Hong Kong: Inona No Azo Atao Ampitsaharana Ny Fizahantany Avy Any Shina Nefa Hiteraka Eto?

Iray amin'izay mampifanolana an'i Hong Kong sy i Shina ny miteraka am-pizahantany. Araka ny antontan'isa ofisialy: 95.337 ny isan'ny zaza teraka tany Hong Kong tamin'ny 2011 ka hatramin'ny 40% n'ny zaza teraka no mpizahatany avy any Shina Tanibe ny ray aman-dreniny.

Araka ny Lalàna Fotrotr'i Hong Kong, lalampanorenana kelin'i Hong Kong, ny zaza teraka manana fiaviana shinoa dia afa-misitraka tanteraka ny zo honina sy ny zom-pirenena ao na dia samy tsy mponina ao an-toerana aza ny rainy sy ny reniny. Vokatr'izany, maro ny vehivavy bevohoka avy any amin'ny Shina Tanibe no mandeha any Hong Kong hiteraka hialana amin'ny politikan'ny zaza tokana sy hikarakarana ho avy mamirapiratra ho an'ny naterany.

Sarin ny vondrona Facebook: Andao holavina ny vehivavin Tanibe bevohoka hiteraka eto Hong Kong

Efa nanaitra ny reny tao an-toerana ny tsy fahampian'ny toera-piterahana any amin'ny hopitaly tsy miankina hatramin'ny 2009. Nipoaka ny fahatezeran'ny olona rehefa nitatitra ny gazety iray tao an-toerana tamin'ny faran'ny taona 2011 fa efa voafandrika hatramin'ny oktobra 2012 avokoa ny toera-piterahana rehetra any amin'ireny hopitaly ireny. Ho fanoherana izany toe-javatra izany, dia nahazo mpanaraka nihoatra ny 112.000 tao anatin'ny enim-bolana ny vondrona Facebook “Andao holavina ny vehivavin'ny Tanibe bevohoka hiteraka eto Hong Kong!” [nitsangana tamin'ny Jolay 2011]. Tsinian'ny reny tsy faly ihany koa fa ny firohotan'ny vehivavy bevohoka avy any amin'ny Tanibe no mampitsontsorika ny fomba fikarakarana any amin'ny toera-piterahana ao Hong Kong. Eto ambany ny zava-niainan'ny ho reny tao amina trano fiterahana nozarainy tamin'ny Facebook [Tsy azo ny rohy efa nifampizarana satria tsy miseho amin'ny besinimaro ilay olona]:

1月中我係瑪麗開刀,在產前房看見有位普通話婦穿水入院,醫生問她國內做產檢等問題,她答了很多次不知道。我開刀那天,看到醫生的schedule,只是一個上午,她已有5個手術,怪不得公立好多資深醫生都離職。

產後房有很非本地孕婦,那三日兩夜的住院,我間大房有兩個普通話人對醫護呼呼喝喝,其中一個話有小孩在深圳要她照顧,想兒科醫生盡快簽出院紙,但醫護回覆兒科ICU好爆,醫生正忙。但佢繼續嘈,我忍唔住鬧佢不要再煩姑娘,之後姑娘幫我洗傷口時訴苦,說她們日日受雙非氣,天天講普通話如在大陸工作……又話我好彩早了一天開刀,因第二日又有高危雙非衝急症,要緊急做手術,令全部預約了手術的媽媽要改時間改期!

Tamin'ny tapaky ny volana janoary dia niteraka tao amin'ny Hopitalin'ny Mpanjakavavy Maria aho. Tao amin'ny efitra fiandrasana dia nahita reny iray vaky rano miteny Mandarin. Nanontany azy momba ny taratasy fizahana mialoha ny fahaterahana ny dokotera, tsy sasatra ramatoa mamerina hoe ‘Tsy fantatro’. Tamin'ny andro fandidiana, hitako ny programan'ilay dokotera. Dimy indray maraina fotsiny. Tsy misy isalasalana raha maro ny dokotera malaza any amin'ny hopitalim-panjakana no niala tamin'ny asany. Tao amin'ny efitry ny avy niteraka indray dia maro ny reny tsy mponina eto an-toerana. Tao amin'ny hopitaly aho tao anatin'ny in-telo andro sy in-droa alina. Mitabataba amin'ireo mpikarakara ny fitsaboana ny olona mpiteny Mandarin roa. Miteny ny iray fa manan-janaka iray any Shenzhen, ka mangataka amin'ny mpitsabo zaza izy hamela azy handeha hody. Nilaza ny mpikarakara fa feno ny toera-piterahana ary mbola sahirana ny dokotera. saingy mbola nikiry ihany izy. Tsy zakako intsony ka niangavy azy aho tsy hanelingelina ny mpikarakara. Avy eo nitaraindraina ilay mpikarakara iray teo am-pikarakarana ny ratrako, nilaza tamiko fa mibedibedy azy ny reny avy any amin'ny Tanibe. Miteny Mandarin tahaka ny hoe miasa any amin'ny Tanibe ry zareo…ary dia nolazainy tamiko fa tsara vintana aho satria lasa iray andro mialoha ny fandidiana ahy satria ny ampitso dia hisy vehivavy iray ahiana ho saro-piterahana mila didiana haingana. Nahemotry ny hopitaly ho amin'ny fotoana manaraka avokoa ny famandrihana efa vita!

