Fiombonambe Eraopeana : “Alea (non) ACTA est” ? , na tsy mbola vita ve ny fanapahana?

No ACTA – Strasbourg Photo Christophe Kaiser sur Flickr, licence CC

 

Tsy mihena ny fanentanana ny mpiondana aterineto hanohitra ny  ACTA, na ilay adika teny frantsay hoe “Accord commercial anti-contrefaçon”, ary efa manomboka mioty vokatra aza angamba. Io fifanarahana iraisam-pirenena mifandray amin'ny fizakà-manana ara-tsaina io, amin'ny fijerena miaraka ny zon'ny mpamorona, dia mikasika koa ny votoaty ety anivon'ny aterineto. Ny adihevitra ho fanamafisana, voasoratra ao anaty lahadiniky ny Parlemanta Eraopeana tamin'ny herinandro lasa, dia nahemotra hiandry ny fanambarana avy amin'ny Fitsarana Eraopeana, nangatahan'ny Kaomisiona Eraopeana mba handinika ny raharaha ny 22 Febroary lasa teo, mikasika ny maha-mifanaka an'io fifanarahana io  amin'ny lalàna iraisan'ny Fiombonambe Eraopeana.

Taurillon, ny “gazetibokin'ireo tanora eraopeana-Frantsa” dia mamaritra ny “fanomezan-damosin'i Eraopa ny ACTA” :
Raha fanambarana mifanohitra no mivoaka, tsy manana ny toerany ao Eraopa intsony ny ACTA. Saingy raha fanambaràna mankasitrana no misy, vao mainka manome vahana indroa miantaona an'ilay fifanekena ny fampakàrana ataon'ny CJUE, sady mametraka azy hanana ny lanjany no manosika koa ny fandaniana azy ho amin'ny fotoana maharitra mba hampanginana ny resabe sy hamiliana ny sain'ny vahoaka hibanjina zavatra hafa.
Jérémie Zimmermann, mpiara-mamorona sady mpitondra tenin'ny La Quadrature du Net, manentana hoe :
« Ireo solombavambahoaka eraopeana dia tsy maintsy hijhoro jisedra ny tetiky ny Caomisiona Eraopeana, izay mitady hevitra hahazoana fotoana misimisy kokoa sy hamadika ny fianakalozan-dresaka  ho toy n y tafatafa tsotra fotsiny momba ny lalàna, ary amin'izany hanohy ihany hiasa hanilihana ny ACTA. Ny ACTA dia mikendry ny hametraka fironana mankany amin'ny politika ankapoben'ny zon'ny mpamorona izay poizina mamono ny Aterineto malalaka sy ho an'ny fahalalahana. Ny Parlemanta eraopeana no fahatra farany : tsy maintsy mihetsika izy ary màka fanapahan-kevitra mazava sy mafy, raha tsy izany dia hamela malalaka ny kianja ho an'ny Kaomisiona mba hametraka teritery tsy azo ekena. »

 Ho an'ny trucbuntu, tsy tokony hidonananm-poana miandry izay fanambaràn'ny Fitsaràna any :

Ireo olom-pirenena manerana an'i Eraopa dia afaka mifandray amin'ireo solontenany ao amin'ireo kaomisiona Varotra Iraisam-pirenena (INTA) sy Indostria (ITRE), izay mihaona amin'ity herinandro ity mba hifanakalo hevitra momba ny ACTA, ka hangataka amin'izy ireo mba hanohy hiasa eo anivon'ny kaomisiona misy azy mba tsy handany ny ACTA.

Ny tranonkalan'ny Parlemanta eraopenana dia manazava ny dingana sy ny zavatra fonosin'ilay fifanarahana, ary namoaka ny B.A.-BA amin'ilay ACTA, pejy ahitàna fanontaniana sy valiny. Ny atrikasa ACTA ao amin'ny Parlemanta Eraopeana dia lohahevitra iray tao amin'ny storify nataon'ireo sampan-draharaha ao amin'ny Parlemanta  (rohy avy amin'i Asteris Masouras).
Mandritra io fotoana io, ny fikambanana AVAAZ dia  nanolotra fanangonan-tsonia tao amin'ny Parlemanta Eraopeana tamin'ny 29 febroary ahitàna sonia 2,4 tapitrisa manohitra ny ACTA. Ilay fanangonan-tsonia dia mbola misokatra hatrany :
Tena efa akaiky ny fandresena isika — ny fanangonan-tsonia matanjaka nataonjika misy sonia 2,4 tapitrisa dia nampihovitrovitra ireo tomponandraikitra ara-politika nanerana an'i Eraopa sady nanakana ireo mpanao sivana. Marefo ankehitriny ny toerana misy ny Kaomisiona Eraopeana ary manantena izy fa  ny Fitsarana dia hanome ny fanomezan-dàlana ho an'ny fifanarahana ACTA amin'ny fametraham-panontaniana vitsivitsy momba ny lalàna mikasika azy izay azo antoka fa hahazo valiny mahafa-po. Saingy raha toa isika manao izay hampanakoakoana ny feontsika androany,  dia mety ho vitantsika ny hanao izay handinihan'ny fitsarana ny rehetra mety ho fiantraika araka ny lalàna entin'ny ACTA ka hamoaka fanambarànaizay hitondra ny fanazavàna rehetra mikasika ity fanohinana ny zontsika ity, dia ny ACTA.

Tsy mila ACTA – Strasbourg. Sary : Christophe Kaiser ao amin'ny Flickr, licence CC

Ireo manohitra ny ACTA dia manohy mikolokolo  ny fitaovam-piadiany. Misy ireo fihetsiketsehana vaovao kasaina hatao indray ny 10 Marsta 2012, ary  torrentnews dia nanome  lisitra iray, miaraka amin'ity antso ity :

Tsy mampiseho ny tena zava-misy ilay lisitra, aza misalasala mifandray aminay mba hamenoana azy 😉

raha toa misy mihevitra fa manana ny fanahinà mpitatitra vaovao amin'ny alalan'ny sary mianinga avy any anatiny any, dia mitady mihitsy koa izahay olona mba hanao lahatsoratra kely miaty sarin'ny fizotr'ilay fihetsiketsehana, tsy dia misy sarotra loatra, toy izay natao eto ho an'i Nice, Marseille,Bordeaux ary Strasbourg.

Ho an'ireo antsipirihan'ireo singa avy amin'ny adihevitra, azo atao ihany koa ny mamaky ireo lahatsoratra, avy amin'ny tranonkala Tribune, ny 29 febroary, sy Myeurop, ny 3 martsa. Ao amin'ny  Global Voices, mijery, ho an'ny fiandohan'ireo lalàna SOPA/PIPA tany Etazonia, eto st eto. Sahala amin'ny vesaran-javatra mavesatra ny elatry ny  ACTA izao.

Ny lohateny dia aingam-panahy nosintonina tamin'ny lahatsoratry ny “Institut de recherche et d’études en droit de l’information et de la communication ” (I.R.E.D.I.C.), “Ny fahalalahana ao amin'ny aterineto : ilay sivan'ny fisarahan-kevitra“, izay maminavina ny sivana aterineto sy ny adihevitra ho fandaniana ny ACTA.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.