Lahatsary Misongadina: Fiarovana Ny Zon'Olombelona

Ity fitantarana ity dia mikendry hampahafantatra ireo lahatsoratra vao haingana mahaliana indrindra tao amin'ny Global Voices izay mampiseho fa manampy ny olona amin'ny fomba maro ny lahatsary amin'ny fitantarana ny zava-misy manerana izao tontolo izao. Afaka manaraka izany zava-misy izany isaky ny faritra ao amin'ny fantsona YouTube anay ianao .

Tantara marobe mampiasa lahatsary tamin'ity volana ity no mikasika indrindra ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona sy ireo fepetra noraisina  hilazana ny fanararaotana misy sy mba hiarovana ireo vitsy an'isa ary ny fiarahamonina sahirana mafy. Tsindrio ny misy ny tantara mba hijerena ireo lahatsary marobe sy hahalalana bebe kokoa ny zava-nitranga.

Zo Hiaina sy ny Tsy-fanavakavaham-bolokoditra

Goatemalà: Mampahafantatra ny Famonoana Ireo Vehivavy Teratany

Misaotra ireo mpitolona, handray an-tanana ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy teratany nandritra ny 36 taona ny fitsarana iraisam-pirenena manaraka akaiky ny famonoana olona miseho tao Goatemalà, niharan'izany herisetra izany izy ireo satria vehivavy ary satria koa vazimba teratany.

Horonantsary fanadihadiana sy lahatsary marobe misy fijoroana vavolombelona no mitantara ny zava-niainany mampalahelo, tantara milaza ny fanavakavaham-bolokoditra iaretan'ireo niharam-boina ao amin'ny fiarahamonina misy azy sy ny tahotry ny fanafihana, ka maro ireo tsy sahy niloa-bava nandritra ny taom-polo.

Mitolona ho amin'ny Fifankatiavan'ny Lahy samy lahy na Vavy samy Vavy

Oganda: Volavolan-dalàna Manohitra ny Lahy samy Lahy na Vavy samy Vavy Tsy Ho Lasa Lavitra

Ny volavolan-dalàna mitovy amin'izany izay natolotra tamin'ny taona 2009 dia mampiseho indray fa tokony hofidiana ao Oganda:

Niady hevitra indray momba ny fanoherana ny fifankatiavan'ny lahy samy lahy na vavy samy vavy i Oganda. Ogandey, mpikambana ao amin'ny antenimiera, David Bahati, izay nanolotra ny volavolan-dalàna tamin'ny taona 2009 no nandalina indray ny volavolan-dalàna ifotony saingy asiam-panovana. Nilaza izy fa efa nialana ny sazy famonoana ho faty sy ny fanagadrana fianakaviana tsy mampilaza amin'ny manam-pahefana ny fisian'ny fiarahan'ny lahy sy ny lahy na vavy sy ny vavy.

Na dia izany aza, tamin'ny fandinihana lalina natao, hita fa tsy nisy fiovana akory tao amin'ilay volavolan-dalàna, satria mbola ilay natolotra tamin'ny taona 2009 ihany no tao. Ity lahatsary manaraka ity dia manazava ny fiantraikan'ny volavolan-dalàna ao amin'ny fiaraha-monina LGBT sy ny fianakaviany ary ny namana:

Hong Kong: Lahatsary Manohitra ny Fandrahonana ny any An-tsekoly

Ao Hong Kong, niaiky ny mpianatra ao an-tsekoly fa iharan'ny fandrahonana sy ny ny fanavakavaham-bolokoditra, arak'izany, nandefa fanentanana ny fikambanana mba hijerena akaiky  izany olana izany, ka mifantoka indrindra amin'ny famokarana lahatsary an-tserasera ahitana resadresaka atao amin'ny mpianatra mpifankatia lahy samy lahy na vavy samy vavy sy ny manam-pahaizana amin'izany lohahevitra izany.

Zo hianatra

Espaina: Herisetran'ny polisy manoloana ny Mpianatra ao Valencia

sy

Espaina: Mitohy ny Fifandonana manoloana ny Mpianatra aoValencia

Ao Valencia, nanapa-kevitra hanao hetsi-panoherana ny mpianatra noho ny fampihenana ny fandaniana mihatra ao amin'ny sekoliny, izay fotoanan'ny ririnana mangatsiaka indrindra manery azy ireo hitondra bodofotsy noho ny tsy fisian'ny mpiteraka hafanana. Namaly bontana ny fihetsiketsehana ny polisy ka nisy ny mpianatra naratra sy nosamborina; maro ny lahatsary maneho ny setrasetra atao amin'ny tsy ampy taona, vehivavy ary zokiolona.

Andro vitsy monja taorian'ny hetraketraky ny polisy tao amin'ny Lisea Luis Vives tao Valencia [es], dia tratran'ny daroka, tositosika ary herisetran'ny polisy tao anatin'ny hetsi-panoherana milamina nataony indray ny mpianatra, izay nanohitra indrindra ny herisetran'ny polisy. Tamin'ity indray mitoraka ity dia ny tolakandro no nanombohan'ny fandravana tamin'ny alalan'ny hery tsy nampoizina.

Zo hanan-trano

Brezila: Ho esorina ny Fokonolona Quilombo ao Bahia

Iray amin'ny fokonolona taranak'andevo ela indrindra ao Brezila ny Quilombo Rio dos Macacos, ahitana fianakaviana manodidina ny 50, izay nomena andro tsy maintsy ialana: 4 Marsa 2012. Ny fitakiana ny tany dia avy amin'ny tafika an-dranomasina breziliana, izay mikasa hanitatra toerana ho an'ny manamboninahitra ao aminy ao amin'io zara-tany io, izay anelanelan'i Salvador sy Simões Filho, fanjakan'i Bahia…

Taranaka Afrikana, izay nangalarina tany amin'ny tany niaviany nandritra ny fanjanahantany mba atao andevo any Brezila, dia izao andalam-pahaverezan'ny tranony indray ankehitriny ny Quilombolas, na dia eo aza ny zony amin'ny tany voasoratra ao amin'ny Lalampanorenana.

Ity fanadihadiana fohy [pt] dia ahitana ny toe-draharaha atrehin'ny Quilombolas: matahotra ny handao ny tranony, tsy afa-mivezivezy malalaka ary manahy ny amin'ny ainy, ny fianakaviany ary ny tranony.

Kolombia: Olo-tsotra tia mampita vaovao nahazo fandrahonana noho ny lahatsary malaza

Lahatsary iray [es] ahitana ny valy bontan'ny fitondrana an-kerisetra tamin'ny fihetsiketsehana milamina manohitra ny familiana ny lalan'ny renirano manakaiky azy noho ny fananganana tohodrano no nahatonga ilay olotsotra tia mampita vaovao hahazo fandrahonana ho faty.

Brezila: Rafi-Panarenana misy lesoka any Amerika

Ny zava-nitranga tany amin'ny fonja maro tany Amerika Latina niteraka fahafatesana voafonja an-jatony no nahatonga ny olona hijery ny fiaimpiainana sy ny fahamaroan'ny olona be loatra hita any amin'ny tobim-panarenana maro, ka ieritreretana raha voina efa andrasana hitranga izy ireny. Tokony mba ho voaantoka ny fepetra kely indrindra, izay mety tsy hitranga any akory indraindray, azon'ireny olona tsy hahazo mivezivezy ireny ho sazin'ny heloka nataony, araka izay asehon'ny fampafantarana ny fiainana any am-ponja breziliana, ary manolotra ihany koa ny vahaolana vitsivitsy azo ampiharina rehefa miatrika toe-javatra manahirana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.