Tetikasa Tsy Azo Montsanina: Mampiasa ny Teny Fanararaotana Mba Hanentanana Sy Hanasitranana

Grace Brown, mpianatra iray ao amin'ny Fianarana ambony ny Haikanto natao ho an'ny maso any New York, dia tohina tamin'ilay famaritana mampihorohoro ny fanararaotana ara-nofo avy amin'ilay niharany hany ka ny Oktobra lasa teo dia nanomboka tetikasa an-tsary antsoina hoe Project Unbreakable izy. Ny hevitr'i Grace amin'izany dia ny fampiasàna ny sary mba hanampiana ireo avotra tamin'ny fanararaotana ara-nofo amin'ny alalan'ny fangatahana azy ireo hitanisa ampahany tamin'ny fitenin'ilay mpanararaotra azy ireo amina peta-drindrina ka maka sary azy ireo mitana izany peta-drindrina izany. Afaka mamoaka ireo sary ny tenan'ireo niharany na afaka manontany ny tetikasa haka sary azy ireo. Avy eo ireo sary ireo dia havoaka anatina bilaogy ao amin'ny Tumlbr izay haverina anatina bilaogy maro – araka izany dia hiparitaka ny fanentanana.

project unbreakable

Manoratra ho ana fanentanana hanangonana fanampiana i Grace:

19 taona aho, ary mety ho tapitra rahampitso ny hoaviko, nefa mbola hahatsapa fahafenoana ihany ny tenako.Te-hitondra ity tetikasa ity ho amin'ny dingana avo kokoa aho. Te-handeha any amin'ireo faritra samihafa any Amerika aho mba haka sary, hiresaka, hampiseho ny asako – hampiseho ny olona fa tsy irery izy ireo. Ary mety indray andro any, hanodina ity tetikasa ity ho fikambanana aho, hanome fanampiana matihanina ho an'ireo avotra tamin'izany, zavatra iray izay indrisy tsy ananako talenta hanonolotra.

Manana fahafahana hanova izao tontolo izao isika rehetra – ny olana fotsiny dia ny fomba tiantsika hahatongavana amin'izany. Raha afaka manampy ianao, ankasitrahako izany. Raha tsy afaka kosa ianao, miangavy anao fotsiny mba hizara ity pejy ity raha tianao izany. Ary raha avotra tamin'ny fanararaotana ara-nofo ianao, te-hampatsiahy anao aho fa tsy azo montsanina ianao.

Sary avy aminà mpampiasa tsy nanome anarana. Sary nalaina teo ambany famelan'ny Tetikasa Unbreakable

Manoratra ao amin'ny Washington Times ny mpitoraka bilaogy sady mpiresaka ho an'ny daholobe, Amy Phillips:

Mpampatsiahy ireo sary ireo fa ny teny sy ny fihetsika dia tsy adino na oviana na oviana. Maneho hetsika ara-pahamarinana kely ny sora-baventy tsirairay tazonina. Natsangana amin'ny mazava, mahafanina miaraka amin'ny fahasahiany, miaraka amin'ny faharatsiany, miaraka amin'ny fampihorohoroany tsotra izao ny fitanisàna tsirairay. Rehefa mamaky azy ireo ianao dia mitsara azy ireo amin'ny maha izy azy. Fipetrahana ho niharam-boina ara-bakiteny.

Sary navoakana mpampiasa tsy nitonona anarana ao amin'ny Tetikasa Unbreakable

Ny 3 Martsa 2012, ho any amin'ny Union Station any Washington, D.C., manomboka amin'ny 10 a.m. ka hatramin'ny 5 p.m i Grace mba haka sary an'ireo olona izay niharan'ny fanararaotana ara-nofo.

Raha misy olona liana amin'ny fandraisana anjara amin'ny fakana an-tsary azy na amin'ny fandefasany sary, afaka mandefa mailaka any amin'i Grace ao amin'ny projectunbreakable@gmail.com sy mametraka eo amin'ny andalana fametrahana ny antony hoe “Alaivo sary aho” na “Fametrahana sary,” miankina amin'ireo antony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.