Palestina: Navoaka ny Fonja Israeliana Ny Tanora Palestiniana Iray Mafana Fo Fadi Quran

Palestinian youth activist and Stanford alumnus, Fadi Quran. Photo by Jeff Mendelman. Used with permission.

Tanora Palestiniana iray mafana fo sady mpianatr'i Stanford taloha, Fadi Quran. Sarin'i Jeff Mendelman. Nampiasaina teo ambany fanomezan-dàlany.

Navoaka ny fonja Israeliana iray noho ny fandoavana onitra ny tanora Palestiniana iray mafana fo, Fadi Quran. Noraisin'ireo mpampiasa Twitter am-polony tamin-kafaliana izany vaovao izany.

Ao amin'ny Twitter, maneho ny fihetseham-pony momba ny fisamborana azy ny Palestiniana mpanao gazety iray, Daoud Kuttab:

@daoudkuttab: Nanipy ilay Amerikana Palestiniana mafana fo tsy mahery setra, @fadiquran lalina any Israely miaraka amina Palestiniana 2 hafa ry zareo Israeliana. Tsy miteny i Etazonia !!!. #freefadi

Voasambotra tany Hebrona ny 23 Febroary 2012 i Quran – ny andro nitsingerenan'ny nahaterahany – taorian'ny tsaho nandeha momba ny nanosehany mpitandro filaminana Israeliana iray. Tamin'ny fotoana nisamborana azy, nanohitra ny fikatonan'ny araben'i Shuhada tany Hebrona, iray amin'ireo lalana fototra ao an-tanàna, izay nandraràna ireo Palestiniana tsy handeha tongotra na fiara efa mihoatra ny roapolo taona izao, i Fadi sy ireo mpiara-dia aminy.

Misy lahatsary iray amin'ny fisamborana an'i Quran navoaka tao amin'ny YouTube avy amin'ilay Sekoly Ambaratonga ambony any New-york Fianarana momba ny Afovoany Atsinanana mipetraka :

Haingana ny fandraisan'ireo tambajotran'ny media sosialy ny fisamborana an'i Quran. Ny Zoma, natsangana ny pejy Facebook iray Free Fadi Quran. Nanova ny sarin'izy ireo ao amin'ny mombamomba azy ihany koa ireo namana sy mpanohana an'i Quran ao amin'ireo sehatra fiadian-kevitry ny media sosialy samihafa mba hanehoana ny firaisankina. Ary ny 26 Febroary, nanangana ilay vohikala freefadi.org ireo mpiara-mianatra tamin'i Quran tao Stanford mba hanairana ny saina amin'ny fisamborana azy. Ao amin'ny Twitter,  nobitsihana teo ambanin'ny tenifototra #FreeFadi ireo vaovao mikasika ny fisamborana azy sy ny famotsorana azy taty aoriandriana.

Natsangan'i Lila Kalaf, mpianatry ny Stanford, ny fanangonan-tsonia tao amin'ny change.org mba hangatahana ny famoahana azy.

Iray amin'ireo mpikambana tao amin'ny Hazakazaka tsy misy herisetra ho an'ny fahafahana notanterahana ny Novambra 2010 i Fadi Quran.

Palestinian Freedom Riders

Ireo Palestiniana Mpihazakazaky ny Fahafahana

Naka tàhaka ireo hazakazaka ho an'ny fahafahana tamin'ny 1963 tany Etazonia izay nanoherana ny fanavakavahana ara-bolon-koditra io hetsika io. Amin'ity indray mitoraka ity, ireo Palestiniana dia nanohitra ny fanavakavahana ara-bolon-koditra izay tsy mamela ireo Palestiniana handalo malalaka ny faritr'andrefan'i Gaza raha ho any Jerosalema  izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.