Tonizia: Nofoanan'ny Fitsarana Ny Didy Hanivana Ny Porno

Notsipahan'ny Fitsarana Tampony tao Tunis omaly ny Didim-pitsarana hanivana ny pôrnô amin'ny aterineto. Namoaka didy tamin'ny Sampandraharaha Toniziana misahana ny Aterineto (ATI) ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany tamin'ny 26 Mey 2011 hanivana ny vohikala voasokajy ho X. Nohamafisin'ny Fitsarana Ambony izany tamin'ny  15 Aogositra 2011.

Ivelan ny Sampandraharaha Toniziana Misahana ny Aterineto (ATI) ao Tunis, Tonizia hoy i Jillian C. York

Notsikerain'ny mpamahana bolongana sy ny mpiaro ny fahalalaham-pitenenana, izay mino fa mametra ny fahafahana miteny, ka  manokatra ny lalana miverina any amin'ny sivana, ny didim-pitsarana.

Noarahabain'ny mpiserasera manohana ny fahafahan'ny aterineto tanteraka ny didim-pitsarana nivoaka omaly.

Ny biraon'ny Mpanangom-baovao Tsy Voasakan-tSisintany (Reporters Sans Frontières) no voalohany nitatitra ny didim-pitsarana:

#ATI – la cour de cassation casse le jugement et renvoie le procès en appel.

#ATI nofoanan'ny Fitsarana Tampony ny Didy ary naverina hotsarain'ny fitsarana ambony indray

Niely vetivety ny vaovao, ary niparitaka tamin'ny alalan'ny famahanam-bolongana bitika Twitter ny fihetseham-po. Indreto ny voafantina tamin'izany:

@RODE86: Ya7ya el 3adl! Ya7ya el 3adl!

@RODE86: Ho ela velona ny Rariny! Ho ela velona ny Rariny!

@HBHassine: je suis heureuse qu on reconnaisse enfin que les Tunisiens sont adultes et responsables! #contrelinfantilisationdesTunisiens #ATI

@HBHassine: Sambatra fa nekena ho olondehibe sy tompon'andraikitra ihany ny Toniziana! Manohitra ny fiheverana ny Toniziana ho zaza

@yassine95140: La bonne nouvelle, qu'on soit pour ou contre la décision de la cour, c qu'on a la preuve d'1 séparation réelle d pouvoirs. #ATI #TNAC #TNGOV

@yassine95140: Na manohitra na manohana ny didy navoakan'ny Fitsarana, ny vaovao tsara dia ity no porofo fa misaraka tokoa ny fahefana

Ny hafa kosa mbola miahiahy sy manana fijery mailo.

@El_7oss: Ces connards de la cassation pouvaient aussi casser le jugement sans renvoyer en appel #ATI

@El_7oss: Azon'ny adala ao amin'ny tampony ihany koa ny nanafoana ny didy ka tsy mamerina azy any amin'ny fitsarana ambony

@Selim_: bien. Mais c pas fini

@Selim_: Tsara. Fa tsy mbola tapitra

@omessaoud: Le renvoi de l'affaire #ATI en appel à nouveau est un renvoi de responsabilité pas une victoire. #free404 #tunisie #censure

@omessaoud: Ny famerenana ny raharaha #ATI any amin'ny fitsarana ambony dia famindrana ny andraikitra fa tsy fandresena. #free404 #tunisie #censure

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.