Iran: “Tokony mbola hifidy indray ve isika?”

Ny Zoma 2 Martsa 2012 izao ny Repoblika Ismalika dia miomana ho aminà fifidianana parlemantera (Majlis). Io no fifidianam-pirenena voalohany hatramin'ilay fifidianana filoham-pirenena nahabe resaka tamin'ny 2009 sy ny hetsi-bahoaka naterany. Raha betsaka ireo vondron'ny mpanohitra no miantso fibodoana an'ilay fifidianana,  ny fanjakana Iraniana kosa mampiasa ny fampielezan-kevitra fankahalàna ny Tandrefana mba hisarihana ny olona handeha handatsa-bato.

Setare Iran dia namoaka [en farsi] afisy iray miaraka amin'ny sarin'i Neda , vehivavy tanora iray maty nandritra ny fihetsiketsehana, miaraka amin'ny teny faneva hoe : «Tsy hifidy aho.”

Neda: I do not vote

Neda: Tsy hifidy aho

Miteny ilay bilaogera hoe :

Any ambadiky ny resaka hoe filàna fandraisana anjara na tsia amin'ity fifidianana ity, fomba ahoana no handehanan'ny olona handatsa-bato taorian'ireny maritiora sy tsy manan-tsiny an'arivony nogadraina ireny? Ity fifidianana amin'ny Zoma ity dia tsy hanome voninahitra ny safidin-tsika. Io dia sedra ho anà fitondrana  iray izay mihevitra fa tsy manana faharanitan-tsaina ny vahoaka. Ny fijery tsy manan-tsinin'i Neda dia tsy hamela antsika hivarotra ny voninahitsika aminà mpanao jadona.

Azarakan miteny hoe [fa]:

Mifanohitra amin'ny fampielezan-kevitry ny fitondràna izay milaza fa hanafika an'i Iran ireo firenena Tandrefana raha toa ka tsy handeha hifidy ny vahoaka ao Iran, ny fibodoana ny fifidianana dia ampy hahafantaran'ny mpitondra fa tsy lanim-bahoaka izy. Hanery azy izany mba hampiato ny fihantsiana ny firaisambe iraisam-pirenena amin'ny tetikasa nokleariny.

Sarimihetsika maharitra 1 minitra no mampahatsiahy fa ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta dia nanohana ny hala-bato tamin'ny fifidianana farany teo, ary fototry ny fahantrana ara-toekarena eto amin'ny firenena

Ny hafatra farany ao anatin'ilay lahatsary dia manontany hoe, “Tokony mbola hifidy indray ve isika?”

Mazava loatra fa tsy ny bilaogera Iraniana rehetra akory no mitovy hevitra tahaka izany momba ny fifidianana. i Ahestan mihevitra fa ny olana dia tsy ho voavaha amin'ny tsy fandraisana anjara amin'ny fifidianana satria ny fandraisana anjara ara-politikan'ny vahoaka dia ho valin-kafatra matanjaka ho an'ireo fahavalo (“totohondry miantefa amin'ny vavan-dry zareo”). ” Raha toa ry zareo [fahavalo] mandrisika ny olona tsy hifidy, dia nahoana ny Repoblika Islamika no tsy hanentana azy ireo handeha hifidy?” hoy izy.

Handeha hifidy na tsy hifidy, tsy dia izany loatra no olana, raha toa ireo mpandalina efa mahita fa ny governemanta dia hanao tatitra fandraisana anjara hatramin'ny 60 isan-jato na ambonin'izany aza, tsy ijerena izay mety hitranga ny andro Zoma.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.