Zambia: Mangataka Ny Firenena Hanaja Ny Zon'ny Pelaka i Ban Ki-moon

Vao haingana izay dia nitsidika an'i Zambia ny Sekretera Jeneralin'ny ONU Ban Ki-moon , nanatrika ny parlemanta, nihaona tamin'ireo mpanao politika malaza isan'izany ny filoham-pirenenan'ny Repoblikan'i Zambia voalohany Kenneth Kaunda ary nitsidika ny toerana fizahan-tany voalohan'ny firenena, Riandranon'i Victoria any Livingstone, tanàna any atsimon'ny firenena . Tsy nisy na iray aza tamin'ireo niteraka resabe tahaka ilay fanentanany ny firenena hanaja ny zon'ny pelaka.

Nitatitra ny Lusaka Times:

Milaza ny Sekretera Jeneralin'ny ONU Ban Ki-Moon fa mila tolorana fahamendrehana sy fanajana ny vahoaka manana kolontsaina sy fanabezana samy hafa. Manamarika Atoa Ban fa ireo lehilahy sy vehivavy pelaka, dia olona izay mila ekena sy hajain'ny olombelona ny zony.

The UN Secretary-General Ban Ki-moon speaking in Lusaka, Zambia. Photo courtesy of zambianwatchdog.com.

Ny Sekretera Jeneralin'ny ONU Ban Ki-moon nandritra ny fitenenany tany Lusaka, Zambia. Sary nalaina tao amin'ny zambianwatchdog.com.

Tanatin'ny fanatrehany ny Antenimieram-pirenena Zambiana, niteny Atoa Ban:

Ankehitriny dia tafiditra anatina fandaharam-potoanan'ny fanovàna ianao – dingana ho anà lalàm-panorenana mifototra amin'ny vahoaka izay ho fototry ny fivoaran'i Zambia, lalàm-panorenana izay hijoro manoloana ny sedran'ny fotoana. Io dia manome an'i Zambia ny fahafahana hitarika indray mandeha indray amin'ny alalan'ny fametrahana ny zon'olombelona avo indrindra sy ny fiarovana ny vahoaka rehetra – tsy mifidy fiaviana, finoana, ny karazana, ny fironana ara-nofo sy ny fahasembanana.

Namerina ny fifantohana amin'ny raharahan'ny fifanambadian'olona mitovy ny fanambarany, izay saika nanimbàn'ny MMD nitondra tamin'izany fotoana ny mpitarika ny mpanohitra tamin'izany fotoana,  Michael Sata Filohan'ny Repoblika ankehitriny, nandritra ireo fampielezan-kevitra nitondra nankamin'ny fifidianana ny Septambra lasa teo izay nahitàna azy nandresy ny Filoha Teo aloha Rupiah Banda.

Samihafa ny fihetseham-pon'ireo Zambiana mpampiasa aterineto any amin'ny ankamaroan'ireo vohikalan'ny tambajotra sosialy mikasika ny fanambaran'i Ban, ny ankamaroan'izy ireo dia nampiasa ny fotokevitra “Firenena Kristianina”, izay napetraka tao amin'ny lalàm-panorenan'ny firenena.

Ho fihetsehany amin'ny lahatsoratra navoakan'ny Lusaka Times (voalaza tetsy ambony), nanoratra i Mambala:

hehehe!!!!! Atoa Ban, efa nampoizinay hoe hiteny izany ianao. Raha ny tena marina dia izany no tena anton-dianao… hanosika ny hetsik”ireo pelaka. Henoy ange, firenena manana fiandrianana i Zambia, tsy mila tenenina anay ny fomba tokony hiainanay. Fantatray fa ao anatin'ny fiaraha-moninay foana ireo pelaka ireo. Manao ny fanaony any amin'ny toerana miafina izy ireo ary tsy mampaninona anay izany. Raha toa ka sahy miseho amin'ny daholobe kosa izy ireo ka manitatra ny faharatsiany, tsy hanananay antra mihitsy!!!!

