Frankofonia : Andro Manerantany Ho An'ny Tenin-dreny

Niara-nanoratra ity lahatsoratra ity i  Samy Boutayeb, Claire Ulrich ary Suzanne Lehn.

Ankalazaina na aiza na aiza eto amin'izao tontolo izao ny Andron'ny Tenin-dreny, ny 21 febroary. Fety na fankalazàna izay toa somary ara-panjakana, ahafahana mampivoitra ireo teny sy ezaka natao mba hitahirizana azy ireny.

Zavatra tsy dia be mpahalala, ry zareo Bengalis, ao anatin'izay lasa ho i Bangladesh, no namorona ity andro ity, ho fanehoam-pitiavan-tanindrazana :

Nofinbidy ny andron'ny 21 febroary mba ho Andro Manerantany ho an'ny Tenin-dreny, ka tanjona ny hahatsiaro ireo maritiora nanao sorona ny ainy ho fiarovana ny fiandrianan'ny tenin-dreniny, ny bengali, tamin'io andro io ny taona 1952. Isan'ny ohatra vitsy izany amin'ireo tantara izay nisian'ny olona nanome tsy amin-tahotra ny ainy noho ny fitiavany ny tenin-dreniny.

Ny 21 Febroary dia andro iray tsy iasana any Bangladesh, nefa kosa ankalazaina maneran-tany izy na dia tsy natao ho andro tsy iasana aza.

Tamin'ny taona 1999 ity andro ity no nambaran'ny UNESCO ho Andro Manerantany.

Zava-dehibe loatra izay fotoana izay ka nahatonga hetsika iray fankalazàna niarahana tao amin'ny sisintany, mba hisolo ny fihenjanan'ny fifandraisana ao amin'i India sy Bangladesh, efa hatramin'ny adim-panafahana tamin'ny 1971.

Inda sy Bangladesh dia hiara-manamarika ny Andro Manerantany Ho an'ny Tenin-dreny ao amin'ny faritra tsy azo itsahana manamorona ny sisintany, ao anatin'ny ezaka handrisihana ny hifaneraseran'ny tsirairay avy amin'ny firenena roa tonta.

Afrika : ny fifohazan'ireo teny afrikana

Ny lohahevitr'ilay andro amin'ity taona ity dia ny fampidirana ireo tenin-dreny ao anatin'ny seha-panabeazana any an-tsekoly. Any Afrika miteny frantsay, tahaka n y amin'ny faritra hafa miaraka amin'ny fifohazan'ny maha-izy ny tena sy ny kolontsaina ao an-toerana, tsinjo ny fipongarana sy fanomezan-danja ireo teny Afrikana.

Ao Côte d'Ivoire, ny hetsiky ny Akademia Ivoarianina momba ireo tenin-dreny dia tonga tamin'ny tolo-dalàna iray momba ny fampianarana ny tenin-dreny.

Any amin'ny Nosy Maorisy, ireo mpiasa amin'ny sehatra sosialy dia manoritsoritra ny fanantenan-dry zareo sy ny ahiahiny mikasika izay ho fiantraikan'ny fampianarana isafidianana ny teny kreol  eo amin'ny ho fahmbiazana anaty fotoana maharitra ary ny fampivelarana manontolo ny zaza.

Ny fampidirana ny teny kreol dia hisoroka araka izany ireo dona ratsy mety hatao amin'ny ankizy  amin'ny fandavàna ny tsy hampisàny ny tenin-dreniny… Fantatra ireny voka-dratsy ireny : fikorosian'ny fahatokisan-tena ary fiantraikany miiba eo amin'ny fianarana ireo teny hafa.

Ao Guinée, ny mpanoratra ato aminay Abdoulaye dia manamarika ao amin'ny bilaoginy manokanasur Konakry Express hoe :

Tato anatin'ny andro vitsivitsy, nandeha ny feo fa hoe ny governemantan'ny Filoha Condé dia hampiditra ato ho ato ny fampianarana ireo teny eto amin'ny firenena ho ao anatin'ny rafi-panabeazana eto amin'ny firenena. Somary hafahafa ihany raha any amin'izao tontolo izao aza, tsy misy zava-baovao ho amin'izany hetsika izany. Saingy ny 25 aprily, nahazo hafatra iray avy aminà namana aho milaza hoe:

“Vao avy natao sonia ilay didim-pitondràna mba hananganana ny Ministeran'ireo teny eto amin'ny firenena sy ny fampianarana mamaky teny sy manoratra.”

Ny Aterineot miasa ho an'ireo teny tandindonin-doza

Nefa eny anivon'ny aterineto ireo tenin-dreny tsy fahita firy, tandindonin-doza, na zara raha ampiasaina no miroborobo satria tsy mba manana fitendry solosaina mifanaraka amin'ny terehin-tsoratr'izy ireny. Ohatra, miaraka amin'ny tetikasa “Enduring voices” natomboky ny  National Geographic Society amerikana, izay mametraka anaty aterineto “rakibolana afaka miteny”,

manome fahafahana ho an'ireo mpihaino rehetra manerantany ny vintna haheno  ireo feo isan'ireo tsy mba heno any anaty kabarin'olona any.

Miisa valo ireny rakibolana ireny hatreto : Tuvan, Ho, Siletz Dee-Ni, Matukar Panau, Chamacoco, Remo, Muniche ary Saura.

Misy fiombonana iray vaovao teraka teo amin'ireo teny afrikana sy ny teknolojia noho ny fisian'ny podcasts. Amin'ny alalan'izy ireny no teraka vaovao indray ireo kolontsaim-bahoaka tena faran'izay tranainy, ny angano, ao amin'ny Apple Stores sy tahirin-kevitra maro hafa voarakitra anaty feo. Ohatra fotsiny izao ity  angano amin'ny teny bambara ity (avy any Mali)  “L'écureuil et le serpent” noraketin'i Boukary, mpikambana iray ato anatin'ny vondrom-piarahamonina miteny frantsay misy anay.

“L”écureuil et le serpent “Conte en langue bambara (mp3)
Misy dikanteny ho an'ny frantsay ato.

Endrika fiombonana iray hafa eo amin'ireo tenin-dreny afrikana, izay tsy nomena ny toerany hatreto teny anivon'ny fandraharahana, sy ny fiarahamonina ary ny teknolojia : ny fivoahan'ireo rindrambaiko tsotra nifanesinesy ho an'ny iPhone ampiasàna ny teny adrikana, ohatra ny teny Yoruba.

Sipakely Bretonnes, sary nalefan'i ghislainedarmor tao amin'ny Flickr, mampiasa ny licence CC

Ao Frantsa koa, ireo tenim-paritra dia mba te-ho tenin-dreny indray koa ka tamin'ity taona ity, ny tanànan'i Quimper dia nanamarika ny azy taminà fitsidihana amin'ny teny breton ireo toerana samihafa ao an-tanàna, raha i Parthenay kosa nifety ny “parlanjhe“, izay tenin'ny oïl.

Fanamarihana ny fotoana : ny rakikira Bretonne an'ilay mpihira frantsay Nolwen Leroy, amin'ny teny breton, dia nahalafo kapila nihoatra ny iray tapitrisa, nefa tsy nampihetsika ny volombavan'ny frantsay akory. Amin'izao, fotoan'ny fianakaviana sy n y teny nampifangaroina, tsy hahagaga ny hànana tenin-dreny maro, izay tsy hifampialona akory. Vao mainka tsara.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.