Thailandy: Voatsiny Noho Ny Tahan'ny Fitondrana Vohoky ny Tanora Ny Facebook

I Thailandy no manana taha ambony indrindra eo amin'ny  tanora bevohoka erantany. Tombatombanana ho  120.000 isan-taona  ireo tanora mitondra vohoka tsy nirina, ary toa hoe anisan'ny tompon'andraikitra mahatonga izany vohoka tsy niriana izany ny Facebook izay tambajotra sosialy fanta-daza, raha mino ny  famintinana naroson'ny Foibem-pirenena misahana ny fampandrosoana ara-toe-karena sy sosialy (NESDB) isika:

Nilaza ny NESDB fa olona eo amin'ny 18-24 no tena mpisera facebook indrindra, mahatratra 40% amin'ireo mpisare facebook rehetra.

Nilaza io birao io fa ny firongatry ny tambajotra sosialy no tena fositra mahatonga ny vohoky ny tanora satria manoratra zavatra manaitaitra na rakikira an-tsary eo amin'ny aterineto ireo tanora ireo.

Image from Pattaya Daily News

Sary nalaina tao amin'ny from Pattaya, vaovao mivoaka isan'andro

Amin'ny lafiny iray, manazava ny tsy fetezan'ny fanabeazana ara-pananahana ao Thailandy i Saksith Saiyasombut :

Mazava ho azy fa mahazo tsiny ny tambazotra sosialy lehibe indrindra noho ireo zavatra mahatsiravina hita ao izay misarika ny tanora hanao firaisana ara-nofo tsy vaaaro. Na izao koa ny fanazavana tsotra indrindra – Manana olana goavana i Thailandy eo amin'ny resaka fampianarana ara-pananahana.

Raha toa ka te handresy ny hakiviana, dia tokony ho tonga saina ny mpitondra fanjakana fa ny hany vahaolana lojika indrindra ialana amin'ny vohoky ny tanora dia ny fampianarana azy ireo tsara ny momba ny fananahana ary ny fampisehoana azy ireo ny marina mikasika ny fisian'izany fa tsy ny fanafenana izany velively akory.

Nilaza ny Ricefieldradio fa tsy misy idiran'ny tambajotra sosialy mihitsy ny fitondrana vohoka eo amin'ny tanora:

Tsy misy idiran'ny Facebook sy haino aman-jery sosialy hafa ny vohoky ny tanora sy ny firaisana ara-nofo. Resaka retsika io. Efa mitady fanaovana firaisana ara-nofo ny tanora na dia mbola tsy notorontoronina akory aza ny loharanon'ny tambazotra sosialy.

Mbola nanamafy ny amin'ny nanafoanana ny fianarana fananahana ao Thailandy ihany koa ny Tasty Thailand:

Sady ny faha 18  taona dia taonan'ny ‘hatanorana’ raha ny fahafantarantsika nefa, raha araka ny lalàna, dia efa azo lazaina ho olon-dehibe ireo mahatratra izany taona izany. Noho izany dia tsy mitombona mihitsy ny ‘fanomezana tsiny ny ny Facebook’ ho antony mahatonga ny vohoky ny tanora

Satria rehefa natao ny fandinihana, dia tsy miankina amin'ny fanafoanana ny fampianarana ny firaisana ara-nofo any an-tsekolin'ny Thailandy nandritra ny taona maro teo aloha ny fiakaran'ny tahan'ireo tanora bevohoka ao  Thailandy , na koa hoe tsy mampianatra ny zanany mikasika ny fanabeazana aizana ny Ray aman-dReny ao Thailandy.

NY MARINA – Niaiky ny andraikitry ny Ray aman-dReny ny Fahafahana Manohitra Sivana ao  Thailandy :

Marina fa mora voasarika amin'ny Facebook ny zanatsika. Nefa tsy fahaizana manabe ny zanaka ny tsy fanaraha-maso azy ireo eo anoloan'ny solosaina. Mety ny ilain'ny ankizy angamba dia ny milalao baolina kitra miaraka amin'ny namany fotsiny…baolina kitra foana!]

Ireto misy fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter. Nalaina tao amin'ny @thaimythbuster:

#THailandy #Ny Facebook no nahatonga izany ary manana ny hadisoany izy eo amin'ny vohoky ny tanora ao Thailandy. Mampanontany tena hoe iza no diso folo taona lasa izay… Prem?

@CoconutsBangkok Isika mieritreritra fa ny fanaovana firaisana ara-nofo tsy voaaro ihany no miteraka vohoka eo amin'ny tanora. Nefa ankehitriny dia toa hoe tompon'andraikitra amin'izany koa ny Facebook!

Tsy voalohany izao no  lazaina fa manana ny fahadisoany ny Facebook eo amin'ny firongatry ny tahan'ny fitondrana vohoka eo amin'ny  tanora. Tamin'ny taona lasa, dia  nanome tsiny ny tambazotra sosialy lehibe indrindra ilay mpitondra fivavahana iray tao Central Java, Indonezia ho tompon'andraikitra amin'ny fahabetsahan'ny isan'ny tanora manambady aloha loatra sy amin'ny fiakaran'ny tahan'ny vohoka tsy niriana teo amin'ny tanora teo amin'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.