Rosia: Tatitra An-tsary Ataon'ny Bilaogera Sy Eritreritra Manoloana Ny Hetsika Ataon'Ireo Mpomba an'i Putin ao Moskoa”

Tamin'ny 23 Febroary lasa teo, folo andro alohan'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 4 Martsa, nanao kabary ho an'ireo vahoaka an'arivony tao amin'ny kianjabe Luzhniki ao Moskoa ny Praiminisitra Rosiana Vladimir Putin . Miriam Elder tao amin'ny gazety “The Guardian” nanoritsoritra ny hetsika ho toy ny “fihetsiketsehana mampatsiahy ny hetsika Sovietika na teo amin'ny lahateny na teo amin'ny endriny”:

[…] Mpiasa an'arivony avy any amin'ny faritany no notaterina tamin'ny fiara fitaterana na nirohotra nandeha fiaran-dalamby mba hamonjy ny hetsika. […]

Hetsi-panohanana ny PM Vladimir Putin tao Moskoa tamin'ny 23 Febroary, alohan'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 4 Martsa. Sary avy amin'i Irina Firsova, copyright © Demotix (23/02/12).

Nanatrika ny hetsika tamin'ny 23 Febroary ihany koa ny mpamahana bolongana sasantsasany monina ao Moskoa. Ireto ambany ireto ny fantina an-tsary nalain'izy ireo sy ny fijerin'izy ireo izany, ahitana fanamarihana vitsivitsy avy amin'ny mpamaky izany.

Mpisera LJ  mi3ch nandefa sary17 ary nanoratra hoe:

Vahoaka tsotra avokoa no tonga tao. Mpino an'Andrimanitra. Tahaka ny nenitoako. Tahaka ny mpiraivodirindrina amiko. Mpianatra, mpiasa, [mpiasam-panjakana], mpisotro ronono. Vehivavy avokoa- ny Fito amin'ireo olona folo. Renim-pianakaviana sy Renibe. Ary tena tia an'i Putin izy ireo. Mahery fo izy no sady mahay mandray fanapahan-kevitra. […]

Ny zava-dehibe mampiavaka azy ireo [ireo izay nanatrika ny fihetsiketsehana nataon'ny mpanohitra tao amin'ny kianjan'i Bolotnaya] dia ny tavan'izy ireo. Tao Luzhniki ohatra zara raha nahitana olona mitsiky mihitsy. Ary saiky ny ankamaroan'ny olona no nandeha mangina. […]

Mpisera LJ otshellnica nitsipaka tanteraka ilay mpamahana bolongana tao amin'ny takelaka fametrahana fanehoan-kevitra:

Tao Bolotnaya, afaka manamarika ianao fa mitovy avokoa ny endriky tavan'ny vahoaka maro an'arivony [tsy nitsiky] tao. Nisy ny endrika falifaly sy  miramirana nandritra io hetsika io. Ianao, avy amin'ny vahoaka rehetra, tsy tokony hanao adihevitra mora tahaka izany.

Mpisera LJ  maxsytch nanome karazana fampitahana eo amin'ny hetsika ataon'ny tsy mpomba sy ny mpomba an'i Putin:

Ny fahasamihafany dia eo amin'ny salan-isan'ny olona tonga an-tsitra-po tao Bolotnaya sy tao Luzhniki.

Mponina ao Ryazan- mpisera LJ tamrat namolavola ny famaritana ny atao hoe ‘antsitra-po,’ nitantara ny fandraisana anjara tao amin'ny tanànany nandritra ny hetsika tamin'ny 23 Febroary izy ohatra:

Tonga antsitra-po-ary am-pifaliana ny olona avy amin'ny orinasa tao Ryazan. Tsy misy dikany na manohana an'i Putin izy ireo na tsia. Afaka nitsidika an'i Moskoa malalaka izy ireo! Nalaina tany an-toerana izy ireo, nomena sakafo, mba hihaino fampisehoana. Ary maimaim-poana avokoa izany rehetra izany! Niverina nody am-pifaliana izy ireo avy eo. Ary tsy hisy zavatra hiova ato amin'ny firenanay na dia misy olona afaka nampifaliana amin'ny sakafo sy fitsidihana tanàna maimaim-poana aza!

Mpisera LJ  vova-maltsev namoaka sary 14  ary nitantara indray ny resaka haingana nataony niaraka tamin'ireo mpandray anjara sasany tao amin'ny hetsika:

[…]

-Nahoana ianao no eto?
-Notaterina teto izahay, [oadray].
– Manohana an'i Putin ve ianao?
– [Lavahana iny] 17000 ny karamanay [ isam-bolana, $580].

