Maraoka: Mpianatra Nogadraina Fa Nanevateva Ny Mpanjaka Tao Anatina Lahatsary

Tamin'ny Alatsinainy 13 Febroary teo, niampanga ilay mpianatra, Abdelsamad Haydour 24 taona higadra 3 taona an-tranomaizina sy handoa lamandy 1200 dolara amerikana ny fitsarana ao an-tanànan'i Maraoka ao Taza noho ny fitsikerana nataony tamin'ny mpanjakan'i Maraoka tamina lahatsary navoakany tao amin'ny YouTube. Araka ny fanambarana ofisialy navoakan'ny sampam-pahalalam-baovaon'ny fanjakana, voampanga ho “nanosihosy ny hasin'ny firenena” i Haydour.

Araka ny voalazan'ny tranokalam-baovao ao Maraoka, tsy nanana mpisolo vava Andriamatoa Haydour nandritra ny fakana ambavany azy ary tsy nanendry mpisolo vava ho azy ihany koa ny fitsarana mba hiaro ny voampanga ho fanajana ny lalàna Maraokana. Araka ny lalàna maraokana, tsy azo ‘tsinontsinoavina’ ny mpanjaka. Ny lalampanorenana maraokana ao amin'ny (andininy 23) kosa anefa dia manome antoka ny ” fahalalahana ara-tsaina, ara-kevitra ary fahalalahana haneho hevitra amin'ny endriny rehetra.”

Nivoaka tany am-piandohan'ny volana Janoary tany ilay lahatsary naharitra efatra minitra niampangana azy, nandritra ny herinandro nisian'ny rotaka ara-tsosialy sy ny fifandonana feno herisetra teo amin'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny polisy misahana ny rotaka tao an-tanàna anjakan'ny tsy fananan'asa tao Taza.

Ao anatin'ilay lahatsary, hita miresaka amina vondron'olona eny an-dalana i Abdelsamad Haydour, mitsikera mafy ny mpanjaka sy ny olona akaiky azy (lahatsary navoakan'ny zawali66):

Tonga ny mpanjaka raha tsy mbola feno ny herinandro nanatrehana olona iray feno 18 taona ny Fitsarana tao an-drenivohitra Rabat voampanga ho nanevateva azy tamin'ny fandefasany sary sy lahatsary maneso ny mpanjaka Mohammed VI.

Niteraka fanehoan-kevitra mafana teo amin'ny valan-tserasera ny vaovao mikasika ny sazy azon'i Haydour.

Rasta Basta ni-tweet:

@Basta: eritreritra fotsiny ihany: ao #Morocco tsy mampigadra ny manevateva an'Andriamanitra, mampigadra kosa ny manevateva ny mpanjaka, gadra 3 taona; misy fehin-kevitra ve? #HR #ArabSpring

Samia Errazzouki ni-tweet:

@Charquaouia: Hatramin'izay nisian'ny lalampanorenana sy fifidianana izay, tsy voaisako intsony ny olona nogadraina tao Maraoka  noho ny fanehoan'izy ireo hevitra tokana fotsiny ihany.

Burrito ni-tweet:

@Burrito_SB: Olona firy no tokony hosamborina noho ny fanehoan-kevitra kely mba ataony, mila fantarintsika ve  fa tsy nisy fiovana ao #morocco #maroc

Na dia eo aza ny fitomboankarena miandalana, mbola mijaly noho ny tsy fisian'ny asa i Maraoka, indrindra ny tanora vao misondrotra izay mihoatra ny ampahaefatra amin'izy ireo no manana diplaoma tsy mety mahita asa.

Tanàndehibe maro ao Maraoka no vavolombelon'ny fihetsiketsehana isan'andro momba ny tsy fisian'asa tarihin'ny nahazo ny diploma oniversitera te-hiditra amin'ny asam-panjakana. Tamin'ny volana lasa, nandrehitra afo tany an-drenivohitra Rabat mihitsy ny efatra tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana. Namoy ny ainy tamin'izany ny iray tamin'izy ireo.

Saingy ao an-tanànan'i Taza no faratampon'ny fihenjanana ara-tsosialy. Nanatrika herinandro vitsivitsy anjakan'ny fifanandrinana mahery vaika eo amin'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny polisy misahana ny rotaka ny tanàna, ary ny henjana indrindra dia ny tamin'ny voalohany Febroary rehefa niditra isan-tokantrano tsirairay mihitsy ny polisy, nisambotra olona maro ahiana ho mpirotaka.

Tamin'ny talata, olona 17 avy any Taza no voaheloka hatramin'ny valo volana an-tranomaizina noho ny  “fandrobana sy fanimbana fananam-panjakana,” hoy ny tatitra navoakan'ny mpamoaka vaovao ao an-toerana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.