Nohatsarain'ny Fampahalalam-Baovao Iraniana Ny Kabary Nataon'i Asghar Farhadi Nahazo Oscar

Dibo-kafaliana tanteraka ny Iraniana raha vao nahafantatra fa ilay horonantsary mihetsika  “A Separation” (Fisarahana Iray) nolalaovin'i Asghar Farhadi no nandrombaka ny loka Oscar amin'ny horonan-tsarimihetsika amin'ny teny vahiny mendrika indrindra nandritra ny Academy Awards (Loka Akademia) tao Hollywood tamin'ny 26 Febroary 2012.

Sambany ny horonan-tsarimihetsika Iraniana no nahazo Oscar.

Nandray anjara tamin'ny fanapariahana ny fankalazana ny fandresena ireo mpamahana bolongana Iraniana, ary ny mpankafy sasany kosa namorona afisy lehibe  misy ny “Fisarahana Iray” amin'ny endriny isan-karazany.

Mpamahana bolongana tahaka an'i Faryad Zier Ab sy Raze Gole Sorkh nizara ny kabary nataon'i Farhadi ( na ny sombiny) amin'ny teny Persiana. Izany kabary izany dia  faritan‘ ny tranokala malaza Amerikana Slate ho toy ny kabary ” mendrika indrindra nandritra ny fety”

Nanintona olona maro hatrany ny kabaran'i Farhadi raha nanao fandikàna an-tsoratra ny kabary tamin'ny fitenin'izy ireo manokana ny Fars News, sampam-pampahalalam-baovao tsy tena ofisialy ao Iran.

Toy izao no nolazain'i Farhadi nandritra ny kabariny:

Amin'izao fotoana izao, Iraniana marobe manerana izao tontolo izao no mijery antsika ary hitako eto fa tena faly tokoa izy ireo. Faly izy ireo tsy noho ny loka lehibe na ny horonantsarimihetsika na ny mpilalao horonantsary mihetsika, fa amin'ny fotoana mampiady hevitra ireo mpanao politika ny amin'ny resaka ady, fandrahonana sy ny herisetra, tononina eto ny anaran'ny fireneny Iran amin'ny alalan'ny kolontsainy manan-daza, kolontsaina taloha sy manankarena izay adino teo amin'ny resaka politika. Am-pifaliana tanteraka no hanolorako ity loka ity ho an'ny vahoaka ao amin'ny fireneko, vahoaka izay manaja ny kolontsaina rehetra sy ny fandrosoana ka mankahala ny fifandirana sy ny lolom-po.

Tavalode Sabz says nilaza fa nohatsarain'ny Sampam-pahalalam-baovao Fars ny kabarin'i Farhadi ary novainy ihany koa ny teniny tao:

“Manaja ny kolontsaina rehetra ny vahoaka Iraniana na dia eo aza ny hetraketraky ny Tandrefana manoloana ilay tetikasa nokleary Iraniana.”

Nandritra izany, nankalaza ny fandresena ihany koa ny ny Iraniana manerana ny vazantany efatra , ao anatin'izany ny mpianatra Iraniana avy ao amin'ny Film Club ao  Texas A & M , izay hita falifaly ao anatin'ity lahatsary ity:

Mpamahana bolongana Band nanoratra fa nandalo “fety tsy fanadino” ny Iraniana izay tsy mba noeritretina mihitsy tao anatin'izay herintaona izay.

Efa nahazo  loka maro any ivelany ny horonantsarimihetsika  Separation hatramin'izay nivoahany tamin'ny taona 2011 izay, nandrombaka ny loka tamin'ny Golden Bear hatramin'ny Golden Globe izy. Amin'ny teny Persiana ny lohateny  ‘The Separation of Nader from Simin” (Ny fisarahan'i Nader tamin'i Simin”‘, mitantara fisarahana mamaivay ana tanora mpifankatia ao Teheran ny horonantsary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.