina sy tsy refesi-mandidy & fanovàn'ny tanora ankehitriny ny #AlbjadyHungers

Jaffar Alsaffar, Saodiana iray izay nibitsika betsaka momba ireo hetsi-panoherana tao Qatif faritany atsinanana eo amin'ny fanjakàna Saodiana, dia namarika hoe  :

@jsaffar: Tsy fahitako firy izany firohotan'ireo Saodiana mpiara-dia amiko miray hina hanohana zavatra iray izany .. ary tsy zavajava-poana :’)

Khalid Ibrahim avy amin'ny Gulf Center for Human Rights nibitsika hoe:

@khalidibrahim12: Fahafahana ho an'i Mohammed Albjady, Saodiana Mpiaro ny Zon'Olombelona amin'izao fidirany amin'ny andro faha-13 Itokonany Tsy Hihinan-kanina izao taorian'ny 1 taona nihazonana azy tsy ara-dalàna.

Ny anabavin'i Abdulhadi Al-Khawaja, ilay Bahraini mafàna fo nitsoa-ponenana, Maryam Al-Khawaja, dia nibitsika ho fanohanana azy :

@MARYAMALKHAWAJA: #albjadyhungers satria tsy maintsy misy iray amintsika, sambontsamborim-poana noho ny fitenenana, fanoherana…noho ny fisiana fotsiny izao.

Ary ilay Toniziana Tounsia Hourra dia nanao fampitahana an'i Albajady sy Khader Adnan, ilay Palestiniana izay niditra taminà fitokonana tsy hihinan-kanina nandritra ny herinandro maro [ar]:

من ساند خضر عدنان فلن ينسى محمد البجادي ,الاثنان اعتقلا دون تهم ودون محاكمة مع فارق بسيط واحد من المحتل والثاني من نظامه
@tounsiahourra: izay manohana an'i Khader Adnan dia tsy hanadino an'i Mohammed Albajady; izy roa ireo dia voatàna tsy misy fiampangàna ary tsy nisy fitsaràna. Ny hany mampiavaka azy dia ny iray tànan'ireo mpibodo tanin'olona ary ny iray ny fitondrana ao aminy ihany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.