Pakistan: Fetibe Fahatelon'ny Literatiora Fahatelo Tao Karachi

Hetsika tsy manampaharoa tanterahina amin'ity volana ity ny Fetiben'ny Literatiora ao Karachi  (KLF). Fotoana iray hihaonan'ireo mpanoratra sy ny mpankafy boky izany ary hanandratana ny famakiana boky. Niadian-kevitra tamin'ny hetsika nandritra ny roa andro, ny 11 sy 12 Febroary 2012 teo ny literatiora Sindhi, Pendjabi, Ourdou, Seraiki (fitambaran'ny  Sindhi sy ny Pendjabi), Anglisy, Frantsay ary Alemana.

Nampahafantarina tamin'ny taona 2010 ny tatitra KLF isan-taona, nisy ny fiaraha-miasa teo amin'ny Maisoivoho Britanika sy ny Gazetin'ny Oniversite Oxford tamin'izany. Nandritra ny fetibe voalohany tamin'ny taona 2010,  5000 ny isan'ny mpandray anjara, saingy tamin'ity taona ity kosa, niakatra hatrany amin'ny 15000 be izao izany.

Bina Shah naneho hevitra hoe:

  Tapitra ny Fetiben'ny Literatiora ao Karachi, fahombiazana tanteraka no hita amin'ny ankapobeny. Olona dimy arivo sy iray alina teo no nankafy ny dinidinika roa andro, ny famoahana boky, ny famakiana boky, ny fampianarana manoratra, ny tantara an-tsary ary ny fampisehoana mozika; mpanoratra teo amin'ny dimampolo amby zato teo no nandray anjara nandritra ny fetibe.

Fango (Logo) ny Fetiben'ny Literatiora ao Karachi

Hita soritra teny amin'ny endriky ny mpandray anjara ny firehetam-po, ary toy izany ihany koa, ny fikambanan'ny mpamahana bolongana. Madiha Ishtiaque nanamarika fa mahatonga an'i Karachi hiova ho ‘litroplois’ ( tanànan'ny literatiora) ny fetibe.  Nadir Hussian niantso izany hoe hetsika ‘mampiala voly sady tsara karakara‘.

Mpanoratra maro isan-karazany manerana izao tontolo izao no tonga nitsidika ny fetibe. Nisy ny fotoana natokana ho amin'ny karazana adihevitra, tsikera ary fandalinana (fanontaniana sy valiny). Jahane Rumi -  mpitolona no sady mpandrindra ny KLF – namehy tsara izany hoe:

 Tamin'ity taona ity, nahasarika olona tamin'ny alalan'ny mpamaky azy, ny mpankafy sy ny mpanao tsikera (miabo sy miiba) ihany koa i Vikram Seth, William Dalrymple, Hanif Kureishi, Shobha De, Anatol Lieven sy ny sisa maro hafa . Vitsy ny fotoana natokana ho amin'ny fiteny Ourdou sy ny literatioran'ny fitenim-paritra saingy hita mazava kosa fa tsy mitovy avokoa ireo mpanatrika ny fetibe.

Niadian-kevitra ihany koa ny olana ara-politika ankehitriny. Niditra tamin'ny lohahevitra ara-politika miharihary ny mpandray anjara. Umair J nitaraina mikasika ny adihevitra politika afangaro amin'ny literatiora. Hoy izy nanoratra:

Nisy fotoana in-15 teo ho eo natokana amin'ny lohahevitra politika  toy ny  famonoana olona mihaja, ny ady an-trano ao Balochistan, ny zon'ny tsy ampy taona, Bangladesh, ary ny fitaovam-piadiana nokleary. Saiky tsy nahitana vokany avokoa izany rehetra izany, zava-kanto-ho an'ny- resaka zava-kanto natokana amin'ny adihevitra momba ny literatiora ao amin'ny fetibe.

Mpikabary manana ny lazany nandray anjara tamin'ny adi-hevitra miompana amin'ny zon'ny vehivavy:

Nanintona ireo vehivavy maromaro ihany koa ny fotoana natokana ho an'ny mpanoratra mampisongadina ny feom-behivavy amin'ny alalan'ny haisoratr'izy ireo, nahitana an'i Maniza Naqvi, Bina Shah, Nafisa Haji ary Marilyn Wyatt izany izay nizara ny traikefany amin'ny maha mpanoratra sy mpamaky azy ireo, ka mampita hafatra amin'ny alalan'ny asany manokana sy ny haisoratra hafa ataon'izy ireo.

Nitsidika ity paradisan'ny mpitia boky ity ihany koa ny mpianatra any an-tsekoly, sy any amin'ny kolejy ary eny amin'ny oniversite. Ity ny raki-tsary mampiseho ny hetsika amin'ny endrika isan-karazany

Tsy misy hetsika tsy ahitana tsikera. Naneho hevitra ny olona fa hetsika tonga lafatra ny KLF ka tsy misy toerana natokana ho an'ny olo-tsotra:

@saoodhasan: Zubeida Mustafa nandray ny fetiben'ny literatiora ao Karachi ho toy ny fihaonana isan-taona natokana ho an'ny mpiteny Anglisy mendrika indrindra izay tsy mba takatry ny *daholobe*

Marika KLF toy ny ‘fampisehoana tsara indrindra’ dia mety ho fahadisoana araka ny filazan'i Muhammed Haneef -mpanoratra, mpanao gazety ary mpikatroka politika -hoy izy  nilaza mahitsy:

Zavatra tsara ny famakiana boky. Raha ny tena izy, ny zava-kanto rehetra — mozika, hosodoko, teatra, literatiora —ka mitovy avokoa ny fijery na ny asa ara-tsaina rehetra aza. Midika ve izany fa tsy tokony hiditra amin'izany rehetra izany isika?

Nisy koa ny tsikera fa ny Ourdou, tenim-pirenena Pakistana, no nomena hozaraina. Ny teny Anglisy anefa no nanjaka tamin'ny fiteny hafa rehetra. Bina shah namaly  izany tsikera izany fa ity hetsika ity dia hetsika iraisam-pirenena fa tsy hetsika natokana ho an'ny ao an-toerana fotsiny ihany. Ny teny anglisy amin'ny maha fiteny iraisam-pirenena azy dia mety maharakotra ny fiteny hafa.

Fitambarana tsikera hafa, avy amin'i Hamdan Malik, nasiana marika KLF mba “Hifangaro, mampanahy, na mampangovitra – ary -Fitiavan-tena, fahasorenana, fahantrana sy famehezana”. Amin'izany tsikera izany, tsara lazaina ny valintenin'i Aristotle (Filozofy Grika) . Hoy izy:

Mba hialana amin'ny fitsikerana – aza manao na inona na inona, aza miteny na inona na inona, aza manao zavatra.

Hetsika iray tokony hotsidihan'ireo mpankafy boky manerana izao tontolo izao ny Fetiben'ny Literatiora. Hofaranako amin'ny tenin'i Yaqoob Khan Bangash. Toy izao no nosoratany:

Nasehon'ny KLF nandritra ny telo taona fa mahavariana ny fananan'i Pakistan karazan'olona te-hiara-dalana , miresaka momba ny asany, mianatra amin'ny hafa, ary manampy ny hafa hahatsapa ny fahafaha-manaony sy ny mety ho talentany miafina. Ny ilaintsika rehetra izao dia KLFs an'arivony.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.