Ny Fiara Kodiaran-telon'i Azia Atsimo Atsinanana

Tuktuk, Beca, Kuliglig, Trishaw, Pedicab, Becak, Tricycle. Ireo no kodiaran-telo malaza be mpanana any amin'ny faritra Azia Atsimo Atsinanana. Hita eny an-dalan'ny tanandehibe izy ireny, saingy miezaka ny handrara ireny posisposy hita na aiza na aiza sy efa entin'ny motera mitatitra olona ireny ny governemanta maro.

Tuktuk outfitted with anti-bag snatching netting in Phnom Penh, Cambodia. Photo from Casey Nelson

Tuktuk tarihina hatreo amin ny fitoeran entana moto hita ao Phnom Penh, Kambodza. Saripika Casey Nelson

Cow in Tuktuk in Kampot, Camdodia. Photo from Tales from an Expat

Ombivavy anaty Tuktuk tany Kampot, Kambodza. Sary Tales mpivahiny iray

Tuktuk protective gear during rains. Photo from Flickr page of anuradhac used under CC License

Tuktuk voaaro amin ny orana. Saripika pejy Flickr mpisera anuradhac alalana CC License

Tuktuk in Thailand. Photo from Flickr page of Blue Funnies used under CC License/

Tuktuk any Thailand. Saripika Flickr an i Blue Funnies alalana CC License

Tuktuk in Laos. Photo from Flickr page of Luluk used under CC License

Tuktuk any Laos. Sary Flickr an i Luluk alalana CC License

Kuliglig or motorized pedicabs in Manila. Photo from Flickr page of gino.mempin used under CC License

Kuliglig any Manila. Saripika hita Flickr an i gino.mempin alalana CC License

Manila City government wants Kuligligs removed from the streets. Photo from the Flickr page of Siopao Master used under CC License

Tianny fiadidiana ny tanàna any Manila esorina @ fifamoivoizana ny Kuligligs. Saripika Flickr an i Siopao Master ampiasaina noho ny alalana CC License

Tricycle in Dumaguete, Philippines. Photo by author

Kodiarantelo any Dumaguete, Philippines. sarin ny mpanoratra

Engineered trike to adopt to the hilly terrain of Pagadian, Philippines. Photo by author

Kodiarantelo namboarina hifanaraka amin ny tany kisilasilan i Pagadian, Philippines. Sarin ny mpanoratra

Ho tonga any Eoropa tsy ho ela ny kojakoja fanolon'ny E-Tuktuks. Mandritra izany fotoana izany dia navoaka ho hitam-bahoaka any Philippines ny E-Trikes. Mampiasa ny vatoaratra lithiôma-iôna izay fampiasa mahazatra amin'ny solosaina finday sy ny finday ry zareo. Eto ambany ny E-Trike any an-tanànan'i Davao any atsimon'i Philippines izay ampariahana hampihenana ny fampiasana ny solika milevina:

Photo by Karlos Manlupig 

Saripika Karlos Manlupig

Mitondra Beca na posiposy i Jan Shim rehefa mankany Penang, Malezia:

MARO ny fomba andehanana any Penang, ary ny iray mahaliana indrindra dia ny eny ambony kodiaran-telo. Fantatra any an-toerana ihany koa amin'ny anarana hoe beca na posiposy, io no fomba fitaterana mandritsorotsy ny mpandeha manavatsava an'i Penang. Any Malezia dia misolo toerana tsikelikely ny posiposy tarihin'ny mpandeha an-tongotra izay hita na taiza na taiza tany an-tanàndehibe nandritra ny taompolo 70 ny posy-bisikileta (beca amin'ny teny Malay). Nanjaka tokoa ny posy-bisikileta nandritra ny taompolo 70. Nanomboka hatreo, noho ny fitadiavana fitateram-bahoaka tsara kokoa dia nitsotsorika ny isan'ny posy-bisikileta. Ankehitriny dia ampiasaina ho fisintonana mpizahantany amin'ny ankapobeny ny posy-bisikileta, ka misy vitsivitsy miasa any Malacca, Penang, Kelantan ary Terengganu.

Becak in Indonesia. Photo from Flickr page of Original Nomad used under CC License

Becak any Indonezia. Sary Flickr an i Original Nomad avy @ alalana CC License

M-Explorer manoratra momba ny Pedicab Siantar, soavalivy fahagolan'ny tanànan'i Siantar any Indonezia. Mamelabelatra ny haibikan'ny predicab manavaka an'i Indonezia i Edwin. Mamela teny fohy i Enchanting Eden fa misolo fiara moderina kokoa ny Becaks:

Mihalany tamingana ny Becaks, fa voararan'ny fiadidiana ny tanàna maro manerana ny saikanosy izy ireny noho ny fahanterany sy ny tsy fanajana maha-olona aterany, ka soloina tsikelikely amina kinova mandeha motera mifanahatahaka amin'ny tuk -tuks avy any Thailandy. Mampihomehy ihany fa izay hita tany Indonezia, dia ampidirin'ireo  firenena hafa manerana izao tontolo izao mpanandratra ny “miaro ny tontolo iainana”, indrindra fa ireo firenena andalampandrosoana, any aminy ny posiposy amin'ny endriny samihafa .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.