The advertisement depicting the invasion of Hong Kong by a gigantic locust

Ho setrin'ny tsy fahafalian'ny olona dia nanapa-kevitra ny hampiato ny famandrihan'ny bevohoka avy any amin'ny Tanibe efitra iterahana ny fitondrana ao Hong Kong. Saingy, mbola maro ny mihevitra fa hampitombo ny fandaniana ara-tsosialin'ny tanàna ny fahamaroan'ireo zaza teraka avy any amin'ny Tanibe. Tamin'ny fiandohan'ny volana Febroary 2012, dia niara-namoaka dokambarotra, izay milazalaza ny fanafihan'ny valala goavana dia goavana, fanoharana milaza ireo shinoan'ny tanibe mitsofoka any Hong Kong, ao amin'ny gazety malaza iray, ny mpiserasera avy ao amin'ny Baby Kingdom sy ny Golden Discussion Forum.

Navoitran'i Margaret NG mpisolovava, mpanao lalàna ary mpikambana antoko politika, ny Antoko Sivika, fa ny fototry ny firohotan'ny mpizahatany hiteraka avy any amin'ny Tanibe dia noho ny fanalalahana nataon'ny fitondrana ao an-toerana ny fisavana eny an-tsisintany avy amin'ny Closer Economic Partnership Arrangement (CEPA) [Fifandaminana Fiarahamiasa Matotra ara-Toekarena], fifanarahana eo amin'i Hong Kong sy i Shina Tanibe izay manokatra malalaka ny entana sy ny fikarakarana avy any Hong Kong. Natamberin'i Ng tao amina  seminera iray [zh] ny tantaran'ny fifindra-monina mifandraika amin'ny politikam-panaraha-maso ny sisintany :

香港是一個移民的社會,殖民地成立直至中共建國,中港兩地的人是可以自由往來,直至五十年代才出現分隔中港的政策,即便如此,港府也採取抵壘政策,讓抵達市區的內地人取得身份證,這政策直至七十年代末才取消。…
從兩地封關開始,出入境設有嚴格的關卡,互為分隔。而八十年代到內地娶妻生子的一群,其子女就受到影響,很難來港。當時兩地政府便就兩地的出入境限制協商,結果出現「配額」這種東西。在這個背景下訂立的《中英聯合聲明》,成為日後《基本法》的依據。…直至 2001 年,內地人要來香港仍然十分困難。但自從 2003 年七一後開放自由行,至去年全年共有一千四百萬內地人來港,僅有四萬雙非孕婦數量算少。

Toeram-pifindra-monina i Hong Kong hatramin'ny fanombohan'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany ka hatramin'ny nahatongavan'i Repoblika Entim-Bahoakan'i Shina. Afa-niditra sy nivoaka malalaka an'i Hong Kong ny olona hatramin'ny taompolon'ny 1950 rehefa nametraka politika fototra sy namoaka karatra ho an'ireo tonga soa amantsara tao an-tanàna ny fitondrana kolonialy. Foana io politika io nandritra ny taompolo 1970… Nofehezina mafy indray ny fanarahamaso ny sisintany. Tsy mora ny fampidirana ny zanak'izay teraka tany Shina Tanibe ho any Hong Kong nandritra ny taompolo 1980. Niditra tamin'ny “rafitra famerana” (systeme de quota) ny fitondrana roa tonta. Nosoniavina tao anatin'izany zavamisy izany ny Fanambarana niarahan'ny Britanika sy ny Shinoa ka io no lasa loharanom-pandrafetana ny Lalàna Fototra… Sarotra dia sarotra ho an'ny Shinoan'ny Tanibe ny hiditra tany Hong Kong hatramin'ny 2001. Saingy nanomboka tamin'ny 1 Jolay 2003, nampiharina ny politikan'ny visa ho an'ny tsirairay ka tamin'ny herintaona fotsiny dia nihoatra ny 14.000.000 ny isan'ny Shinoan'ny Tanibe nitsidika an'i Hong Kong. Vitsy raha oharina ny fahaterahana nandritra ny fanaovana fizahantany miisa 40.000.

Ao anatin'izany raharaha izany dia melohin'ny mpisera Facebook Edwin Chau ny fihetsiky ny toera-pitsaboana tsy miankina manararaotra ny lavaka eo amin'ny politika ka atakalony “fizakana zom-pirenena” ao Hong Kong ny servisiny ao amin'ny toera-piterahany, satria ny ankamaroan'ny mpizahantany mba hiteraka dia miditra ao an-tanàna amin'ny alalan'ny famandrihana toerana avy any amin'ny hopitaly tsy miankina:

因為實情是,那3萬多個,佔96%的雙非個案,全部都是有政府認可的預約。即是,他們都是經政府人口/商業政策許可之下入境的,In the name of 「發展醫療產業」。……簡單來說,販賣居港權,才是要堵塞的漏洞。

Ny zavamisy dia ny 96% -n'ireo ho reny 30.000 avy any amin'ny Tanibe dia efa namandrika fandriana ao amin'ny toera-piterahana, ary efa nosoniavin'ny fitondrana. Izany hoe miditra ara-dalàna eto Hong Kong amin'ity politika ankehitriny ity ry zareo. Amin'ny anaran'ny ‘fampandrosoana ny indostrian'ny fahasalamana’… Raha tenenina tsotra, amidin-dry zareo ny zo honina. Eo ny lavaka tokony jeren'ny [governemanta].

Efa misy ny vondrona politika na sosialy nanapa-kevitra ny hisolovava amin'ny fanitsiana ny lalampanorenana ho famahana ny olana. Saingy ny fanitsiana ny Lalàna fototra dia mila eken'ny roatokon'ny mpikambana ao amin'ny vaomieran'ny fanaovan-dalàna raha kely indrindra sy eken'ny roatokon'ny depioten'i Hong Kong ao amin'ny Kongresim-Bahoakam-Pirenena (NPC) mialoha ny hametrahana azy eo amin'ny Filankevitry ny Filoha ao amin'ny Kongresim-Bahoakam-Pirenena. Tahaka ny ho sarotra tanterahina indrindra izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.