A map showing penalties targeting gays and lesbians in Africa. Image source: ilga.org

Sarintany mampiseho ireo sazy mihatra amin'ny pelaka lahy sy vavy any Afrika. Loharanon'ny sary: ilga.org

Nanoratra ny olom-pirenena iray:

Miangavy anao ry Atoa Sekretera Jeneraly, izahay teratany Zambiana dia nanaiky ny maha-firenena Kristianina anay, ao anatin'ny lalàm-panorenanay izany ary araka izany dia lasa Zonay. Ny olona tahaka izany dia midika fanajana ny olon-drehetra noho ny mahazavaboary endrik'Anriamanitra azy ireny – anatin'izany ireo mpamono olona, pelaka lahy sy vavy, mpandainga, mpivaro-tena sy ny karazany, raha sady manameloka ny hetsika vetavetan'izy ireo, mba hialan'izy ireo amin'izany. Atoa SJ, fantatray fa tianao hanaraka ireo firenena hafa amin'ny tsy fanamelohana ny fifanambadian'olona mitovy izahay. Izay lavinay. Tsy hitsahatra hanameloka fihetsika tahaka izany izahay. Ireo firenena ireo no tokony haka tahaka anay satria izany no zavatra mendrika indrindra tokony hatao

Iray amin'ireo feo vitsy manohitra, dia nanoratra i Observer :

Miresaka momba ireo Zo FOTOTRA i Atoa Ban. Tsy miresaka mikasika ny fifanambadian'ny pelaka na resaka sahala amin'izany izy. Nisy taminareo ve namaky ny tantara alohan'ny nitsikeranareo? Ireo zo fototra dia tahaka ny zo hanana rano fisotro madio na fanabeazana. Miteny izy fa tokony havela hiaina an-kalalahana ireny olona irenylavitry ny teritery ara-batana ka hankafy ireo zo sahala amin'ny maro tsy misy fanavakavahana. Tsy hitako ny zavatra ratsy amin'izany. Olona ihany koa izy ireny. Tokony hiasa mafy ny fiangonantsika sy ny fianakaviantsika mba hampisintaka lavitra ny zanatsika amin'ny fifanambadian'olona mitovy sy ireo zavatra ratsy hafa. Tsy afaka homena andraikitra hanara-maso ny fiainan'ny tsirairay ny Governemanta. Tsara ny fitsidihan'i Atoa Ban ny firenentsika.

Ao amin'ny vondrona Facebook Zambiana, 90 days (Government thumbs up/down every 90 days), nanavaka ny ota sy ny asa ratsy i Sidique Abdullah Gondwe Geloo:

FAHOTANA NY FIFANAMBADIAN'OLONA MITOVY, FA TSY ASA RATSY. NY FIRAISANA ARA-NOFO IVELAN'NY FANAMBADIANA DIA FAHOTANA FA TSY ASA RATSY. Tokony haiditra am-ponja ve ny lehilahy iray tsy manambady noho ny nanaovany firaisana ara-nofo taminà vehivavy iray hafa tsy manambady ? Tsia. Nanota izy ireo fa tsy asa ratsy izany, izy ireo no nandray ny fanapahan-kevitra. Tokony haiditra am-ponja noho ny fiarahany ve ny pelaka…FAHOTANA lehibe dia lehibe izany fa tsy asa ratsy…manan-jo tsy ho voatora-bato, ho vonoina na ho voarahona izy ireo, nefa tsy tokony hanan-jo hanao fampakaram-bady, haneho ny fihetseham-pony ampahibemaso izy ireo satria isika dia FIRENENA TENA MIREHAREHA AMIN'NY FANKAHALANA IREO PELAKA…Noho izany dia rehefa misy olona iray miteny fa manan-jo ny pelaka, tsy tokony hampahatahotra anao izany raha mbola mametraka ny mahapelaka azy any an-tranony izy ireny

Ao amin'ny Twitter, nandefa fitenenana ho an'i Ban Ki-moon ny mpitoraka bitsika iray:

@chikwe1: Ban Ki Moon Raha mahatonga ahy ho tsy mahalala fomba/olon-dia (#Savage) ny fanamelohana ny fifanambadian'olona mitovy (#Homosexuality) dia aleoko miaina (#Live) sy maty (#Die) amin'ny maha-tsy mahalala fomba ahy toa izay ny mifanohitra amin'izany. Aza manantona an'i #Zambia

Raha mampirongatra ny hatezerana ny adihevitra momba ny fifanambadian'olona mitovy any Afrika, i Liberia sy Oganda kosa dia nametraka volavolan-dalàna manohitra ny pelaka izay mety hitarika hatramin'ny fanamelohana ho faty, vao haingana izay. Fandikàna lalàna ny fifanambadian'olona mitovy any aminà firenena Afrikana 38 ary mety ho voaheloka ho faty izay manao izany any Maoritania, Sodana, sy Nizeria Avaratra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.