Digital Divide Data: Manampy Hananganana Harena Ara-olona Avy Amin'ireo Fiarahamonina Niangaran'ny Vintana

Roa ambinifolo taona lasa izay i  Jeremy Hockenstein avy any Etazonia no nisidina ho any Kambodza ary tohina nahita ny fahantrana tao. Nahita fomba maro izy eny anivon'ireo vahoaka tanora any amin'io firenena any Azia Atsimo io. Nihevitra i Jeremy fa ny fahaizana Anglisy sy ny solosaina dia afaka manome hery ireo tanora tsy an'asa izay afaka hitondra fahasamihafàna.

Niainga tamin'ny fahitàna ny fahombiazan'ny fanapariahana ny IT tao India, dia niara-nanangana ny Digital Divide Data i Jeremy tamin'ny fametrahana ny hetsika Data Entry tao Kambodza tamin'ny 2001, nifantohana tamin'ireo tanora avy amin'ny rantsana faran'izay mahantra sy tsy nisy mpijery teo amin'ny fiarahamonina. Ny DDD dia nanome fahafahana ho an'ireo kamboty, tantsaha mpifindra monina, ary ireo manan-kilema sy noho izay no mahasamihafa azy amin'ireo tranom-pandraharahàna hafa rehetra.

Nandritra ny taona maro ny Digital Divide Data no nitombo ho amin'ny fahalalan'izao tontolo izao azy ho fikambanana sosialy tsy mikatsaka tombontsoa. Ny Digital Divide Data dia manosika  ny fampidirana angona, ny famadihana ho XML ary ny fitandroana amin'ny fomba dizitaly dia mila trano fanontàna, mpivaro-boky, mpampiantrano votoaty, mpikaroka eny amin'ny akademia ary mpanao fandraharahana misandrahaka manerantany. Ny DDD sy ireo mpiasa an-jatony ao aminy ankehitriny dia maikarakara mpanjifa avy any Etazonia sy Eraopa Andrefana ihany koa, miainga avy any amin'ireo birao ao Kambodza, Laos sy Kenya ary hatreto dia nanofana olona maherin'ny  1.800.

Ny tetikasa DDD dia manofana mpirotsaka vaovao mandritra ny 3–8 volana mba hanitatra ny fahalalana fototra efa nananany momba ny Anglisy sy ny solosaina. Ireo izay afaka namita ny fiofanan-dry zareo aminà vokatra ambony dia hanjary ho azo fidiana hanatevin-daharana ny fikambanana. Mba hifanaraka tsara amin'ny DDD, ny fiofanana tontosa antsakany sy andavany dia ilaina, tsy hoe fotsiny hamenoana ny zavatra ilaina amin'ny maha-teknisiana, fa koa mba liana amin'ny iraka ara-tsosialy sahaniny. Avy eo ry zareo afaka miasa aminà tena tetikasa toy ny mpiasa mandritra ny ora 6 isan'andro ary manohy aminà fibeazana lavidavitra kokoa mandritra ny 3-4 taona. Ity ny zotran-dingana :

Chenda Chhay dia isan'ireo tao anatin'ny andiany voalohany tamin'ny fandrindrana ny angona tao amin'ny DDD. Mizara ny tantarany izy :

Tsy haiko izay mbola hitondran'ny ampitso ahy ato anatin'ireo taona vitsy ho avy – manomana diplaoma ambony any ivelany, manomboka manisaka ny asa fitantanako hivoaka any ivelany, na miasa hampivoatra ny fireneko. Ny zavatra fantatro dia mirotsaka lalina amin'izay ataoko aho amin'izao fotana ary isaorako an'Andriamanitra ny amin'ireo olona izay manohana ny DDD sy nanome vintaa ahy hanaraka ny nofinofiko.

Mpiambina no nanombohan'i Bun Sokha tao amin'ny biraon'ny DDD tao Phnom Penh, Kambodza tamin'ny Jona 2007. Nandeha ny taona ary dia nakarina amin'ny toeran'ny ‘operateur’ izy ka mampahafantatra hoe :

Ny DDD dia tsy hoe fotsiny toerana manome tombon-dahiny ho an'ireo vondron'olona niangaran'ny vintna, fa koa toerana iray misy hafanana tiana hitoerana.

Jeremy Hockenstein dia miteny ao anaty tafatafa iray fa iray amin'ireo fanamby atrehan'ny DDD ny tsy fahampian'ny otsikarena araolona mba hanatanterahana ny hetsiny. Noho izany dia mila mitmbo sy mampivoatra ny traikefa ara-pitantanany samirery izy.

Ity ambany ity ny lahatsary iray mamariparitra ny asan'ny Digital Divide Data :

Ny DDD dia nokilasiana ho faha- #28 ao anatin'ny Fandaharana Manerantany ny 100 voalohany amin'ireo ONG erantany.

Miaraka aminà rafitra iray miahy tena sy tsy mikatsaka tombontsoa izay mamerina mampiasa ny vola eo anivon'ny orinasa ihany, ny Digital Divide Data dia nahavita zavatra mivaingana – ireo ‘nahazo diplaoma’ dia tonga mandray vola be avo efatra heny noho ny salan-karama any amin'ny faritra, raha ta kosa ny fikambanana amin'izao fotoana izao no isan'ny mpampiasa olona betsaka indrindra amin'ny sehatry ny teknolojia ao Kambodza sy Laos.

Sokafy ny  angona media an'ny DDD mba hahafantarana azy bebe kokoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.