[…]

Nisy [mpiasa mpifindra monina Tajik ] nipetraka tao anaty fiara fitaterana.
– Manohana an'i Putin ve ianao?
– [Mpiasa mpanadio ao Izmailovo izahay, (mahagaga), ka tafahitsoka eto izahay ankehitriny. Tokony hanao ny asanay izahay isaky ny alina.]

[…]

Mpianatra nhandro mahafinaritra.
– Inona no ataonao aty?
-Nalefa taty izahay.
– Mba hahandro sakafo [ho an'ireo mpandray anjara amin'ny hetsika]?
– Eny.
– Nankany Bolotnaya ve ianao?
– Tsia, tsy nalefan'izy ireo tany izahay.
– Manohana an'i Putin ve ianao?
– Eny, izany indrindra…Mpanao gazety ve ianao?
– Eny. Tsy manohana an'i Putin aho.
– (mibitsibitsika) Manohitra azy izahay. Manohitra azy ihany koa ny mpampianatray rehetra.

Mpamaky tsy fantatra anarana namela ity fanehoan-kevitra ity tao amin'ny lahatsoratra nosoratan'ny mpisera LJr vova-maltsev:

[Noentina teny an-keriny izy ireo.] Tsy mba nosandaina vola akory, ny fahatahorana ny mety hisian'ny olana amin'ny asa+ andro 1 tsy niasana no hany nandrisika azy ireo. Marina 100%  izany vaovao izany. Ny fianakaviany miasa ao amin'ny orinasam-panjakana ny fianakaviana, ao Moskoa.

Mpisera LJ  panzicov (Alexei Vitvitskiy) nandefa sary 48  tao amin'ny bilaoginy. Hoy ilay mpamahana bolongana nitantara, ny dimy amin'ireo sary ireo dia mampiseho vondron'olona nilaza fa nokaramaina noho ny fandraisany anjara tamin'ny hetsika:

[…] 800 rubles [$27]  no sandan'ny fahatsapatenan'ny olona nandritra ny roa ora, [ny vola] nomena tao amin'ny [Toby fiantsoanan'ny metro ao  Kultury] taoriana ny hetsika. […]

Sary fito tao amin'ny tatitra nalefan'ny mpisera LJ  panzicov kosa no mampiseho vondrona tanora lehilahy mainty hoditra milanja sora-baventy amin'ny tànana, ahitana teny filamatra amin'ny fanohanana an'i Putin  amin'izany. Mpamahana bolongana hafa, mpisera LJ  drandin (Igor Drandin), niresaka tamin'ireo lehilahy ireo, nanontany ny fiaviany, ary nandefa ny lahatsary tao amin'ny bilaoginy sy tao amin'ny  YouTube; nanazava toy izao amin'ny teny Anglisy ny iray tamin'ireo lehilahy, fa avy any Kenya izy ireo.

Mpisera LJ  pier_luigi, naneho hevitra tao amin'ny lahatsary nosoratan'ny mpisera LJ panzicov, nanoratra mikasika ireo Kenyana mpanohana an'i Putin:

Tsy mbola Korea Avaratra -tsy mbola izany aloha… Saingy ny solontenan'ny Putinisma iraisam-pirenena no mahagaga tanteraka!

Mpisera LJ tushinetc namoaka sary 16 , sary nalaina alohan'ny  nangalan’ ny ankamaroan'ny mpandray anjara amin'ny famoriam-bahoaka toerana tao amin'ny stady Luzhniki. Mampiseho toerana babangoana ahitana harona plastika mitovy  ny iray amin'ireo sary. Mpisera LJ tushinetc nanazava:

[…] Mikarakara tsara ny mpiasany ny fikambanana sasany, ataony izay tsy hampangatsiaka azy ireo na dia mipetraka amin'ny [seza] plastika aza. Ny harona tsirairay mipetraka eo ambonin'ny seza, dia ahitana bodofotsy, zava-mamy ary mandarina, ary eo ambonin'ny seza fotsiny ihany, ahitana [karipetra lamba hipetrahana]. […]

Mpisera LJ 2014imeretinka naneho hevitra hoe:

Inona ny dikany! Ho amin'ny zava-mamy sy ny mandarina…

Mpisera LJ panfilosoff namaly hoe:

Tsy izany mihitsy no dikany… Raha tsy nanatrika ny hetsika ianao, hahazo olana lehibe any am-piasana, ary raha nanatrika kosa indray ianao, hahazo valisoa sy mandarina. Mazava sy lojika avokoa izany rehetra izany.


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.