Aostralia: Tsy Fahafaha-mihetsika Ara-politika Mialoha Ny Fifidianana Izay Ho Mpitarika

Hisafidy amin'i Julia Gillard Praiminisitra ankehitriny sy ilay nesoriny tamin'ny 2010, i  Kevin Rudd, ny antoko eo amin'ny fitondrana amin'izao fotoana ao Aostralia. Taorian'ny volana maro nisian'ny resaka mifamahofaho, amin'ity herinandro ity ireo parlemantera avy amin'ny Antokon'ny Mpiasa Aostraliana dia hifidy taorian'ny fifandroritana mirona mankamin'ny fahapotehany.

Hatramin'ireo bilaogera toa an'i Lavartus Prodeo sy ireo andianà mpitondra fanamarihana miaraka aminy, ireo mpibitsika avy no nahavita nandray an-karavoana ilay raharaha. #respill no tenifototra nofinidy tanatin'ny maro kanefa ilay iray somary hafahafa #kevenge no sahala amin'ny nahasarika kokoa ireo maro hafa tao twitterville. Ny zanakavavin'i Kevin Rudd, Jessica, dia mahafantatra ny lanjan'ny bitsika alefa ara-potoana. Ity iray ity dia nahazo doka betsaka tokoa :

@Jess_Rudd
Effing reharehako ianao, Dada. xxxx
22 Feb 12

Ny “effing” dia toa ao tsara taorian'ny nivoahan'ilay lahatsarin'ny rainy Happy Little Vegemite tany am-piandohan'ny herinandro tany. Miaty hiakan-katezerana maro ilay lahatsary  :

Nisy ny soso-kevitra avy amin'ny andaniny roa izay nalefan'ny iray ho ao anatinà lahatsary – na izy ireny hanaovana izay hanahirana an'i Rudd na hanehoana ny maha-olona azy. i Cassie White dia maka amin'izy roa amin'ny fanaovana teny mahery amin'ilay Praiminisitra teo aloha :

@cassie_white
Azoko tsara fa ity lahatsary ity dia natao hanakorontanana an'i  @KRuddMP saingy izy ity dia mahatonga ahy ho toa azy koa http://bit.ly/w02qvX Aostraliana iray mitenitenty foana, SHOCK!!
19 Feb 12

Nisy mpomba an'i Rudd vaovao nipoitra, @Vote4Rudd izay nangataka hoe, “Araho izahay raha tianao ny hiverenan'i Kevin Rudd!” Na teo aza izay lazaina ho lazan'i Kevin dia 141 monja no mpanaraka azy io tao anatin'ny roa andro.

Ireo Parelemantera izay tsy mbola nilaza ny fomba hanehoany ny safidiny dia hazaina mafy eny anivon'ny twitter. Ireo mpanao gazety toy ny mpitatitra vaovaon'ny @ABCNews24, Latika Bourke, dia toa tahaka ny tsy hay tohaina. Taorian'ny antsojay natao an'ilay mpikambana ao amin'ny parlemanta, Anthony Albanese, nandritra ny andro maro dia nandefa bitsika mivantana izy tafatafa manontolony tao amin'ny fampielezam-peo:

@latikambourke
Anthony Albanese miteny fa efa lalao antitra ny azy ary niteny voalohany tamin'ny vahoaka fa tsy hampandany. GIllard/Swan avy eo niantso an-telefona an'i Rudd #respill
25 Feb 12

Ny fibitsihany dia tranga iray fandinika amin'izao fotsiny mikasika ny fomba ampiasàna ny media sosialy ho an'ireo matihanina amin'ny fanaovana gazety.

Nitontona tany aminà sary tranainy be miresaka tantara mitohy anaty fahitalavitra  ireo media, saingy na ny praiminisitra na ny mpiondana aterineto Tom Taylor dia samy nankafy :

@TomTaylorMade
Gillard: ‘Tsy ampoahany iray ao anatin'ny Celebrity Big Brother ‘akory ity. Fantatray. Afaka mifidy ny olona ao anatin'ny Celebrity Big Brother.
24 Feb 12

Ny  bitsika sasany #kevenge hatramin'ny anio (25 Feb 12) dia toa metimety ihany :

‏@bennpackham
Hatreto dia tavela lavitra any aoriana i Rudd saingy ity zavatra hoe vahoaka manontolo matanjaka ity  dia tena asa-tanan'ilay ratsy fotsiny izao # kevenge

@AshGhebranious
Julia , hatramin'ny nahazoanao an'io babakoto be Kevin Rudd io teo an-damosinao, dia tena nahazandana marina tokoa ianao. #auspol #respill #kevenge

@SuzyJacobs
Tsy ho afaka velively amin'ny sison'ny fisoloana toerana azy i Guillard #auspoll #respill #kevenge

Captain Danger dia nivalaketraka tsotra izao tamin'ireo vondrona mpiara-mihevitry ny media :

@CaPtAiN_dAnGeR_
Maro loatra ireo gazety Aostraliana arahako. Sahala amin'ireny efitrano manako tsy misy fotony ireny no eto  #respill #kevenge #albolove

Ny fandatsaham-bato dia amin'ny 10:30 maraina ny  Alatsinainy 27 Febroary, ora any Canberra

Ny lahatsoratro manaraka dia hiresaka momba ny zavatra nateraky ny fifidianana hatao ny Alatsinainy.

(Fampitàna manokana : Amin'ny maha mpikambana ao anatin'ny Antokon'ny Mpiasa Aostraliana nandritra ny 40 taona, dia manana ny toerako aho amin'ny fanambim-pitarihana mazava ety anaty aterineto : #ISupportGillard)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.