Zeorzia: Fampielezan-kevitra Ao Amin'ny Aterineto Mikendry Ny Pejy Facebookin'ny Filoham-pirenena Rosiana

Miaraka amin'ireo miaramila Rosiana mitoby any amin'ireo faritr'i Zeorzia mampisarakan'i Abkhazia sy Ossetia Atsimo, nanolo-kevitra hanamarika ny Andron'ny Mpiaro ny Tanindrazana ny 23 Febroary ny vondron'ireo mampiasa ny Forum.ge amin'ny alàlan'ny famoahana tsikera manohitra ny fibodoana ao amin'ny pejy Facebook-n'ny Filoham-pirenena Rosiana Dmitry Medvedev.

Cyxymu, Zeorziana mpitoraka bilaogy iray izay lasibatr'ireo fanafihana ao amin'ny Facebook, bilaogera ao amin'ny Google, LiveJournal sy Twitter, nanery ity farany hiato nandritra ny roa ora ny 7 Aogositra 2009 teo, namoaka sary tao amin'ny Facebook nanaitra  ny Zeorziana maro momba io fampielezan-kevitra io.

Mihoatra ny 200 ireo mampiasa io vohikalana tambajotra sosialy io no nanomboka nametraka tsikera avy eo ary mitohy hatrany manao izany.

“Дмитрий Анатольевич, я требую вывода российских оккупационных войск из Грузии!”

“Dmitry Anatolevich, angatahako ny fanalàna ireo hery Rosiana mpanani-bohitra any Zeorzia!”

Ora iray taorian'izay dia nanomboka nanjavona tao amin'ilay pejy ireo tsikera, araka ny voalazan'i Cyxymu. Ireo Zeorziana kosa anefa, tsy nitsahatra nametraka ireo tsikera ireo ary naka sary ny pejin'i Medvedev.

Taorian'izay dia nitatitra ireo mpampiasa Facebook fa tsy afaka nidirana intsony io pejy io tany Zeorzia, miaraka amina tsahotsaho fa hoe voasakana izany. Taorian'izay, rehefa afaka nidirana izany, maro ireo tsikera napetrak'ireo Zeorziana mpampiasa no hita fa voafafa tao anatiny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.